Hira
Miezaka aho ho toa an’i Jesoa


40

Miezaka aho ho toa an’i Jesoa

Feno fanolorantena

1. Miezak(a) aho toa an’ i Je-soa,

hanara-dia Azy koa.

Haneho fitia toa Azy koa am(in’ny) izay rehetra atao.

’Ndraindray aho mitady hisafidy ny ratsy,

dia miezak(a) aho hihaino ’lay bitsika manao hoe:

[Chorus]

“Aoka ianareo mba hifankatia,

ho tsara fanahy sy ho feno fitia,

ho feno fiantrana ao an-tsaina, ao am-po,

f(a) izay no nampianarin’i Jesoa.”

2. Hiezak(a) hitia ireo hafa aho,

hanompo ireo namako.

Miandrandr(a) ilay androm-pifaliana izay hiavian’i Jesoa.

Izay nampianariny no hotsaroako,

dia tonga ao an-tsaiko ’lay Fanahy izay miteny hoe:

[Chorus]

“Aoka ianareo mba hifankatia,

ho tsara fanahy sy ho feno fitia,

ho feno fiantrana ao an-tsaina, ao am-po,

f(a) izay no nampianarin’i Jesoa.”

Tonony sy feony: Janice Kapp Perry, ter. 1938

© 1980 an’i Janice Kapp Perry. Ity hira ity dia azo adika raha sendra ampiasaina ao an-tokantrano na ao am-piangonana ka tsy atao itadiavam-bola. Ity fanamarihana ity dia tsy maintsy ampidirina ao amin’ny tahadika tsirairay izay havoaka.

Jaona 13:15, 34