Hira
Araho hatrany ny Mpaminany


58

Araho hatrany ny Mpaminany

Mientanentana

1. I Adama no santatr’ ireo mpaminany.

Tao Saha Edena aloha no niasany.

Nanompo ny Tompo ary nankatò,

ka isik(a) izao dia taranany avokoa.

[Chorus]

Araho hatrany ny mpaminany

dia tsy ho very ianao rehefa mandeha.

Araho hatrany ny mpaminany

f(a)izy no mahalala izay ho aleha.

2. I Enoka kosa dia mpaminany,

niantso ny vahoaka hanao ny tsara hatrany.

Lasa marina ireo, tsy nanota intsony,

ka nentin’ny Ray hiakatra any ambony.

[Chorus]

Araho hatrany ny mpaminany

dia tsy ho very ianao rehefa mandeha.

Araho hatrany ny mpaminany

f(a)izy no mahalala izay ho aleha.

3. I Noa ihany koa dia mpaminany,

niantso ny vahoaka hibebaka hatrany.

Tsy nihaino ireo, tsisy nankatò.

Tojo safodrano ka ringana avokoa.

[Chorus]

Araho hatrany ny mpaminany

dia tsy ho very ianao rehefa mandeha.

Araho hatrany ny mpaminany

f(a)izy no mahalala izay ho aleha.

4. Abrahama koa dia mpaminany,

niteraka an’ Isaka satria nino hatrany.

Ary Isaka indray no rain’ i Isiraely

‘zay niavian’ ireo fokon’ Isiraely.

[Chorus]

Araho hatrany ny mpaminany

dia tsy ho very ianao rehefa mandeha.

Araho hatrany ny mpaminany

f(a)izy no mahalala izay ho aleha.

5. I Mosesy indray dia mpaminany,

nitaona an’ Isiraely mba handova tany.

Nikomy izy ireo tany an-tany foana

ka nirenireny efapolo taona.

[Chorus]

Araho hatrany ny mpaminany

dia tsy ho very ianao rehefa mandeha.

Araho hatrany ny mpaminany

f(a)izy no mahalala izay ho aleha.

6. Samoela kosa fony mbola kely,

dia efa voafidy mba ho mpaminany.

Tao amin’ ilay taberinakely

no nandre ny Tompo ka tamy avy hatrany.

[Chorus]

Araho hatrany ny mpaminany

dia tsy ho very ianao rehefa mandeha.

Araho hatrany ny mpaminany

f(a)izy no mahalala izay ho aleha.

7. Jona kosa indray dia mpaminany

‘zay nikasa hitsoaka ho any lavitra any.

Natelin’ny trondro ka dia tonga saina.

Nianatra hankatò ary koa tsy hitaraina.

[Chorus]

Araho hatrany ny mpaminany

dia tsy ho very ianao rehefa mandeha.

Araho hatrany ny mpaminany

f(a)izy no mahalala izay ho aleha.

8. I Daniela kosa dia mpaminany.

Tsy nanaiky hanota, natsipy avy hatrany

tao amin’ny liona mba ho faty koa,

nefa dia voaro satria nankatò.

[Chorus]

Araho hatrany ny mpaminany

dia tsy ho very ianao rehefa mandeha.

Araho hatrany ny mpaminany

f(a)izy no mahalala izay ho aleha.

9. Very hevitra izao tontolo izao.

Raha tsy mino ianao jereo ny vaovao.

Ho hitanao hatrany izay tokony hatao,

raha ny mpaminany no arahanao.

[Chorus]

Araho hatrany ny mpaminany

dia tsy ho very ianao rehefa mandeha.

Araho hatrany ny mpaminany

f(a)izy no mahalala izay ho aleha.

Tonony sy feony: Duane E. Hiatt, ter. 1937. © 1989 IRI

(Adam) Mosesy 5:4–12, 58–59

(Enoch) Mosesy 6:26–28; 7:13–21

(Noah) Genesisy 6–8

(Abraham) Genesisy 12–50

(Moses) Eksodosy 3; Nomery 14

(Samuel) 1 Samoela 1; 3:1–10

(Jonah) Jona 1–3

(Daniel) Daniela 6

(Today) Fotopampianarna sy Fanekempihavanana 21:4–7