Liahona
Ilay olona manan-danja indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna
Janoary 2024


“Ilay olona manan-danja indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, jan. 2024.

Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Ilay olona manan-danja indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Taona maro lasa izay ireo rahalahy mpanompo ahy dia nanasa ahy mba handalina amim-pahamatorana ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa nanome ahy io fanasana io izy ireo dia tonga saina aho fa na dia namaky kely isan’andro tao amin’ny Bokin’ny Môrmôna aza aho dia tsy namaky izany tamim-pahamatorana akory.

Nozarain’izy ireo tamiko ny fampanantenana iray izay nifototra tamin’ny tenin’ny Filoha Ezra Taft Benson manao hoe: “Misy hery ao anatin’[ny Bokin’i Môrmôna] izay hanomboka hirotsaka eo amin’ny fiainanao raha vao manomboka mandalina tsara ilay boky ianao. Hahazo hery lehibe kokoa ianao hanoherana fakam-panahy … hiala amin’ny fitaka … hijanonana eo amin’ilay lalana ety sy tery” (Enseignements des présidents de l’Église: Ezra Taft Benson [2014], 151).

Nekeko ny fanasan’izy ireo ka volana maro nanarak’izany dia hitako fa tanteraka ny fampanantenan’izy ireo. Nanova ny fiainako izany.

Ny antony lehibe indrindra mahatonga ny hoe ny Bokin’i Môrmôna dia manome antsika hery ara-panahy dia noho izy io mampanakaiky kokoa antsika an’i Jesoa Kristy. Ao amin’ny lahatsoratra nosoratan’ny Filoha Henry B. Eyring’s ao amin’ny pejy 4, dia manoratra toy izao izy: “Ireo izay mamaky ny Bokin’i Môrmôna amin-kitsim-po, sy miaina ireo fitsipika raketiny ary mivavaka mba hahafantatra momba ny fahamarinan’izany, dia hahatsapa ny Fanahy Masina sy hampitombo ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy.”

I Jesoa Kristy no olona manan-danja indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Araka ny zavatra izay zarainay sy i Madison Sinclair, mpiara-manoratra amiko, ao amin’ilay lahatsoratra nosoratanay mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna” (pejy 10), dia voaresaka mihoatra ny im-7000 ny Mpamonjy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Fantatro fa rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna isika amin’ity taona ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy dia hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy isika.

Amim-pitiavana,

John Hilton III

Prôfesora misahana ny Fianarana momba ny fivavahana ao amin’ny Brigham Young University

Sary
Vehivavy mamaky soratra masina

Sary nataon’i J. Kirk Richards