Liahona
Ny fahazavantsika any an-tany foana
Janoary 2024


“Ny fahazavantsika any an-tany foana,” Liahona, jan. 2024.

Ny fahazavantsika any an-tany foana

Ireo izay mamaky ny Bokin’i Môrmôna amin-kitsim-po, sy miaina ireo fitsipika raketiny ary mivavaka mba hahafantatra momba ny fahamarinan’izany, dia hahatsapa ny Fanahy Masina sy hampitombo ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy.

Sary
Ny Rahalahin’ i Jareda mitondra vato mazava

Sarin’ny rahalahin’ i Jareda mitondra vato mazava nataon’i Normandy Poulter

Na fony aho zazalahy kely aza dia efa nanana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Tsapako ho nanan-danja tamiko manokana ny tantaran’ny rahalahin’i Jareda sy ny vahoakany tamin’ny dian’izy ireo nankany amina “tany nampanantenaina” (Etera 2:9).

Rehefa sendra ny hoe mety hanao dia ao anatina sambo maizina izy ireo dia nanontany toy izao ny rahalahin’i Jareda: “Indro, Tompo ô, avelanao va ny hitanay ity rano lehibe ity ao amin’ny haizina?” Ho valin’izany dia hoy ny Tompo hoe: “Inona no tianao hataoko mba hanananareo hazavana ao amin’ny sambonareo?” ((Etera 2:22, 23).

Fantatry ny rahalahan’i Jareda fa mahery tokoa ny Tompo. Fantany fa ny Tompo no loharanon’ny fahazavana rehetra. Fantany fa ny Tompo dia nandidy ny vahoakany mba hiantso ny anarany rehefa misy zavatra ilainy. Noho izany dia nampihatra ny finoany ny Tompo ny rahalahan’i Jareda ka nanomana vato kely miisa 16. Tsaroanareo angamba fa nangataka ny Tompo izy avy eo mba hikasika ireo vato tamin’ny rantsantanany, “mba hahazoany mamirapiratra ao amin’ny haizina” (Etera 3:4).

Nazava sy niraikitra tao an-tsaiko ilay sarin’ny Tompo mikasika ireo vato ireo hatramin’ny fotoana voalohany namakiko io tantara io. Azoko sary an-tsaina toy ireny hoe mitranga eo ambany masoko ireny mihitsy io trangan-javatra io. Izany tokoa angamba satria ho ahy dia tena zava-misy ilay sarina haizina roahin’ny hazavana.

Rehefa tsy mahatsapa ny Fanahy Masina aho, rehefa toy ny tsy manana aim-panahy aho, dia mahatsapa haizina. Saingy rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho dia miverina ilay hazavana. Toy ny vato mazava nokasihan’ny Tompo ny Bokin’i Môrmôna ho ahy hatrizay. Nanazava ny diako namakivaky ny fiainana izany.

Fahazavana maharitra mandrakizay

Tahaka ireo olona nentin’ny tanan’ny Tompo nankany Amerika fahiny, isika ihany koa dia miatrika oram-baratra sy andro maizina mandritra ny diantsika mankany amin’ny tany nampanantenaina misy ny fisandratana. Fa ny Tompo dia hanao ho antsika ny zavatra nataony ho an’ireo Jaredita sy ireo Nefita. Hitarika antsika sy hanazava ny lalantsika Izy; raha mankatò Azy sy mampihatra ny finoana Azy sy mitalaho ny fanampiany isika.

Hoy ny Tompo tamin’i Nefia hoe: “Ary Izaho koa no ho fahazavanareo any an-tany foana; ary Izaho no hanomana ny lalana eo anoloanareo raha toa ka mitandrina ny didiko ianareo; koa raha mitandrina ny didiko ianareo dia hoentina mankamin’ny tany nampanantenaina; ary ho fantatrareo fa entina amin’ny alalako ianareo” (1 Nefia 17:13).

Hoy ny Tompo tamin’i Jakôba rahalahin’i Nefia hoe: “Izaho no ho fahazavana mandrakizay ho an’ireo izay mihaino ny teniko” (2 Nefai 10:14).

Nijoro ho vavolombelona toy izao momba ny Mpamonjy i Abinadia: “Izy no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao; eny, fahazavana tsisy fiafarany izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana” (Môzià 16:9).

Nijoro ho vavolombelona toy izao momba ny Tenany ny Mpamonjy: “Izaho no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao.” Nampiany hoe: “Indro Izaho no fahazavana; efa nanome ohatra ho anareo Aho” (3 Nefia 9:18; 18:16).

Sary
Ny Filoha Russell M. Nelson mamindra

Mahatsapa ilay Fahazavana

Tiako ny Filoha Russell M. Nelson, mpaminanintsika. Fahasoavana ho ahy ny manompo eo anilany. Rehefa miditra ao anatin’ny efitrano iray izy dia tsapa ho mahafinaritra avy hatrany ny ao anatin’ilay efitra. Mitondra ny Fahazavan’i Kristy miaraka aminy izy.

Tena misy ny Fahazavan’i Kristy. Izany dia ny “herin’Andriamanitra, hery fitarihana mivoaka avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy ary manome aina sy fahazavana ho an’ny zava-drehetra.” Izy io dia fanomezam-pahasoavana ara-panahy sarobidy izay afaka mitarika ireo zanak’ Andriamanitra ho amin’ny Fanahy Masina sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.1 Mampatanjaka izany Fahazavana izany ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna.

Indraindray isika dia mila mandinika ny fiainantsika teo aloha mba hahatsiarovana ny fomba nanampiana antsika teo amin’ny lalana nodiavintsika. Rehefa mandinika ny tany aloha isika dia afaka mahatsapa ny fitaoman’ny Mpamonjy indray. Rehefa miteny ny soratra masina hoe: “tsarovy, tsarovy” (Helamàna 5:12), dia miteny amintsika izany araka ny fiheverako azy hoe: “Aza tsaroana fotsiny ny zavatra fantatrao na tsapanao fahiny; fa ataovy tsapa indray kosa izany fahazavana izany.”

Ho an’ny sasany dia mora foana ny hahatsapana fahazavana ara-panahy. Ho an’ny hafa kosa dia mety ho sarotra ny hahatsapa fahazavana ara-panahy noho ireo olana atrehan’ny tena manokana na ireo fanelingelenan’izao tontolo izao. Kanefa raha mahatoky isika dia ho avy ny hazavana, ary indraindray dia amin’ny fomba izay tsy ampoizintsika.

Ny Filoha Nelson, izay nanoro hevitra antsika mba “[h]andalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro,”2 dia nizara fomba maromaro hahafahan’ny Bokin’i Môrmôna mampanakaiky kokoa antsika amin’ny Mpamonjy sy manampy antsika hahatsapa ny fahazavan’ny filazantsara, sy mahatakatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara, ary ny fiainana ireo fampianarana ao amin’ny filazantsara.

Rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna isika, hoy ny Filoha Nelson, dia hitombo ny fahatakarantsika sy ny lanja omentsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Hahatsapa faniriana ny ho “ateraka indray” (Môzià 27:25) isika noho ilay boky izay manampy antsika hiaina fiovam-po (jereo ny Môzià 5:2).

Rehefa mamaky sy mandalina ireo fampianaran’ny Bokin’i Môrmôna momba ny fanangonana an’i Isiraely isika dia hahatsapa faniriana lehibe ny hikaroka momba ny tetiaran’ireo razambentsika efa nodimandry sy hanao ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ho azy ireo any amin’ny tempoly.

Hahatsapa ho maivana isika rehefa handray ny valin’ireo fanontaniantsika, sy handray fitarihana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ary hery hibebahana sy hanoherana ny ratsy.

Rehefa mamaky ireo fahamarinana hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia hahatsapa fanasitranana, fampiononana, famerenana amin’ny laoniny, famonjena, hery sy fiononana ary fankaherezana ho an’ny fanahintsika.3

“Ô amin’izany, moa va izany tsy zava-misy?” Hoy i Almà nanontany mahakasika ny fitomboan’ny voan’ny fahamarinana sy ny fahalalana ary ny fijoroana ho vavolombelona. “Lazaiko aminareo, Eny, satria izany dia fahazavana; ary na inona na inona fahazavana dia tsara, satria azo avahana izy, noho izany dia tsy maintsy fantatrareo fa tsara izany” (Almà 32:35).

Sary
sarin’i Jesoa Kristy

Christ’s Image [Endrik’i Kristy], nataon’i Heinrich Hofmann

Mahita ny Mpamonjy ao anatin’ny haizina

Fony 10 taona i Kamryn namako, dia tratran’ny areti-maso tsy fahita firy kanefa maharitra izay nahavoa ny tapotsimason’ny masony havanana.4 Indraindray rehefa lasa tsapa tsy tapaka sy mila tsy ho tanty ny fanaintainana miaraka amin’ilay izy dia tsy mahazaka izay mety ho karazana hazavana i Kamryn. Ireo ray aman-dreniny, izay nanahy ny mety hahalasa jamba azy, dia manao izay tsy hahatanteraky ny hazavana ireo varavarankely ao amin’ny efitrano fatoriany mba hiezahana ny hanao izay hahazoany aina. Nahatsiaro izao manaraka izao i Janna renin’i Kamryn:

“Efa-bolana teo ho eo taorian’ny nahafantarana ny aretina manjo azy aho dia niditra tao amin’ny efitranony izay maizina. Rehefa lasa zatra ny hazavana nisy ny masoko dia tsinjoko i Kamryn niforitra nitakoko nandry teo amin’ny fandriany. Tao anatin’ny fanaintainana be loatra izy hany ka tsy nihetsika na nitomany akory rehefa nandre ahy niditra. Nandry teo fotsiny izy niaraka tamin’ny masony roa samy nivonto sy nikatona.

“Nandohalika teo akaikin’ny fandriany aho, noraisiko ny tanany ka nofenjaiko tamin’ny tanako in-telo, izay famantaranay miafina milaza hoe -Tiako ianao.- Raha ny mahazatra dia ho nofenjainy in-efatra ny tanako hilazana hoe -Tiako mihoatra noho izany ianao-, saingy tsy namaly izy. Nijaly izaitsizy izy. Tamin-dranomaso nipatrapatraka teo amin’ny takolako no nibanjinako ilay zanako 10 taona izay navitrika fahiny, miforitra toy ny baolina. Vaky ny foko.”

Nanonona vavaka mangina avy amin’ny fo i Janna.

“Nolazaiko tamin’ny Ray any An-danitra fa fantatro hoe Izy no mahalala ny tsara indrindra, kanefa nivavaka aho hoe: -Mitalaho re, ampio izy.- Rehefa nipetraka teo aho nivavaka dia nisy fahatsapana hafanana sy fampiononana nanenika ahy. Nahatsapa fahatoniana aho rehefa nisy eritreritra momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy tonga tao an-tsaiko nanao hoe: -Izy no fahazavana. Tadiavo ao amin’ny haizina Izy.-”

Natrakan’i Janna ny lohany ary nibitsika teo an-tsofin’i Kamryn izy nanao hoe: “Mila mitady ny Mpamonjy ao anatin’ny haizina ianao.”

Taorian’izay dia renoky ny tory i Kamryn teo am-pihainoana hira fihirana sy soratra masina tao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile.

Sary
ankizivavy manao tampi-maso

Rehefa mihombo ny areti-masony dia mahita ny Mpamonjy ao amin’ny haizina i Kamryn.

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny fianakavian’i Kamryn

Amin’ny ankebeazan’ny fotoana dia tsy mihetsika ny aretin’i Kamryn, kanefa rehefa mihombo ny aretin, dia mankahery azy sy manakona indray ny varavarankelin’ny efitrano fatoriany amin’ny bodofotsy i Janna sy i Darrin vadiny. Hoy i Kamryn mandritra ireny fotoana mampijaly ireny hoe: “Mitady ny Mpamonjy ao amin’ny haizina fotsiny aho.”5

Rehefa toy ny “tany foana maizina sy mahonena” (1 Nefia 8:4) ny fiainana dia mila mitady ny Mpamonjy ao amin’ny haizina ihany koa isika. Ijoroako ho vavolombelona miaraka amin’ireo vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna “fa i Jesoa Kristy, Ilay Andriamanitra Mandrakizay”6 dia hitarika antsika hankany Aminy. Fantatro fa ireo izay mamaky ny Bokin’i Môrmôna amin-kitsim-po, sy miaina ireo fitsipika raketiny ary mivavaka mba hahafantatra momba ny fahamarinan’izany, dia hahatsapa ny Fanahy Masina sy hampitombo ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’ny Mpamonjy.

Enga anie isika haneho fankasitrahana noho ny amin’ity boky “marina indrindra”7 ity amin’ny alalan’ny famakiana sy ny fankamamiana ary ny fampiasana izany mba hanamafisana orina ny finoantsika sy ny finoan’ny hafa an’Ilay Fahazavan’izao Tontolo izao.