Liahona
Ny onjam-peo marina
Janoary 2024


“Ny onjam-peo marina,” Liahona, jan. 2024.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ny onjam-peo marina

Tsy azoko hoe nahoana ilay mpanamory very no tsy nifandray taminay.

Sary
Fiaramanidina kely sy trano fanaraha-maso ny fifamoivoizan’ny fiaramanidina aorian’izany

Sary nataon’i Roger Motzkusart

Indray tolakandro nandritra ny fizaran-draharaha nataoko tamin’ny naha mpanara-maso ny fifamoivoizana an’habakabaka ahy tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Tijuana, Mexique ahy, dia nahatsikaritra zavona matevina avy teny amin’ny ranomasimbe izahay nandrakotra ny seranam-piaramanidina sy ny ampahany lehibe tamin’ny tanàna. Izay zavatra ao anatin’ireo faritra natao hipetrahana sy hiaingan’ny fiaramanidina ihany anefa no hitan’ny mpanamory.

Tsy ela dia hitanay tamin’ny radara ny fiaramanidina kely Cessna 172 avy any atsimo manaraka ny moron-tsiraka, misidina manaraka ireo Règles de vol à vue na VFR. Amin’ny VFR, ny mpanamory dia manandrify ny tenan’izy ireo amin’izay marika hitan’ny maso eny amin’ny tany mba hitodiana any amin’izay alehany.

Indrisy anefa fa very tao anatin’ilay zavona ilay mpanamory. Raha iny izy niodinkodina nisidina nanerana ny faritra amoron-tsiraka iny dia niezaka nitady izy hoe aiza ho aiza eo amin’ny seranam-piaramanidina no misy azy, saingy tsy nahita tsara izy noho ny zavona. Nanontaniako ilay mpampianatra ahy hoe inona no azonay atao mba hanampiana azy.

“Mila mahazo ny ojam-peon’ny trano fanaraha-maso sy mifandray amintsika izy,” hoy izy namaly. “Raha tsy izany dia tsy afaka manao na inona na inona ho azy isika.”

Tsy azoko hoe nahoana ilay mpanamory very no tsy nifandray taminay. Nisy olana ve tamin’ny radio-ny? Nahatsapa ve izy fa afaka manafaka samirery ny tenany avy tao amin’ny loza?

Minitra maro no lasa. Nahazo ny onjam-peon’ny trano fanaraha-maso ihany ilay mpanamory nony farany. Tamin’ny feo feno fanahiana no nangatahany fanampiana. Nomenay toromarika avy hatrany izy mba hitarihana azy soa aman-tsara teo amin’ny lalàm-piaramanidina teo amin’ny seranam-piaramanidina. Nila natoky ireo toromarika nomenay sy ireo fitaovam-panamoriany fotsiny izy.

Nitondra hafaliana tsy hay lazaina ho anay ny nahita ilay fiaramanidina nipoitra avy tao amin’ny zavona ka tafapetraka soa aman-tsara.

Teny an-dalana nody aho dia nisaintsaina ny zavatra niainan’ilay mpanamory. Nanova zavatra ny fiantsoany anay tamin’ny alalan’ny onjam-peo marina: na izy nandray fanampiana na niodinkodina teo na ratsy noho izany.

Tahaka ilay mpanamory very, indraindray aho dia lasa very ao anatin’ny “zavon’ny haizina” (1 Nefia 8:23). Rehefa mila ny fanampian’ Andriamanitra aho dia miandry amim-paharetana ny handre ny feoko Izy.

Tahaka ny fahafahako nahita teo amin’ny radara an’ilay fiaramanidina very, ny Raintsika any An-danitra koa dia mahita antsika sy ireo olana manjo antsika. Feno fankasitrahana aho fa omeny tari-dalana isika. Manome fanampiana antsika amin’ny alalan’ny vavaka, ny soratra masina sy ny mpaminany velona ary ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina Izy. Hitarika antsika hiala amin’ireo loza ara-batana sy ara-panahy Izy raha toa isika ka mahazo ilay onjam-peo marina, mangataka fitarihana ary mihaino ny feony.