Liahona
Inona no mahatonga ny soratra masina ho “sarobidy”?
Janoary 2024


“Inona no mahatonga ny soratra masina ho -sarobidy-?,” Liahona, jan. 2024.

Avia, hanaraka Ahy

1 Nefia 3–5

Inona no mahatonga ny soratra masina ho “sarobidy”?

Sary
Ireo takela-barahina sy ireo boky soratra masina maoderina

“Sarobidy” (1 Nefia 5:21) tamin’ny fianakavian’i Lehia ny soratra masina. Nanan-danja tokoa izany ka nahatonga ny Tompo handidy ireo zanakalahin’i Lehia hanao dia hankany Jerosalema mba haka ireo takela-barahina (jereo ny 1 Nefia 3:2–5), andraikitra izay nanaovan’izy ireo vy very ny ainy. Ny soratra masina (indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna) dia manan-danja amintsika toy izany koa ankehitriny. Efa nandinika momba ny antony mahatonga izany ve ianao tato ho ato?

Inona no tombontsoa nentin’ireo takela-barahina ho an’ny fianakavian’i Lehia?

Inona no tombontsoa entin’ny Bokin’i Môrmôna ho antsika amin’izao andro izao?

Tenin’ny mpaminany (1 Nefia 3:20)

Fototry ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny ary ireo mpaminany velona (teny fanolorana ny Bokin’ny Bokin’i Môrmôna)

Tantara momba ny Fahariana sy i Adama sy i Eva (1 Nefia 5:11)

Fotopampianarana mitondra fanazavana momba ny drafitry ny famonjena (2 Nefia 2; Almà 12; 34)

Lalàn’i Mosesy (1 Nefia 4:15–16) sy ireo didy hafa (1 Nefia 5:21)

Fotopampianarana mitondra fanazavana momba ny drafitry ny famonjena (2 Nefia 31; 3 Nefia 11; 27)

Firaketana momba ireo Jiosy sy ny tenivavolombelon’izy ireo momba an’i Kristy (1 Nefia 5:12)

Tenivavolombelona fanampiny momba an’i Kristy avy amin’ireo “ondri[ny] hafa” (3 Nefia 15:21–24)

Firaketana izay mitahiry ny fitenin’ny razambeny (1 Nefia 3:19) sy ny firazanany (1 Nefia 5:14)

Firaketana izay afaka manampy antsika hanangona an’i Isiraely miely patrana (3 Nefia 21:6–7)