Liahona
Bogotá, Colombie
Janoary 2024


“Bogotá, Colombie,” Liahona, jan. 2024.

Tafaorina eto ny Fiangonana

Bogotá, Colombie

Sary
sarintany misy faribolana manodidina an’i Colombie
Sary
Sary maneho zava-mitranga eo amin’ny arabe iray any Bogotá, Colombie

I Bogotá dia iray amin’ireo renivohitra amina toerana avo indrindra manerana izao tontolo izao. Tamin’ny 1996 no nananganana ny vondrona mpiangona voalohany an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tany Colombie. Ankehitriny, ny Fiangonana any Colombie dia ahitana:

  • Mpikambana miisa 214.400 (eo ho eo)

  • Tsatòka miisa 30, paroasy sy sampana miisa 257, ary misiôna miisa 5

  • Tempoly 2 (Bogotá sy Barranquilla) sy tempoly 1 nambara (Cali)

Fihirana manasa ny Fanahy

I Dario sy i Esneda Cruz, avy any Bogotá, dia mahatsapa ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra rehefa mihira fihirana izy ireo. “Amin’ny alalan’izy ireny no anamafisanay orina ny fijoroana ho vavolombelona ananay,” hoy izy ireo manazava. “Hafa be mihitsy ny fahatsapana entin’izy ireny mankao am-ponao.”

Sary
Mpikamban’ny Fiangonana mihira hira ao amin’ny boky fihirana ao an-tokantrano

Zavatra misimisy kokoa momba ny Fiangonana any Colombie

  • Ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, sy ny Loholona Ulisses Soares avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao dia mankany Colombie ho an’ny fanokanana ny tempoly any Barranquilla.

  • Na dia misy aza ny olana dia manorina fizakan-tena sy fanantenana ireo mpikambana any Colombie.

  • Vakio ny fomba naha lasa mpikamban’ny Fiangonana ny mpikambana iray ao amin’ny Fitopololahy avy any Colombie.

  • Mizara momba ny tantara ana mpivady mahatoky iray ao Colombie sy ny fahafoizana nataon’izy ireo mba ho voafehy tany amin’ny tempoly ny Filoha Oaks.

  • Ny tsatòka iray any Colombie dia manome fotoana sy manao asa mba hanampiana ireo fianakaviana sahirana.

Sary
Tempolin’i Barranquilla Colombie

Ny Tempolin’i Barranquilla Colombie

Sary
mpikambana maka sary eo ivelan’ny tempoly

Mpikambana maka sary eo ivelan’ny Tempolin’i Barranquilla Colombie mialoha ny fanokanana izany tamin’ny 2018.

Sary
Ny Filoha Dallin H. Oaks sy olon-kafa mandritra ny fanokanana tempoly

Ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany no nanokana ny Tempolin’i Barranquilla Colombie tamin’ny 9 desambra 2018.

Sary
Amboaram-peo mandritra ny fanokanana ny tempoly

Mpikambana mivory mba hihira anatina amboaram-peo ho an’ny fanokanana ny tempoly.

Sary
Ny Filoha Dallin H. Oaks mandray tanana miarahaba zatovolahy iray

Nanditra ny fitsidihany tany Barranquilla ny Filoha Oaks dia niarahaba zatovolahy iray nandritra ny fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo.