Liahona
Moa ve aho “mpirobo-drano” sa “mpisitrika anaty rano”?
Janoary 2024


“Moa ve aho -mpirobo-drano- sa -mpisitrika anaty rano-?,” Liahona, jan. 2024.

Avia, hanaraka Ahy

1 Nefia 6–10

Moa ve aho “mpirobo-drano” sa “mpisitrika anaty rano”?

Sary
Olona misitrika anaty rano

Ao amin’ny nofin’i Lehia momba ny hazon’aina (jereo ny 1 Nefia 8), nahoana araka ny hevitrao ny olona sasany no niala ilay hazo raha ny hafa kosa nijanona teo amin’ilay hazo mba hihinana amin’ny voany? Ny sasany tamin’ireo olona izay nihinana tamin’ilay voa dia nianjera, menatra noho ny famingavingan’ireo vahoaka sesehana tao amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka. Ny fahasamihafana fototra tokana eo amin’ireo vondrona ireo dia misy ifandraisany amin’ny zavatra nataon’izy ireo nialohan’ ny nahatongavan’izy ireo teo: ny fomba nihazonan’izy ireo tamin’ny anja-by, dia ny tenin’ Andriamanitra izany.

Mifikitra sa mihazona mafy

Nahita ireo izay “nibosesika hatrany … [nifikitra tamin’]ny tendron’ny anja-by” sy ireo izay “nibosesika hatrany nihazona mafy ny anja-by” i Lehia (1 Nefia 8:24, 30; nampiana fanamafisana).

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao fanamarihana fa vondrona telo no niara-nanomboka teo amin’ilay lalana saingy vondrona roa monja no nihazona ilay anja-by.

“Nahazo ilay fitahiana fanampiny tamin’ny anja-by koa [ilay vondrona faharoa], ary dia nifikitra tamin’izany! Ny fifikirana amin’ny anja-by ho ahy dia maneho -fahazotoana-tsindraindray handalina ny soratra masina fotsiny na firobohana tsindraindray fa tsy filomana tanteraka tsy tapaka sy mitohy ao anatin’ny tenin’Andriamanitra. …

“Ilay vondrona fahatelo koa dia nandroso hatrany tamim-pinoana sy tamim-paharesen-dahatra; kanefa tsy nisy ny filazana hoe nirenireny izy ireo na lavo tany amin’ny lalana voarara, na very. … Angamba ity vondron’olona fahatelo ity dia namaky sy nandalina ary nandinika ny soratra masina hatrany. … Io no vondrona izay tokony hiezahantsika hikambanana.”1

Moa ve isika “mpirobo-drano” sa “mpisitrika anaty rano” raha ny fiainana ny tenin’ Andriamanitra no resahana? Na dia samy lena aza ny mpirobo-drano sy ny mpisitrika anaty rano, ireo mpisitrika anaty rano dia miaina zavatra lalina sy tsy tapaka izay afaka ny hitondra fifaliana mitohy.