Liahona
Mitady ny fahazavan’ny Mpamonjy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna
Janoary 2024


“Mitady ny fahazavan’ny Mpamonjy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, jan. 2024.

Ho an’ny ray aman-dreny

Mitady ny fahazavan’ny Mpamonjy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Sary
fianakaviana miara-mamaky boky

Ry ray aman-dreny malala,

Ny laharana ho an’ity volana ity dia manome hevitra momba ny Bokin’i Môrmôna sahala amin’ny fandaharam-pianarana Avia, hanaraka Ahy ho an’ny taona 2024. Ireo lahatsoratra etsy ambany dia miresaka momba ireo venti-kevitra hoenti-mitady ny fahazavana sy ny fahamarinana eo amina tontolo henika haizina sy fisafotofotoana.

Fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara

Mikatsaka ny fahazavan’ny Mpamonjy

Hevero ny hizara amin’ny fianakavianao ny sasany amin’ireo hevitra avy amin’ny lahatsoratry ny Filoha Eyring ao amin’ny pejy 4, ary ifanakalozy hevitra ny anjara asa sahanin’izany fahazavana izany eo amin’ny fiainantsika. Avereno jerena ny tantaran’i Kamryn momba ny fitadiavana ny Mpamonjy ao anatin’ny haizina. Amin’ny fomba ahoana no mety hitadiavan’ny fianakavianao ny fahazavan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity?

Aiza no hikarohana ny fahamarinana?

Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra ary afaka mianatra ny fahamarinany isika amin’ny alalan’ny fikatsahana izany amim-pahazotoana. Ny Loholona sy ny Rahavavy Silva dia nila nanapa-kevitra momba ny toerana honenan’izy ireo taorian’ny niverenan’izy ireo avy nitory filazantsara; koa nikatsaka fitarihana avy tamin’ny Tompo izy ireo (jereo ny pejy 20). Oviana ny Tompo no nanome anao ny tari-dalana nilainao?

Mahita zavatra misimisy kokoa ao amin’ny fandalinanao ny filazantsara

Rehefa mitsidika tranombakoka ara-java-kanto ny olona dia matetika izy ireo no milomay mijery ny zava-drehetra azon’izy ireo jerena, hany ka mety tsy hahita ny hatsaran’ny zava-kanto akory izy ireo. Toy izany koa, ireo mpamaky ny Bokin’i Môrmôna dia mety tsy hahita ireo fahamarinana manan-danja rehefa manao vaky maika. Inona avy ireo paikady azonao hanampiana anay handinika tsara io boky soratra masina io? Jereo ny pejy 12 mba hahitana hevitra vitsivitsy.

Sahanasa mampiala voly ny fianakaviana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy

Ilay lalana ety sy tery

1 Nefia 8; 11; 15

Ny fihinana amin’ny voan’ny hazon’aina dia sary ohatra maneho ny fisafidianana ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (jereo ny 1 Nefia 15:36; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7). Andramo ity sahanasa ity mba hianarana hoe amin’ny fomba ahoana no itarihan’ilay anja-by (tenin’ Andramanitra) antsika hankamin’io fanomezana lehibe avy amin’ Andriamanitra io.

  1. Araiketo eo amin’ny rindrina ny sarin’ny hazon’aina.

  2. Araiketo eo ambanin’ilay sary ny kofehy (maneho ny anja-by) ary ataovy misy olona mijoro eo amin’ny lafy ilan’ny efitrano ka mihazona ny tendro ilan’ilay kofehy.

  3. Refeso hoe hafiriana no handehanan’ny ankizy iray notampena-maso mianga eo faran’ny efitrano mankeny amin’ny hazon’aina ka tsy mihazona ilay kofehy.

  4. Izao dia refeso hoe hafiriana no hankanesana eny amin’ny hazon’aina rehefa mihazona ilay kofehy.

Fifanakalozan-kevitra: Inona no azontsika atao mba hamikirana amin’ny anja-by ka tsy hamotsorana na oviana na oviana?