Liahona
Ny fanatitra tsara indrindra atolotsika
Janoary 2024


“Ny fanatitra tsara indrindra atolotsika,” Liahona, jan. 2024.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ny fanatitra tsara indrindra atolotsika

Rehefa manokana tempoly isika dia miteny amin’ny Tompo isika hoe: “Indro ny fanatitray. Tsara araka izay azonay atolotra izany.”

Sary
tokotanin’ny tempoly

Teo amin’ny roa herinandro talohan’ny famerenana ny fanokanana ny Tempolin’i Washington D.C. tamin’ny aogositra 2022, izaho sy ny lehibeko dia nahatsikaritra fa toa narary ny iray tamin’ireo hazo Bois de charme eorôpeana izay teo amin’ny lalana mankany amin’ny tempoly. Hita ho niavaka fa vitsy ny raviny teo amin’ny faritra afovoany ary ringitra ny rantsany sasany.

Amin’ny maha mpikarakara zaridaina ahy dia nampanahy ahy ny hoe vonona avokoa ny tokotanin’ny tempoly rehetra ankoatra ny eo amina faritra kely iray. Nifanila tamin’ilay fontaine akaikin’ny fidirana ny tempoly ilay hazo.

Nisy hazo salama tsara izay natao fiandry naniry tsy lavitra teo, ary nifampiresaka izahay ny amin’ny fahafahana mampifanolo toerana ilay hazo salama amin’ilay hazo marary. Alohan’izay anefa dia tsy maintsy hesorinay ilay lalan’ny mpandeha sy ny bozaka teo akaikin’ilay hazo ary avy eo dia afindra ilay fanondrahana sy ireo tariby mampita herin’aratra nisandrahaka nanerana ilay faritra. Ny zavatra nampatahotra ahy indrindra dia ny hoe hongotanay ilay hazo marary, hambolenay eo amin’ny toerany ilay hazo nasolo azy, ary tsy hanam-potoana izahay hanatsarana ny endriky ny zava-drehetra manodidina ilay hazo mba ho an’ilay famerenana ny fanokanana ny tempoly.

Rehefa nolazaiko tamin’i Carolyn vadiko fa mety ho voatery ny hamindra toerana ilay hazo izahay dia hoy izy namaly hoe: “Rantsano hiala fotsiny ireo rantsana ringitra dia asaiko miara-mivavaka ho azy ireo rahavavy mpiara-mandalina soratra masina amiko. An’i Tompo ny tokotanin’ny tempoly. Hositraniny ilay hazo.”

I Carolyn dia manana vondrona namana izay antsoiny hoe rahavavy mpiara-mandalina soratra masina, izay mpikamban’ny Fiangonana niray paroasy fahiny. Niara-nandalina ny Avia, hanaraka Ahy izy ireo mandra-pifindran’izy ireo monina, saingy manohy mifandray izy ireo. Rehefa misy ilana vavaka dia mifampiantso izy ireo.

Taorian’ny nilazan’i Carolyn azy ireo momba ilay hazo marary dia nolazin’izy ireo tamin’ireo zanany sy ireo olona ao amin’ny fianakaviany avy izany. Tsy fantatr’i Carolyn hoe firy no nivavaka ho an’ilay hazo, fa nanam-pinoana izy fa handre ny vavak’izy ireo ny Ray any An-danitra.

Tao anatin’ny andro vitsy monja dia nitsimo-dravina vaovao ilay hazo ka nanenika ilay faritra nihintsan-dravina. “Mazava ho azy fa tsara endrika kokoa ilay izy,” hoy i Carolyn. Nandefasany sarin’ilay hazo ireo rahavavy mpiara-mandalina soratra masina aminy, sady nilaza tamin’izy ireo hoe: “Jereo anie ny namalian’ny Tompo ny vavaka nataontsika e!”

Fantatro fa nisy olona maro nivavaka ho an’ilay hazo, koa tsy gaga koa aho. Fantatro fa tsy ho ela dia hotsofin’ny Filoha Russell M. Nelson rano ny tempoly sy ny tokotanin’ny tempoly mandritra ny vavaka fanokanana hataony. Tsy haninona ilay hazo.

Feno fankasitrahana izahay ny amin’ny fanomezam-bonihitra nomen’ny Tompo ny fanatitray sy ny finoanay.