Liahona
Tadiavo fatratra dia hahita ianareo
Janoary 2024


“Tadiavo fatratra dia hahita ianareo,” Liahona, jan. 2024.

Tadiavo fatratra dia hahita ianareo

Ny Tompo dia efa nanambara ny fomba ahafahantsika mikatsaka fahamarinana sy tari-dalana eo amin’ny fiainantsika.

Sary
fanita-jery

Rehefa niverina nody tany Brezila raha avy nanompo tany amin’ny misiônan’i Angôlà Loanda, izay nanomboka ny 2016 ka hatramin’ny 2019, i Regina vadiko sy izaho dia nila nandray fanapahan-kevitra manan-danja iray. Novarotanay ny tranonay talohan’ny asa fitoriana nataonay. Iray taona taorian’ny niverenanay dia tsy maintsy nisafidy izahay na hividy na hanofa trano. Tamin’ny fomba ahoana no nisafidiananay izay nety taminay?

Io karazana fanapahan-kevitra io dia anisan’ireo andraikitra sy asa atao ary tebitebin-tsaina maro manjo isan’andro izay tonga amintsika rehetra. Indraindray izy ireny dia mety hanelingelina antsika amin’ireo fitahiana sy ny tombontsoa lehibe izay ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ihany no manome izany antsika. Manoloana ireo fanoloran-tena sy andraikitra maro be dia mety hananosarotra ny hahafantatra hoe inona no marina na aiza no lalana tokony haleha. Mety hahatonga antsika hahatsapa tampoka ho tototry ny fitakiana goavana maro izany.

Soa ihany ny Raintsika any An-danitra fa tsy namela antsika hamantatra samirery izay marina na ny zavatra tokony hataontsika.

Ny loharanon’ny fahamarinana rehetra

Mialoha ny nandaozany ity tany ity, ny Mpamonjy, Jesoa Kristy, dia nampanantena ireo mpianany fa ny Ray dia handefa Mpananatra, na ny Fanahy Masina, mba hitahy azy ireo. Ny Mpananatra, hoy i Jesoa, no “hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra” (Jaona 14:26).

Anjara asa fototra iray sahanin’ny Fanahy Masina ny hoe mpanambara fahamarinana (jereo ny Jaona 16:13). Ny Raintsika any An-danitra no loharanon’ny fahamarinana nambara rehetra, na izany avy tamin’ny alalan’ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara, na amintsika tsirairay avy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Rehefa miezaka mafy isika mba hanana ny fiarahanan’ny Fanahy Masina, ny Raintsika any An-danitra dia hitarika antsika handia na dia ireo fotoan-tsarotra indrindra aza.

Mangataha, mitadiava, ary dondòny

Satria ny Raintsika any An-danitra dia maniry ny hitaona, hampianatra sy hanoro hevitra ary hampatanjaka antsika, dia omena izao fanasana izao isika: “Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo” (Matio 7:7; jereo ihany koa ny Lioka 11:9; 3 Nefia 14:7).

Rehefa nandre ireo tenin’i Lehia rainy mahakasika ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina i Nefia, dia hoy i Nefia hoe: “naniry koa mba hahita sy handre ary hahalala ny amin’ireo zavatra ireo, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina izay fanomezan’ Andriamanitra ho an’ireo rehetra izay mitady Azy amim-pahazotoana” izy (1 Nefia 10:17).

Mitaky fahazotoana ny fikatsahana fahamarinana. Rehefa mazoto isika dia miezaka tsy tapaka, sy amin-kitsim-po ary fatratra mba hahafantatra ny fahamarinana sy ny sitrapon’ny Tompo ho an’ny fiainantsika. Ny fahazotoana amin’ny fikatsahana fahamarinana avy amin’ny Tompo dia mampanakaiky antsika Azy amin’ny dingana rehetra eo amin’ny fiainantsika.

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nianatra aloha be teo amin’ny fiainany fa iray amin’ireo fomba mahomby indrindra hitadiavana fahamarinana ny fikatsahana amim-pahatokiana valiny amin’ireo fanontaniana ananana (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:10, 18). Mety hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto isika eo am-pikatsahantsika fahamarinana. Ireo valiny dia hahitana lamina iray azontsika arahina mba hahafantarana ny fahamarinana.

Sary
vehivavy mihazona soratra masina sy mivavaka

Inona no loharano tokony itodihantsika mba hikatsahana fahamarinana?

Any amin’ny faran’ny Bokin’i Môrmôna ny mpaminany Môrônia dia manasa ny olon-drehetra mba hanontany an’ Andriamanitra amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Jesoa Kristy “raha tsy marina ireto zavatra ireto.” Mijoro ho vavolombelona i Môrônia fa Andriamanitra dia “haneho ny fahamarinan’[ny Bokin’i Môrmôna] aminareo […] amin’ny herin’ny Fanahy Masina. Ary amin’ ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra” (Môrônia 10:4–5).

Andriamanitra, ilay Raintsika any An-danitra, dia efa nametraka fomba mora sy azon’ny rehetra ampiasaina mba hahazoan’ireo zanany manontany Azy (jereo ny Jakoba 1:5) sy manakaiky kokoa Azy isan’andro, isan’ora, eny fa na dia amin’ny fotoana rehetra aza. Izany fomba tsotra anefa mahery vaika izany dia ny vavaka.

Mihatra tanteraka amintsika ireo fampianaran’i Almà an’i Helamàna zananilahy manao hoe: “Italahoy Andriamanitra ho an’ny fivelomanao rehetra.” Amin’ny “ataonao rehetra … ary na aiza na aiza alehanao … , aoka ny eritreritrao rehetra hafantoka amin’ny Tompo; eny, aoka ny fitiavan’ny fonao hapetraka amin’ny Tompo mandrakizay” (Almà 37:36). Nampianatra i Almà hoe: “Milà hevitra amin’ny Tompo amin’ny ataonao rehetra dia hotarihiny ho amin’ny tsara ianao” (Almà 37:37). Tsy mila fotoana na toerana manokana isika mba hivavahana. Na dia tsy afaka mandrakariva ny hivavaka amin’ny feo avo aza isika dia afaka ny hivavaka ao am-pontsika lalandava (jereo ny Almà 34:27).

Ireo valim-bavaka raisintsika dia mety tsy ho araka ilay noeritreretintsika foana. Indraindray aza dia mety hifanohitra mihitsy amin’ny sitrapontsika izany. Mety ho ela tsy araka ny anirintsika azy koa vao hivaly ireo vavatsika. Indraindray isika dia mety tsy hahatsapa hoe maharay valim-bavaka mandritra ny fotoana maharitraritra. Saingy miraharaha ireo filàntsika ny Ray any An-danitra. Hahasoa antsika mandrakariva ireo valiny omeny. Mila mandroso am-pinoana an’i Jesoa Kristy fotsiny isika. (Jereo ny Lioka 11:9–13.)1

Ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika dia nanambara fa tsy hankany amin’ny Ray any An-danitra isika raha tsy amin’ny alalany. “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana,” hoy i Jesoa. “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6). Izany dia manafoana izay mety ho fomba hafa, na dia izay mety ho sakana hafa aza, eo amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra. Izany no mahatonga ireo vavaka, lahateny, fijoroana ho vavolombelona sy kilasy ary ireo zavatra hafa maro be ataontsika, ao am-piangonana, any an-tokantrano miaraka amin’ny fianakaviantsika, na ataontsika manokana, atao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Toy ny ahoana no fihetsika tokony hasehontsika?

Mba hitadiava fahamarinana dia tsy maintsy mahitsy fo sy manana finiavana marina isika. Rehefa miantso ny Ray any An-danitra amim-panetrentena isika dia mametraka ny tenantsika ho afaka ny hanao asa mifanaraka amin’izay valiny raisintsika sy mampivelatra ny fahafahantsika manao izany.

Ny hitsim-po sy ny finiavana marina no manosika antsika hanao ireo zavatra izay tian’ny Ray any An-danitra hataontsika, fa tsy izay tiantsika atao. Ampisehoantsika mibaribary amin’ny Raintsika any An-danitra ny fatokisantsika Azy rehefa “mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina [antsika]” isika (Môzià 3:19). Amin’ny alalan’ireo toetra ireo isika dia lasa mahatakatra sy matoky fa ny Raintsika any An-danitra dia hanao mandakariva izay tsara indrindra ho antsika.

Sary
Olona mipetraka sy mibanjina tendrombohitra

Sary nalain’i Lee Michael Ragsdale

Amin’ny fomba ahoana no hahatongavan’ny valiny?

Rehefa nanapa-kevitra hoe hividy sa hanofa trano ve izahay, dia nivavaka sy nisaintsaina ary nifampiresaka momba izany imbetsaka izahay mivady. Nony farany dia nisy fahatsapana tonga tao an-tsainay sy tao am-ponay fa tokony hividy trano izahay. Notanterahanay tamim-pinoana araka izay ny valiny azonay, moa izahay koa dia tsy nahalala ny amin’izay hitranga eo amin’ny fiainanay.

Sahabo ho 18 volana taty aorina, tamin’ny aprily 2022, dia nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony aho. Taorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2022 dia telo herinandro monja no nanananay hialana an’i Brezila handehananay manatanteraka ny iraka voalohany notanterahanay. Ho nanamora ny fifindrana ny fipetrahana tamina trano nofaina tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny dia hitanay sy i Regina mazava tsara fa notarihan’ny Tompo izahay tamin’ny fanapahan-kevitra noraisinay.

I Nefia ihany koa dia nandray valiny nifanaraka tamin’ny faniriany. Tamin’ny alalan’ny fikatsahana tamim-pahazotoana ny fahamarinana sy ny finoana ary ny fatokisana fa Andriamanitra dia hanambara ny fahamarinana taminy, i Nefia dia voatahy mba hahita ireo zavatra hitan-drainy. Hitany ilay hazon’aina izay maneho ny fitiavan’ Andriamanitra, dia ilay fitiavana izay “mahatsiriritra indrindra amin’ny zava-drehetra” sy “mampiravoravo indrindra ny fanahy” (1 Nefia 11: 22, 23).

Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no anambaran’ny Rantsika any An-danitra fahamarinana izay mitolotra amin’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Ny Tompo dia nanambara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith fa ny Fanahy Masina dia afaka ny hiteny ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2), “manery … ny fihetseham-po[ntsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:1), hahatonga ny ao an-tratrantsika “hahamay ny ao [anatsintsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8), hameno ny fanahintsika amin’ny fifaliana, hanazava ny saintsika, na hilaza fiadanana amin’ny fontsika feno fanahiana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:13; 6:14–15, 22–23).

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra dia mandroaka ny fisalasalana sy ny tahotra ary mampatanjaka ny fijoroantsika ho vavolombelona. Miara-manambara amin’i Nefia aho hoe: “Fa izay mitady amim-pahazotoana tokoa no hahita” (1 Nefia 10:19). Hanambara fahamarinana Andriamanitra raha mikatsaka izany amim-pahazotoana isika, satria Izy dia “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” (Hebreo 11:6). Ary Izy dia hanao izany an-karihary tokoa hany ka tsy hisy fisalasalana fa mitarika ny fiainantsika ny tanany.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Richard G. Scott, “Faire appel au don divin de la prière,” Liahona, mai 2007, 8–11.