Liahona
Ny hafatry ny Tompo ho ahy
Janoary 2024


“Ny hafatry ny Tompo ho ahy,” Liahona, jan 2024.

Fanehoana ny finoana

Ny hafatry ny Tompo ho ahy

Nianatra aho fa ireo fampianarana avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia fomba tsara iray hitadiavana fijoroana ho vavolombelona momba izany.

Sary
lehilahy mitsika sy mihazona boky

Sary nalain’i Leslie Nilsson

Tamin’ny 1993, telo andro taorian’ny nifindrako tany Polokwane, ao Afrika Atsimo avaratra, dia nisy nandondona ny varavarako. Rehefa nanokatra izany aho dia nisy misiônera roa an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany nijoro teo am-baravarana.

Lehibe tao anatin’ny fiainam-pivavahana aho ary nampitandriana ahy foana ny fianakaviako mba hanalavitra ireo misiônera. Saingy toa tsara fanahy izy ireo ary mahafinaritra ahy ny miresaka momba ny fivavahana koa dia nasaiko niditra izy ireo.

Taorian’ny resadresaka mahafinaritra dia niteny tamiko izy ireo hoe: “Azonay omena Bokin’i Môrmôna iray ve ianao?”

“Andraso kely aloha,” hoy ny navaliko. “Ohatra an’ny manana iray aho.”

Rehefa nasehoko azy ireo ny tahadika nananako dia zendana izy ireo. Nohazavaiko azy ireo fa taona maro izay tany Cape Town, tanànana niaviako, dia nomena misiônera Bokin’i Môrmôna iray aho nandritra ana fampirantiana. Notehiriziko ilay izy ary mamaky ireo pejin’ilay izy aho tsindraindray.

Taorian’ny firesahanay dia nasaiko niverina ireo misiônera. Nobeazina tany amina fiangonana hafa aho anefa, ary pitandrina tao amin’izany ilay raikeliko. Lasa iray tamin’ireo vato misakana tamin’ny fiovam-poko ny fiheverana hoe tsy maintsy hatao batisa indray. Na dia izany aza dia nanomboka nanatrika tao amina sampana kely an’ny Fiangonana aho. Taorian’ny iray taona sy tapany teo ho eo dia nantsoin’ilay filohan’ny sampana tao amin’ny biraony aho.

“Tianay ny hahazoanao fijoroana ho vavolombelona”

“Davida a! Te hanome fanamby anao aho,” hoy ilay filohan’ny sampana. “Irianay fatratra ny hahazoanao fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Tsapako hoe afaka ny ho vitanao izany raha miantso anao hampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara aho. Efa mampianatra any amin’ny oniversite ianao ary tsy matahotra ny mijoro eo anoloan’olona ianao.”

Amin’izao fotoana izao dia tsy maintsy mpikamban’ny Fiangonana ny mpampianatra.1 Tamin’izany fotoana izany, ilay filohan’ny sampana dia nahatsapa ho notaomin’ny Fanahy hangataka ahy hampianatra. Velom-pankasitrahana aho noho ny amin’izany.

“Eny ary,” hoy aho.

Isaky ny Sabotsy alina aho dia mandalina ilay lesona amin’ny antsipiriany kokoa mba hahafahako mahatakatra, sy mahafantatra ary mifandray amin’ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ireo olona ao anatiny. Ho ahy ny fampianarana momba ilay boky dia fomba tsara tokoa mba hitadiavana fijoroana ho vavolombelona momba izany.

Indray Alahady, rehefa ho erin-taona teo no nampianarako, dia tonga nanatrika fihanaonambe ny filohan’ny misiôna avy tany Pretoria ka nankao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady.

“Misaotra anao Rahalahy Baxter,” hoy izy avy eo. “Tsara ilay lesona. Avy aiza ianao?”

Rehefa nolazaiko azy hoe avy any Cape Town aho, dia nanontaniany ahy hoe inona no paroasy nisy ahy.

“Tsy nanatrika paroasy aho.”

“Inona no tianao holazaina?” hoy izy nanontany.

“Izaho angamba no ilay antsoinareo hoe Jentilisa?” Hoy aho. “Tsy mpikamban’ny Fiangonana aho.”

Hatsatra ny tarehiny ka nandeha haingana tany amin’ny filohan’ny sampana izy.

“Toa tsy mpikambana no asainao mampianatra soratra masina?” hoy ilay filohan’ny misiôna nanontany azy.

“Angaha ratsy ny nampianarany azy.”

“Tsia ka!”

“Moa ve nitaona fanahy ny fampianarany?”

“Eny.”

“Moa ve izy nampianatra fotopampianarana marina?”

“Eny.”

Navelan’izy ireo nanohy nampianatra aho. Volana vitsivitsy taty aorina dia nandeha nitsidika ny fianakaviako tany Cape Town aho nandritra ny fialantsasatry ny Krismasy. Nandritra ny fotoana naha tany ahy dia nilaza tamiko ny reniko fa niala ny fiangonany izy taorian’ny nahalasanan’ny raikeliko. Tamin’izay fotoana izay indrindra ny Tompo no nanampy ahy hahatsapa ho afaka tamin’ireo fahatsapana ho meloka nananako noho ny fahatokiako tamin’ny reniko sy ny fiangonana nahalehibe ahy.

Rehefa niverina nody aho dia nantsoiko ilay filohan’ny sampana.

“Te hatao batisa rahampitso aho,” hoy aho mantsy azy.

“Ry David, azonao antoka ve izany?”

“Tsy isalasalana,” hoy aho. “Nahazo hafatra avy amin’ny Tompo aho.”

Sary
Tanana mihazona boky

“Manana zavatra homena anao aho”

Rehefa nolazaiko tamin’ilay niteraka ahy fa lasa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho dia tsy haiko hoe nahoana fa dia tony dia tony izy.

“Mamelà ahy ianao hitantara sombiny kely amin’ny tantarako,” hoy izy.

Ilay raiko, izay tsy mbola niresaka momba ana fivavahana tamiko na oviana na oviana, dia nilaza tamiko fa fony izy zatovolahy, dia niangona tao amin’ny Paroasin’i Cumorah tao Cape Town izy. Nilalao tao amin’ny ekipana basketin’ny paroasy izy. Nanana namana akaiky maromaro izay Olomasin’ny Andro Farany izy. Ny iray tamin’ireo namany akaiky dia misiônera izay maty tany Vietnam taorian’ny asa fitoriana nataony.

Raha tsy maty izay naman’ny raiko izay dia heveriko fa ho niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy. Ho hafa tanteraka ny fiainany. Taona maro taorian’izay dia mbola nanana fanajana lehibe ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy. Izy manokana dia tsy nikambana tamina antokom-pivavahana kanefa notohanany tanteraka ny fanapahan-kevitro ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana.

Volana vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’ilay raikeliko dia nolazaiko an-dreniko ny momba ny batisako. Tsy nizotra tsara tahaka ny resaka nifanaovako tamin’ilay ray niteraka ahy ny resaka nifanaovako tamin-dreniko. Na dia izany aza dia nankany Hôlandy aho nitsidika ireo fianakaviana Hôlandey avy amin’ny reniko ary notantaraiko azy ireo ny fiovam-poko. Tamin’izay no nahafantarako havana iray misy ifandraisany amin’ny Fiangonana.

Nandritra ny fitsidihako dia nanatona ahy ilay zokilahin’ny reniko. “Misy zavatra homeko anao,” hoy izy. Avy eo dia nomeny ahy ny Bokin’i Môrmôna natonta voalohany tamin’ny teny Hôlandey, izay navoaka tamin’ny 1890.

“Fananan’ny fianakaviantsika efa ela be ity,” hoy izy. “Tiako ny hananao azy ity.”

Nitondra fampiononana lehibe ho ahy ireo fifandraisana roa teo amin’ny fianakaviana sy ny Fiangonana ireo. Ankehitriny dia ankamamiko ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny Hôlandey. Mampatsiahy ahy an’ireo misiônera voalohany namangy ahy izany. Mampatsiahy ahy ny lanjan’ny fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiovam-poko izany. Mampatsiahy ahy ny amin’ny fanajana nananan’ilay ray niteraka ahy izay efa maty ho an’ny Fiangonana izany ary ny sasany amin’ireo razambeko izay nanaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.

Mampatsiahy ahy koa izany fa ny Bokin’i Môrmôna dia manana marina tokoa ny hery mba handresen-dahatra “ny Jiosy sy ny Jentilisa fa i Jesoa no Kristy, Ilay Andriamanitra mandrakizay, izay maneho ny tenany amin’ny firenena rehetra.”2