Liahona
Ireo harenako lehibe indrindra
Janoary 2024


“Ny harenako lehibe indrindra,” Liahona, jan. 2024.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ireo harenako lehibe indrindra

Ny fodiana ho Olomasin’ny Andro Farany dia nitondra tamin’ny fanaovana batisa ahy sy ny fiainam-baovao ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Sary
Tanana mikarakara sakafo sy Bokin’i Môrmôna mipetraka eo akaiky eo

Sary nataon’i Ben Simonsen

Zavatra manan-danja lehibe eo amin’ny fiainako ny maha lehiben’ny mpahandro ahy. Nitety izao tontolo izao aho nahandro tany amina trano fandraisam-bahiny mihaja sy tanatina sambo fitsangantsanganana. Nanatevin-daharana ny ekipa-na mpahandro ikoizana izay nandresy tamina fifaninanana maneran-tany momba ny fandrahoan-tsakafo maro aho.

Indray mandeha aho dia nanao dia lavitra nandritra ny telo taona. Matetika ny reniko no mitomany rehefa miantso ahy ary miteny ahy mba hodiako.

Indray andro aho tany Milan, Italie, raha nanao fifanarahana arak’asa ny hahandro tao amina trano fandraisam-bahiny iray, dia nifanehitra tamina misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tao amina toeram-piantsonan’ny fiaran-dalamby iray izay henika olona. Nilaza tamiko momba Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo ary nizara fitsipiky ny filazantsara vitsivitsy tamiko. Ny zavatra nampianarin’izy ireo ahy mahakasika ny fianakaviana no tiako indrindra.

Nomen’ny misiônera tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna iray aho ary nasain’izy ireo hivavaka momba izany. Nomen’izy ireo kiboky iray misy torolalana momba ny fomba fivavaka ihany koa aho.

Niverina tam-pifaliana tany amin’ny hôtely nisy ahy aho, nankao an’efitranoko, nivavaka ary nanomboka namaky. Arakaraka ny namakiko ny Bokin’i Môrmôna no nampitombo ny faniriako hamaky. Indrisy fa tsy namela ahy hahita ireo misiônera indray ny asa. Rehefa nifarana ny fifanarahana tamin’ny hôtely niasako dia nody tany Bari aho, ka nanomboka nahandro ho ana hôtely iray hafa aho.

Indray andro tao amin’ilay hôtely, dia nisy mpahandro iray izay niezaka ny nifankafantatra tamin’ny sasantsasany tamin’ireo vehivavy mpandroso sakafo tao, noho ny antony tsy mendrika. Tezitra izy satria ireo vehivavy mpandroso sakafo izay Olomasin’ny Andro Farany dia nandà ny tsy hiaraka aminy.

Tsaroako ireo misiônera tany Milan, koa nolazaiko tamin’ilay mpahandro fa manan-jo ny handà azy ireo vehivavy mpandroso sakafo ireo.

“Dia ianao izany Môrmôna koa?” hoy izy nanontany?

Koa satria tiako ireo fitsipika nampianarin’ireo misiônera ahy ary satria tsapako ho nanana ny marina aho tamin’ny fiarovana ireo vehivavy mpandroso sakafo dia novaliako hoe: “Eny.”

Tamin’ny fotoana manaraka nahitan’ilay mpahandro ireo vehivavy mpandroso sakafo dia nolazainy tamin’izy ireo fa Olomasin’ny Andro Farany aho. Faly izy ireo. Nony tafavory hisakafo antoandro izahay dia nanomboka nanontany ahy momba ny Fiangonana tany Milan izy ireo. Notantaraiko azy ireo ny mombamomba ilay tanàna sy ny hoe nihaona tamin’ireo misiônera aho tany. Rehefa tonga ny sakafo antoandronay dia naka vera ana divay teo amin’ny latabatra aho.

“Oviana ianao no nanomboka nisotro divay?” hoy ny iray tamin’ireo vehivavy mpandroso sakafo nanontany.

“Inona angaha no tsy mety amin’izany?” Hoy aho.

“Ianao io ve izao dia mavitrika?” hoy ny iray hafa nanontany.

“Amin’ny lafiny inona?” Hoy aho.

“Toy ny ahoana ny ankanjonao tamin’ianao natao batisa?” hoy izy ireo nanontany.

“Tsy tsaroako,” hoy aho mantsy azy ireo. “Vao iray volana monja aho tamin’izany.”

Tezitra aok’izany izy ireo satria noheverin’izy ireo ho namazivazy azy ireo aho. Nanome toky azy ireo aho fa tsy nananihany azy ireo. Nibaboka aho fa tsy mpikamban’ny Fiangonana, saingy nolazaiko azy ireo fa tiako ny Bokin’i Môrmôna sy ireo fitsipiky ny filazantsara nianarako. Avy eo dia nanontaniako azy ireo ny fomba hahafahako mianatra misimisy kokoa momba ny fiangonan’izy ireo.

Tsy ela akory dia nampahafantarin’ireo vehivavy mpandroso sakafo an’ireo misiônera aho. Saika tsy nino mihitsy izy ireo rehefa nahavita ireo lesona aho ka natao batisa.

Sary
reny sy ray miaraka amina zaza roa lahy

Sarin’ny fianakaviana nahazoana lalana avy tamin’ny mpanoratra

Niara-niova tamin’ny batisako ny fiainako. Nianatra aho fa tsy afaka ny hisabaka eo amin’izao tontolo izao sy ny filazantsara ny tongotrao. Nianatra aho fa tsy ilay asa no zavatra manan-danja eo amin’ny fiainako. Nianatra aho fa ny Tompo sy ny fianakaviako no voalohany. Nony farany dia takatro ny alahelo tsapan’ny reniko rehefa tsy eo aho ka nangataka azy aho hamela ahy.

Navelako ny fitetezana izao tontolo izao, nanambady tao amin’ny Tempolin’i Bern Swiss aho, nanorina ankohonana, ary nanao ny asa ana mpahandro tao amin’ny hôpitaly teo an-toerana, ka tao no nampiasaiko ny talentako mba hanampiana ireo olona marary ho sitrana. Ankehitriny aho dia misahana ny resaka fitantanana mpiasa ato amin’ny hôpitaly. Manome ahy fotoana hifantohana amin’ny fianakaviako sy ireo antsoko ao am-piangonana ny fiasako eo an-toerana.

Hatramin’ny andro nandehanako tany amin’ny tempoly sy nandraisako ny fanafiana masina ho ahy roa taona taorian’ny batisako, dia tiako ny fahamasinan’ny tempoly sy ny asa atao ao. Ketraka aho rehefa maty ny raiko efa-taona taty aoriana. Izy no maherifoko. Noho ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia fantatro fa mbola velona izy.

Rehefa niditra tao amin’ny efitrano selestialy aho taorian’ny nanaovako ny asa nisoloana tena ny raiko dia tsapako izy namihina ahy. Tamin’izay fotoana izay dia tsapako fa nanaiky ny filazantsara ny raiko ary tsapako koa ny fitiavan’ny Tompo ireo zanany.

Manan-tombony isika Olomasin’ny Andro Farany mahafantatra ny filazantsara marina. Mahavelom-pankasitrahana ahy ny nanovan’izany ny fiainako. Ao amin’ny filazantsara no ahitako ny fifaliana tena izy. Ny filazantsara sy ny fianakaviako no harenako lehibe indrindra.