Liahona
Moa ve ny Tompo no itodihako voalohany?
Janoary 2024


“Moa ve ny Tompo no itodihako voalohany?,” Liahona, jan. 2024.

Avia, hanaraka Ahy

1 Nefia 11–15

Moa ve ny Tompo no itodihako voalohany?

Sary
I Nefia mivavaka

Fantatsika avy amin’ny 1 Nefia 2:16 fa rehefa sendra zavatra nampisalasala azy i Nefia dia nitodika tamin’ny Tompo izy ka nampalefaka ny fony ny Tompo. Etsy ankilany kosa, rehefa sendra zavatra nampisalasala azy i Lamàna sy i Lemoela, dia nifanditra izy ireo ary niantehitra tamin’i Nefia rahalahiny mba hahazoam-baliny fa tsy niantehitra tamin’ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 15:8–9).

I Lamàna sy i Lemoela dia nampiseho fomban-javatra mety hitranga rehefa tsy miantehitra afa-tsy amin’ny hafa isika mba hahazoana fahamarinana fa tsy mitodika amin’ny Tompo. Lasa natanjaka ara-panahy i Nefia ary nijanona ho mahatoky tamin’ Andriamanitra nandritra ny androm-piainany, raha niala tamin’ireo fampianaran-drainy momba ny Tompo kosa i Lamàna sy i Lemoela nony farany. Na dia mpianatra azo itokisana aza i Nefia, na izy aza dia nahafantatra fa izy dia tsy solon’ny fikatsahana fahamarinana mivantana avy amin’ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 15:6–11).

Rehefa manombana ny fiankinanao amin’ny Tompo raha ampitahaina amin’ny fiankinanao amin’ny olon-kafa ianao dia inona amin’ireo safidy roa ireo no mifandray aminao?

Loharano avy amin’izao tontolo izao

Loharano avy amin’ny filazantsara

Matetika aho no manadino ny misaintsaina sy mandinika ny zavatra nampianarina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Mandalina tsy tapaka ireo lahateny nandritra ny fihaonambe aho mba hitahirizana ireo tenin’ireo mpitarika ao an-tsaiko.

Rehefa manana fanontaniana aho dia mijery ao amin’ny tamba-jotran-tserasera na amin’ireo podcasts tiako indrindra mba hahitana valiny.

Rehefa manana fanontaniana aho dia mitady fanampiana ao amin’ny soratra masina na ny tenin’ireo mpaminany ankehitriny.

Matetika aho no manadino mivavaka sy mandalina soratra masina.

Singa mameno tsy tapaka ny fiainako ny vavaka sy ny soratra masina.

Manome torohevitra tsara kokoa noho ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana na ny soratra masina ny olon-kafa.

Mahita fiadanana aho amin’ny fihainoana ny tenin’ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana sy ny tenin’ny soratra masina.

Manan-danja amiko mihoatra ny fampianaran’ny filazantsara ny hevitry ny hafa.

Manan-danja amiko ireo fampianarana ao amin’ny filazantsara sy ny fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina.