Liahona
Nahoana Andriamanitra no tsy nanova ny fiainako?
Janoary 2024


“Nahoana Andriamanitra no tsy nanova ny fiainako?,” Liahona, jan. 2024.

Tanora

Nahoana Andriamanitra no tsy nanova ny fiainako?

Nianatra momba ny herin’ny fahafahana misafidy aho rehefa nivadika ho nofy ratsy ny fanambadiako.

Sary
tanana mihazona penina sy manoratra eo amina boky misokatra

Fony aho 23 taona dia nofehezina tany amin’ny tempoly tamina lehilahy iray izay nonofisiko hatrizay. Tsy tsaroako hoe nisy andro nahafaly kokoa noho izany teo amin’ny fiainako manontolo.

Kanefa ny zava-drehetra nantenaiko hatrizay ho an’ny fiainako dia nanomboka nirodana tsy misy ohatra izany. Lasa niha-naherisetra ara-batana sy ara-pihetseham-po tamiko ny vadiko.

Sady nisafotofoto ny saiko no nahatsahapa ho nijaly aho. Tsy azoko hoe nahoana ny fahatokiako no toa tsy nampisy fiovana teo amin’ny fanambadiako. Nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno aho, nitandrina ireo fanekempihavanako, nanaraka ireo didy ary mpiasan’ny tempoly mihitsy aza. Kanefa na nanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy toy ny ahoana aza aho dia vao mainka nananosarotra ny fanambadiako.

Rehefa nandinika ny lasa aho dia tonga saina fa na dia nentiko am-bavaka aza ny hoe tokony hanambady ilay vadiko ve aho sady nanam-pinoana fa afaka ny ho voavahanay ireo olana, dia tsy noraharahaiko ireo fambara ana loza mety hitranga izay nipoitra tao amin’ny fanambadianay.

Mikaroka valin-teny

Dimy taona taorian’ny fanirery sy ny herisetra dia niharatsy ny fifandraisako tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rava sy tsy tanteraka ireo zavatra nandrandraiko ho an’ny fiainako.

Nahatsapa ho potipotika aho.

Rehefa nazava àry fa tsy vonona ny hiova ilay vadiko dia nanomboka nangataka an’ Andriamanitra aho mba hanafaka ahy tamin’ny toe-javatra nisy ahy na hampiseho ahy ny lalana marina hizorana. Saingy rehefa tsy tonga ireo valiny nilaiko, dia nanomboka nanome tsiny ny Ray any An-danitra ho ny ny anton’ny fijaliako aho.

Nanohy nandeha nivavaka sy nitandrina ireo fanekempihavanako aho, fa ny foko kosa heniky ny lolom-po noho ny tsy fisian’ny fitarihana.

Avy eo dia tonga saina aho fa tena nanana ny valiny ho an’ny toe-javatra nisy ahy aho. Tsy maintsy nampiasa ny fahafahako misafidy aho sy nanova ny toe-javatra niainako. Ary fantatro hoe inona no ho fanapahan-kevitra tsara indrindra ho ahy miompana amin’ny tanjona farany nananako, dia ny hiverina any amin’ny Ray any An-danitra.

Nanapa-kevitra ny hiroso aho nony farany: niresaka tamin’ny vadiko aho ka nahagaga tokoa fa nisaraka tsy nisy raorao izahay.

Ny herin’ny fahafahana misafidy

Io zava-tsarotra niainana io dia nanampy ahy hianatra momba ny hery sy ny maha-zava-dehibe iankinan’ny aina ny fahafahantsika misafidy izay fanomezana nomen’ Andriamanitra antsika.

Nampianatra toy izao ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Rehefa manao jery todika isika dia afaka mahita ny halehiben’ny fiovana eo amin’ny fiainantsika izay nentin’ny safidy nataontsika. Manao safidy sy mandray fanapahan-kevitra tsaratsara kokoa isika raha mijery ireo safidy misy sy misaintsaina izay hitondran’izany antsika. Raha manao izany isika dia hanaraka ilay torohevitry ny Filoha Russell M. Nelson mba hanomboka miaraka amin’ny fieritreretana ao an-tsaina ny tanjontsika farany. Ho antsika, ny farany dia eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana mandrakariva miainga avy ao amin’ny tempoly mankany amin’ny fiainana mandrakizay, ilay lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra.”1

Takatro fa tsy hisalovana ny fahafahan’iza na iza misafidy ny Ray any An-danitra. Avelany aho hanapa-kevitra mitokana ny amin’ny fanambadiana ny vadiko. Izy koa dia tsy hanery ny vadiko hiova, eny fa na dia nihazona ny fanekempihavanako aza aho, satria ny fanambadiana mandrakizay dia mitaky ezaka ara-panahy sy ara-batana avy amin’ny olon-droa rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo.

Rehefa sendra olana isika dia afaka mampiasa ny fahafahantsika misafidy mba hanovana ny fomba fijerintsika sy ny fomba fisainantsika, eny fa na dia ny tenantsika aza. Izany no fanomezam-pahasoavana masin’ny fahafahana misafidy. Tian’ny Ray any An-danitra isika hikatsaka Azy sy ny Fanahy ary avy eo matoky ny tenantsika amin’ny fandraisana ireo fanapahan-kevitra tsara indrindra ho an’ny fiainantsika.

Mitodika amin’ny Mpamonjy

Tsy nanantena ny ho sitrana sy hiala faingana tamin’ilay fanambadiako feno herisetra aho tamin’ny voalohany, saingy nihisatra sy sarotra ilay fandehan-javatra. Nahatsapa fanantenana ho an’ny hoavy tsara kokoa aho tamin’ny alalan’ireo fitaovana fitsaboana, ny fihainoana ny hafatry ny mpaminany, ny famakiana soratra masina sy ny fahatsapana fitiavana ary ny fanohanana avy amin’ireo namana sy ny fianakaviana. Rehefa nampiasa ny fahafahako misafidy aho mba hahitana fanasitranana, dia niandrandra fiainana izay isian’ny famelan-keloka sy ny hatsarana ao amin’ireo fifandraisana amin’ny hafa, tafiditra ao anatin’izany ny Mpamonjy.

Tamin’ny alalan’ny fahatakarana nitombo ny amin’ny fomba hampiasana ny fahafahana misafidy teo amin’ny fiainako dia nivadika ho fahatakarana ny lolom-po nananako tamin’ Andriamanitra, ary afaka ny ho sitrana ny fifandraisako Taminy.

Izany no votoatin’ny filazantsara: manao ny safidy ho an’ny tenantsika manokana mba hankanesana any amin’i Kristy, manatanteraka ny torohevitry ny mpaminany izay mamporisika antsika hampiasa ny fahafahantsika misafidy mba hitoky amin’ny Tompo ary manorina fiainana tsara sy heniky ny finoana.

Ny Rahavavy Camille N. Johnson, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia nampianatra fa: “Ilay fitsipika ambony dia ambony mifehy ny fahafahana misafidy mazava ho azy dia mamela antsika hanoratra ny tantarantsika manokana. … Kanefa i Jesoa Kristy dia vonona ny hampiasa antsika ho fitaovana masina, … mba hanoratana sangan’asa lehibe! … raha toa [isika] manana finoana hamela Azy, raha toa [isika] hamela Azy ho mpanoratra ny tantara[ntsika].2

Isan’ny zavatra niainana naharary indrindra natrehako hatrizay ny namaranako ny fanambadiako. Kanefa nianatra aho fa rehefa sendra fitsapana tsy ampoizina eo amin’ny fiainana dia afaka mikatsaka fitarihana ara-panahy isika ary mandray fanapahan-kevitra izay mampandroso antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Amin’ny alalan’ny fanarahana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, isika dia afaka ny hanana fanantenana ny amin’ireo zavatra tsara ho avy sy amin’ireo fitahian’ny fiadanana sy fifaliana nampanantenain’Izy Ireo mandrakariva.

Monina any Chili ny mpanoratra.