Liahona
Ireo fianarana momba ny fizakan-tena: Mampifandray ny fitantanam-bola amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara
Janoary 2024


“Ireo fianarana momba ny fizakan-tena: Mampifandray ny fitantanam-bola amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara,” Liahona, jan. 2024.

Ireo fianarana momba ny fizakan-tena: Mampifandray ny fitantanam-bola amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara

Ireo fianarana momba ny fizakan-tena dia manampy ireo mpandray anjara amin’izany hitondra hevitra ara-panahy eo amin’ny filàn’izy ireo ara-bola.

Sary
vondron’olona mipetraka sy miresaka

Niompana tamin’ny asa sy ny fizakan-tena ny sasantsasany tamin’ireo fampianarana voalohany indrindra nomen’ny Tompo an’ireo zanany. Ao amin’ny Testamenta Taloha Izy dia nampianatra an’i Adama sy i Eva nanao hoe: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina” (Genesisy 3:19). Ary nilaza tamin’ny Isiraelita Izy nanao hoe: “Henemana no hiasanao” (Eksodosy 20: 9).

Ankehitriny kosa ireo vondron’ny fizakan-tena maneran-tany izay tohan’ny Fiangonana dia manampy ireo zanak’ Andriamanitra hampivoatra ny fianaran’izy ireo, ho lasa matanjaka ara-pihetseham-po kokoa, hanangana orinasa ary hahay hitantana kokoa ny vola kirakirain’izy ireo, araka ny asehon’ireto traikefa manaraka ireto.

Sary
vehivavy mijery antontan-taratasy

Mandoa fahafolonkarena avy amin’ny fidiram-bola kely dia kely

Nandritra ny fanambadiana i Deborah, avy any Michigan, Etazonia dia tsy mba nanana olana velively tamin’ny fitantanana ny volany. Saingy taorian’ny ny fisarahany tamin’ny vadiny dia lasa nananosarotra ho azy kokoa ny nandoa ireo faktiorany. Na dia tia nandeha tsy tapaka tany amin’ny tempoly azy i Deborah dia nanomboka ho nanahirana azy ny nandoa ny fahafolonkarenany ary nitsahatra tsy nankany amin’ny tempoly izy.

Nangataka fanampiana tamin’ny evekany izy. Ka ny evekany dia nilaza taminy momba ny kilasin’ny fizakan-tena atolotry ny Fiangonana izay miompana amin’ny fitantanana ny vola miditra amin’ny tena, atao ao amin’ny tsatòka misy azy. Nanaiky ny handeha i Deborah kanefa tamin’ny voalohany dia tsy hitany izay antony hanatrehany izany: “Raha ny marina no ambara dia hoy aho anakam-po hoe: -Inona koa no ataoko eto? Haiko ny mitsinjara ny volako. Nanao teti-bola aho hatrizay niainako.-”

Nihaona tamin’ilay vondrona sy ny mpanamora iray aho. Adiny roa isan-kerinandro izy ireo no mianatra momba ny lafiny ara-nofo mahakasika ny filaminana ara-bola (toy ny fandrafetana teti-bola) sy ny lafiny ara-panahy mahakasika ny filaminana ara-bola (toy ny mpitandrin-draharaha mahatoky amin’ny fitantanana fidiram-bola). “Tsy mbola nampifandray ireo roa ireo tamin’ny fomba nampifandraisan’io kilasy io azy ireo mihitsy aho,” hoy i Deborah niaiky.

Nahatsapa i Deborah fa ny fifandraisany ara-panekempihavana amin’ny Ray any An-danitra dia nanampy azy hianatra ny fomba hampidirana Azy ao amin’ireo fanapahan-kevitra raisiny amin’ny resaka ara-bola. “Nanohana ahy teo foana ny Raiko any An-dranitra. … Tsy maintsy ampidiriko amin’ny zava-drehetra Izy.”

Rehefa nanaraka ireo fitaomam-panahy sy fitarihana noraisiny avy amin’ny vondron’ny fizakan-tena misy azy i Deborah dia afaka nanokana vola handoavana fahafolonkarena, sy handoavana faktiora izy, ary nanangom-bola mihitsy aza. Izany rehetra izany no vitany na dia tsy nitombo aza ny fidiram-bolany.

Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Heber J. Grant (1856–1945) fa maro ny zavatra afaka ny ho vita amin’izay ambiny tavela amin’ny karama aorian’ ny fandoavana fahafolonkarena oharina amin’ny zavatra afaka ny ho vita amin’ilay vola iray manontolo mialohan’ ny fandoavana fahafolonkarena: “Mijoro ho vavolombelona aho … fa ireo lehilahy sy vehivavy marin-toetra tsy misy tomika hatrizay tamin’ Andriamanitra, izay nandoa hatrany ny fahafolonkarenany … dia mijoro ho vavolombelona … fa Andriamanitra dia nanome azy ireo fahendrena izay nahafahan’izy ireo nampiasa ny sivy ampahafolony ambiny, ary nanan-danja lehibe kokoa tamin’izy ireo izany ka nahavitan’izy ireo zavatra mihoatra noho izay ho vitany raha tsy marin-toetra tamin’ny Tompo izy ireo.”1

I Deborah dia nandray fitahiana “na ara-nofo na ara-panahy” (Môzià 2:41) rehefa nitandrina ny lalàn’ny fahafolonkarena sy nampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara teo amin’ny teti-bolany izy. Ny fitarihana avy tamin’ny vondron’ny fizakan-tena nisy azy sy ny fitaomam-panahy azony avy tamin’ny Fanahy Masina dia nanome azy fomba hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy hiverenana any amin’ny tempoly. “Ny zava-drehetra izay nolazaiko fa tsy ho vitako, dia nasehony ahy fa ho vitako izany ary mihoatra lavitra noho izany aza,” hoy izy nijoro ho vavolombelona. “Ny zavatra ataonao anio no mamaritra ny hoavinao, ary tiako ny hoaviko mba ho ilay hoavy hahafahako miditra ao amin’ny Tempolin’i Detroit ka hanombohako hanao asa ho an’ireo razambeko indray.”

Sary
Mpivady mihazona boky fianarana

Sary nahazoana lalana avy tamin’i Berry sy i Light Chu

Miala amin’ny trosa

I Berry Chus avy ao amin’ny Tsatòkan’i Taipei Afovoany ao Taiwan dia nila fahendrena mihoatra izay fahatakarany taorian’ny nanaovany fampiasam-bola iray izay tsy nahomby ka nampidi-trosa be azy. Nahatonga an’i Berry ho tsy afa-nanoatra nandritra ny fotoana fohy ny zava-nitranga ka tsy afaka nandroso izy. Saingy nanetry tena i Berry ka nikatsaka fanampiana tamin’ny Ray any An-danitra tamim-bavaka. Avy tamin’izany vavaka izany no nahazoany herim-po hitantara tamin’ny vadiny ny zava-nitranga. Tamim-pitiavana sy tamim-panetrentena no nanomezan’i Light Tsai, vadin’i Berry, azy toky fa hahita vahaolana izy ireo ary ho voaloa ilay trosa. Niara-nivavaka i Light sy i Berry mba hikatsaka ny fitarihan’ny Tompo.

Nahatsapa i Berry sy i Light fa ho afaka ny hahazo tombontsoa avy amin’ny fianarana momba fizakan-tena atolotry ny Fiangonana mahakasika ny fitantanam-bola an’ny tena manokana. Na dia teo azy ilay trosa nitambesatra dia nahavita drafitra famerenam-bola izy ireo. Tamin’ny alalan’ny fanampian’ilay fianarana izy ireo dia nianatra ny “hanao lohalaharana ny fahafolonkarena sy … hitantam-bola amin’ny fomban’ Andriamanitra,” hoy i Berry. “Nianatra nanao teti-bola sy nanao lohalaharana ireo famoaham-bola mba ho an’izay filàna fototra fotsiny koa izahay.”

Tsy vitan’ny hoe nianatra nitsinjara ny vola miditra amin’izy ireo tamim-pahamalinana fotsiny i Berry sy i Ligt, fa nanosika azy ireo hiova asa ihany koa ny vondrona momba ny fitantanam-bola an’ny tena manokana nisy azy ireo. Nitarika ho tamina karama ambony kokoa ilay fiovana ka nanome azy fahafahana ny hanefa manontolo ny trosany.

Tao anatin’ny firaisan-kina tamin’ny fanatratrarana ny tanjon’izy ireo no nampiasan’i Berry sy i Light ireo tambin-karama sy vola avy amin’ny fampiasam-bola ary fidiram-bola fanampiny azon’izy ireo avy tamin’ny asa raikitra sy an-tselika nataon’izy ireo mba handoavana manontolo ny trosan’i Berry. Nomban’ny fanampian’ny Tompo dia nanam-bola izy ireo handoavana ny fandanian’izy ireo, ary, ny manan-danja indrindra, dia mbola afaka nandoa fahafolonkarena sy nanome fanatitra hafa izy ireo.

Ny Tompo dia nanambara hoe: “Ny tanjoko dia ny hamatsy ny olomasiko. … Saingy tsy maintsy ilaina ny hanaovana izany araka ny fombako” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:15–16). Maro ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana maneran-tany mahita ny fomba amatsiany azy ireo rehefa mampihatra ireo fitsipiky ny fizakan-tena ara-panahy sy ara-bola izy ireo.

Sary
mpivady miara-mandinika antontan-taratasy

Mampianatra hoe “ahoana” fa tsy ny hoe “inona” fotsiny

I Curtsi sy i Pshaunda Scott, avy any Texas, Etazonia, dia samy naniry ny ho hendry tamin’ny fitantanana ny volan’izy ireo saingy tsy afaka nifanaiky izy ireo tamin’ny fomba hanaovana izany. I Pshaunda dia nahafantatra fa mila antoka ara-pahasalamana izy ireo saingy i Curtis kosa dia nahalala fa tsy manam-bola hanaovana izany izy ireo. Na dia nifankatia aza izy ireo, ny fahasamihafan’ny fomba fijerin’izy ireo ara-bola dia nampifanolana azy ireo tao amin’ny fanambadiany. “Rehefa resa-bola,” hoy i Pshaunda nahatsiaro, dia “tsy azoko an-tsaina mihitsy hoe nitovy tadin-dokanga izahay.”

Manaiky izany i Curtis. “Nahatonga fahasorenana foana ny resa-bola ary nisy resaka manan-danja tsy mba nifanaovanay.”

Nanoro hevitra an’i Pshaunda sy i Curtis ny evekan’izy ireo mba hanombohan’izy ireo manatrika kilasy fianarana fizan-tena momba ny fitantanam-bola an’ny tena manokana izay atolotry ny tsatòkan’izy ireo.

Tsy nampoizin’i Curtis fa nety taminy tokoa ny kilasin’izy ireo izay niendrika fifanakalozan-kevitra malalaka. Afaka nanazava ny eritreriny izy ary nahazo hevi-baovao avy tamin’ny hafa izay nahatakatra ny toe-java-nisy ny fianakaviany. Tsy vitan’ny hoe nanampy an’i Curtis hamantatra fitsipiky ny filazantsara ireo fifanakalozan-kevitra nataon’ny vondrona fa nanampy azy koa hamantatra fomba mahomby ampiharana izany koa. Nandritra ireo enin-taona hatramin’ny nahavitan’ny batisany dia matetika i Curtis no nampianarina fa tokony hampitombo ny finoany, hanatsara ny vavaka ataony ary hanakaiky kokoa ny Mpamonjy izy, kanefa tsapany fa ny fianarana momba ny fizakan-tena no nampianatra azy hoe ahoana no hanaovana ireo fampivoarana ireo.

Rehefa nianatra ny fomba hampiharana ny fitsipiky ny filazantsara tamin’ny fitantanana ny vola tao an-tokantrano sy teo amin’ny asany i Curtis dia nahita tamin’ny fomba lalina kokoa ny fitiavan’ny Tompo azy. “Raha ny marina dia nampatanjaka ny finoako sy ny fahatakarako ny fikarakaran’ny Ray any An-danitra antsika sy ny fanahiana tsapany ho antsika izany,” hoy izy.

Nahatsapa i Pshaunda fa ny lafy ara-panahin’ny fianarana momba ny fizakan-tena dia nanampy azy hahatakatra hoe toy ny ahoana ny toerana misy ny resaka fitantanam-bola ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra. “Nanamafy orina ny fijoroako ho vavolombelona … andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra izany.”

Ny fampidirana ny fampianaran’ny Tompo ao anatin’ireo fanapahan-kevitra mahakasika ny fitantanam-bola noraisin’izy ireo dia nampifanaraka an’i Curtis sy i Pshaunda nony farany. “Lasa ekipa iray izahay,” hoy i Pshaunda. “Tsy hiteny aho hoe manan-karena izahay na koa manam-bola kokoa, saingy tsy azo ihodivirana fa miroso mankany amin’ny lalana tokony ho izy izahay.”

Fanamarihana

  1. Heber J. Grant, ao amin’ny Conference Report, apr. 1912, 4.

  2. Message de la Première Présidence,” Finances personnelles pour l’autonomie (2017).