Liahona
Famakiana milamina: Mahita ny Mpamonjy ao amin’ny soratra masina
Janoary 2024


“Famakiana milamina: Mahita ny Mpamonjy ao amin’ny soratra masina,” Liahona, jan. 2024.

Famakiana milamina: Mahita ny Mpamonjy ao amin’ny soratra masina

Hanampy antsika hahita an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny findramana io fomba io.

Sary
Sary sikotra an’i Maria mihazona ny vatan’i Jesoa taorian’ny Fanomboana

La Pietà [Fangorahana], nataon’i Michelangelo

Iray taona mahery no lanin’i Michelangelo namoronana ny La Pietà [Fangorahana], sary sikotra mahatalanjona an’i Maria mihazona ny vatan’i Jesoa taorian’ny Fanomboana. Lavalava kokoa noho izay aza no fotoana lanin’i Leonardo da Vinci, sahabo ho telo taona, nanaovana hosodoko ny fanehoany ilay fanehoana fanta-daza an’ny The Last Supper [Ny Fanasana farany].

Araka ny vinavinanao dia mety ho hafiriana eo ho eo no holazainao fa ho fotoana lanin’ny mpitsidika iray ao amin’ny tranombakoka ara-java-kanto iray, raha mijery ny tao zava-kanto tsirairay.

Ny valiny dia 17 segaondra, araka ny fanadihadiana iray.1

Alaivo sary an-tsaina anie e: 17 segaondra no ijerena ny tao zava-kanto iray izay mety ho an-taonany no namoronan’ilay mpanakanto azy.

Tsy mahagaga izany. Misy sary hosodoko sy sary sikotra aman-jatony ao amin’ny tranombakoka iray ary olona be atao isika. Noho izany dia mihelina isika ary mamantatra faran’izay betsaka vitantsika momba ilay zava-kanto. Mampihomehy fa entin’ny tahotra ny tsy hahita zavatra firy, dia lasa tsy mahita ny tena antom-pisian’ilay zava-kanto no iafarantsika: ny fihetseham-po sy ireo hevitra tian’ireo mpanakanto mba hiainantsika. Lalovan’ny masontsika ny zava-kanto rehetra ao amin’ilay tranombakoka, kanefa raha ny marina dia tsy misy hitantsika izy ireny na dia iray aza. Avy eo dia mandao ilay tranombakoka isika, sady torovana no tsy naharay zavatra mitondra aingam-panahy. Mety hanontany tena aza isika hoe inona koa mba hitan’ny olona amin’ny zava-kanto; no sady resy lahatra, angamba, fa ny zava-kanto dia natao ho an’ireo olona avara-pianarana, fa tsy natao ho an’ny olon-drehetra.

Fijerena milamina

Mba hamahana io olana io, ireo tranombakoka manerana izao tontolo izao dia mamporisika ireo mpitsidika mba hampihatra ilay antsoin’izy ireo hoe “fijerena milamina.”2 Manasa ny olona izy ireo mba hisafidy zava-kanto iray ao amin’ny tranombakoka, sy maka aina tsara ary mandinika izany tsara elaela, izany hoe, 5 ka hatramin’ny 10 minitra. Jereo amin’ny lafiny rehetra izany. Antomory mba hahitana antsipirian-javatra. Mihemora ary diniho manontolo izany. Indraindray aza ireo mpitsidika dia tsy asaina mamaky ny famantarana misy ny fandikana nataon’ny tranombakoka izay mamakafaka ny momba ilay zava-kanto—raha tsy rehefa nanandrana namolavola ny heviny manokana sy namanta-javatra ho an’ny tenany manokana izy ireo, farafaharatsiny.

Ho an’ny olona maro dia nanova ny zavatra iainana mandritra fitsidihana tranombakoka ny fijerena milamina. Ny olona sasany izay tsy nihevitra na oviana na oviana ny tenany ho mpankafy zava-kanto dia lasa raiki-pitia amin’ny zava-kanto. Nahazo toky izy ireo fa izy ireo dia afaka ny hamantatra ny lanjan’izay mety ho tao zava-kanto misy, ary mahita fifaliana amin’ny zavatra hitany izy ireo. Nianatra izy ireo fa tsy mila manana diplaoma avy eny amin’ny oniversite amin’ny tantaran’ny zava-kanto izy ireo vao afaka ny hiaina fiontanam-po entin’ny zava-kanto; mila fotsiny izy ireo mamaky miadana sy manome fahafahana ny zava-kanto hanao ny asa namoronana azy mba hataony.

Moa ve ireo fitsipika ireo azo ampiharina amin’ny famakiana soratra masina, ohatra hoe, amin’ny fandalinantsika amin’ity taona ity ny Avia, hanaraka Ahy miompana amin’ny Bokin’i Môrmôna?

Fantatsika fa ny Bokin’i Môrmôna, amin’ny maha Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy azy, dia nosoratana mba hampatanjahana ny finoantsika ny Mpamonjy (jereo ny 1 Nefia 6:4). Fantatsika fa izany dia nosoratana mpaminanin’ Andriamanitra nentanim-panahy, izay natao indrindra ho an’ny androntsika (jereo, ohatra, ny Môrmôna 8:35). Fantatsika fa ireo mpaminany fahiny izay nanoratra ny Bokin’i Môrmôna dia nanao izany tamin’ny fahafoizan-tena lehibe avy amin’ny tenan’izy ireo manokana. Ny fisokirana teny eo amina takela-by fotsiny dia efa henjana sy asa mafy (jereo ny Jakôba 4:1). Ary ny sasany tamin’izy ireo dia nanao vy very ny ainy mba hitandrovana ny rakitsoratra mba ho azontsika ampiasaina ankehitriny (jereo ny Môrmôna 6:6; Môrônia 1).

Kanefa indraindray, ao anatin’izay manahirana antsika, dia ataontsika vaky maika ny Bokin’i Môrmôna. Mety hoe mamaky kimaimaika andininy vitsivitsy isika mandritra ny fotoana isakafoanana maraina na eny an-dalana ho any am-piasana. Mety holalovan’ny masontsika ny teny tsirairay ao amin’ny toko iray, fa tsy betsaka amin’izany no tafiditra tsara ao an-tsaintsika. Tsy hoe isaky ny mihetsika, fa indraindray, isika dia manakombona ny boky na application ary mahatsapa ho tsy niova fa dia mitovy tamin’ilay isika nanomboka iny ihany.

Famakiana milamina

Raha toa ny tao zava-kanto tsara iray ka mendrika ny hofantarina amin’ny alalan’ny fijerena milamina, dia angamba mendrika ny famakiana milamina” kosa ny Bokin’i Môrmôna. Tsy voatery hidika izany fa mila fotoana lava ny fandalinantsika soratra masina, fa hoe mety hahazo tombontsoa avy amin’ny fanovana ny hafainganam-pamakiana kosa isika. Mba tsy hilomay hamita toko iray, dia angamba hafantoka amina andininy telo na efatra ny fandalinana anio. Saingy saintsainintsika tsara ny zavatra voalaza ao amin’ireo andininy ireo. Tsikaritsika ny antsipirian-javatra sy teny ary andian-teny. Saintsainintsika ny antony mety maha-manan-danja azy tsirairay avy: moa ve izany mampianatra ahy zavatra momba ny Mpamonjy? Moa ve izany mampiorim-paka ny fitiavako Azy sy ny finoako Azy? Moa ve misy zavatra tiany hofantariko?

Ny famakiana milamina dia mamela antsika hahatsikari-javatra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mety tsy ho hitantsika tamin’ny fomba hafa. Ny manan-danja indrindra dia hoe, izany dia manampy antsika hahita ny Mpamonjy matetika kokoa ao amin’io boky izay nosoratana mba hijoro ho vavolombelona momba Azy io. Ny famakiana milamina dia fomba iray hanokafana ny masontsika sy ny saintsika ary ny fontsika handray ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy entin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny tao zava-kanto mitaona fanahy iray dia afaka ny hanova fiainana rehefa maka fotoana isika mba hijerena izany marina tokoa. Raha raisina amin’ny fomba lalina kokoa, ny fahitana ny Mpamonjy ao amin’ny soratra masina dia afaka ny hampisy fiantraikany lalina eo amin’ny zavatra eritreretintsika sy ny fihetseham-pontsika, ary ny fiainantsika, vokatr’izany.

Ohatra, andeha atao hoe mamaky ny 1 Nefia toko 1 ianao amin’izao. Voasarika any amin’ny andininy faha-6 ny fifantohanao, noho izany dia mamaky miadana kokoa ianao ary mijanona eo mandinika izany elaela. Mety hanintona ny sainao ilay “andry afo” izay hitan’i Lehia “teo ambonin’ny vatolampy.” Tsy toetoetra fahita momba ana afo izany. Inona no mety ho dikan’izany? Mety ho lasa any amina andry afo hafa voalaza ao amin’ny soratra masina ny eritreritrao (mety hanampy anao amin’izany ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy). Mety hisaintsaina ianao hoe nahoana ny fanatrehan’ny Tompo no oharina matetika amin’ny afo. Inona no lazain’izany momba Azy? Moa ve Izy efa toy ny andry afo teo amin’ny fiainanao?

Be ny zavatra azo sainina momba izany. Ary tsy mbola vitanao akory ilay andininy.

Tsy azo ihodivirana fa misy lanjany ny famakiana haingana ny Bokin’i Môrmôna. Afaka manampy antsika hianatra momba ilay tantara amin’ny ankapobeny izany sy hahatakarana ireo lohahevitra mibahana sy miverimberina. Kanefa misy zavatra betsaka hianarana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ireo antsipirian-javatra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary indraindray ny fomba tsara indrindra hahitana ireny antsipirian-javatra ireny dia ny mamaky miadana sy mandinika tsara.

Toy izao no nolazain’i Nefia momba ny teny nosoratany tao amin’ny Bokin’i Môrmôna: “Ireto teny ireto … tenin’i Kristy […] ary Izy no efa nanolotra ireo ho ahy; ary … hasehon’i Kristy anareo amin-kery sy voninahi-dehibe […] fa teniny ireo” (2 Nefia 33:10–11). Tsy voatery ho mpamaky teny za-draharaha ianao vao hitady ireo tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Mila mamaky miadana fotsiny ianao ary manome ny Bokin’i Môrmôna fahafahana hanao ny zavatra namoronana azy mba ho ataony, dia ny hanorina ny finoanao an’i Jesoa Kristy izany.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Trent Morse, “Slow Down, You Look Too Fast,” ARTnews, Apr. 1, 2011, artnews.com.

  2. Jereo ny “Slow Art Day,” slowartday.com/about.