Liahona
I Jesoa Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna
Janoary 2024


“I Jesoa Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, jan. 2024.

I Jesoa Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Impiry ny Tompo no voatonona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna?

Sary
I Jesoa Kristy manompo ireo vahoaka tao Amerika

Iza hoy ianao no olona manan-danja indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna? Na dia mety hisy hiteny aza ny olona sasany hoe i Nefia, na i Almà, na i Môrmôna, dia i Jesoa Kristy no ilay olona tena manan-danja. Nanoratra i Nefia hoe:

“miasa araka ny zotom-po isika hanoratra mba handresy lahatra ny zanatsika … mba hinoany an’i Kristy. …

“Ary miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy,” (2 Nefia 25:23, 26).

Tamin’ny 1978, i Susan Ward Easton dia namoaka lahatsoratra miavaka, izay nampiseho tamin’ny alalan’ny tarehimarika fa i Jesoa Kristy no olona manan-danja indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Namantatra ireo anaram-boninahitra isan-karazany an’i Jesoa Kristy izy ary nampiseho fa voatonona tamin’ny anarany na tamin’ny anaram-boninahitra in-3925 Izy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay mipoitra in-dray mandeha isaky ny andininy miisa 1,7 raha ny salanisa no jerena.1

Io fanadihadiana sarobidy io dia manasongadina ny maha ivon’ny Bokin’i Môrmôna ny Mpamonjy; kanefa, izany dia manamaivana tokoa ny hatetiky ny fanononana an’i Kristy satria tsy tafiditra ao anatin’izany ireo mpisolo anarana manondro Azy.

Amin’ny farany dia tsy ny habetsaky ny fanondroana an’i Jesoa Kristy no antsipirian-javatra manan-danja indrindra hianarana amin’ny Bokin’i Môrmôna; saingy, ny teny tsirairay manondro Azy dia afaka mampianatra antsika momba ny toetoetrany masina sy ny iraka masina notanterahiny. Nandinika tamim-pahamalinana ny Bokin’i Môrmôna izahay ka nitady ireo fanondroana rehetra an’i Jesoa Kristy, tafiditra ao anatin’izany ireo anaram-boninahitra sy mpisolo anarana. Nahita fanondroana mitotaly 7452 izahay; izay manome salanisa fanondroana iray isaky ny andininy.2 Manodidina ny 50 isan-jaton’ireo fanondroana an’i Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no anaram-boninahitr’i Kristy, ka ny ambiny dia mpisolo anarana.

Ny fitadiava an’i Jesoa Kristy dia mitondra fomba iray miavaka hianarana momba Azy. Saintsaino anie ny fomba anantitranteran’ity andininy ity momba Azy: “Manomboha mino ny Zanak’ Andriamanitra, fa ho avy Izy hanavotra ny olony ary hijaly sy ho faty Izy mba hanonitra ny fahotany; ary hitsangana amin’ny maty Izy izay hahatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty, ka ny olona rehetra dia hijoro eo anoloany mba hotsaraina araka ny fasany amin’ny andro farany sady fitsarana” (Almà 33:22; nampiana fanamafisana).

Tao amin’ny fandinihana nataon-dRahavavy Easton voalohany, io andininy io dia ho nisaina ho fanondroana iray an’i Kristy avy amin’ilay anaram-boninahitra hoe “Zanak’ Andriamanitra.” Kanefa dia voatonona in-dimy ankoatra izay ny Mpamonjy. Tsy ny maha Zanak’ Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ihany no antitranterin’io andininy io fa ny maha ilay Iray izay hanavotra antsika Azy ihany koa, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy manam-petra sy ny Fitsanganany amin’ny maty; ary Izy dia ho mpitsara antsika.

Angamba raha amin’ny fomba mahery vaika kokoa, dia manondro ny Tenany i Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ohatra, mamaky momba ny Mpamonjy miteny toy izao isika: “Raha manatona Ahy ny olona, dia hasehoko azy ny fahalemeny. Omeko ho an’ny olona ny fahalemena mba hahazoany mietry; ary ampy ho an’ny olon-drehetra ny fahasoavako mba hanetreny tena eo anoloako; fa raha manetry tena eo anoloako izy ary manam-pinoana Ahy, amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy” (Etera 12:27). Na dia tsy mipoitra aza ny anaran’i Kristy ato amin’ity andininy ity, dia manondro ny Tenany Im-balo ny Mpamonjy. Antitranterina ny anjara asany rehefa mitady ny Mpamonjy ato amin’ity andinin-tsoratra masina ity isika.

Ireto andininy manaraka ireto dia mampiseho ny fifandraisana manokana navelan’ny Mpamonjy amin’ny isam-batan’olona tsirairay sy ny zavatra tsapan’izy ireo momba Azy:

“Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko, hahazoanareo mitehika ny lanivoako amin’ny tananareo, ary koa mba hahazoanareo mitsapa ny diam-pantsika amin’ny tanako sy amin’ny tongotro mba hahafantaranareo fa Izaho no Andriamanitr’i Isiraely sy Andriamanitry ny tany manontolo, ary efa novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao.

“… Ny valalabemandry ary napetrany teo amin’ny lanivoany ny tanany, ary notsapainy ny diam-pantsika teo amin’ny tanany sy ny tongony” (3 Nefia 11:14–15; nampiana fanamafisana).

Na dia mbola tsy afaka ny hitsapa mivantana ireo marika eo Aminy aza isika, dia afaka ny hanao izay hahalalim-paka ny tenivavolombelontsika manokana momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna isika.

Ny fanondroana matetika ny Tompo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia manampy antsika hahita ny maha-ivon’ity asa masina ity Azy. Mamantatra ny Mpamonjy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy izay fomba iray mahery vaika hanakaikezana Azy.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Susan Ward Easton, “Names of Christ in the Book of Mormon,” Ensign, July 1978, 60–61.

  2. Ny andininy sasany dia ahitana teny maro enti-manondro an’i Kristy raha ny hafa kosa tsy ahitana na dia iray aza. Raha ny salanisa dia misy teny iray enti-manondro an’i Jesoa Kristy isaky ny andininy miisa 0,88 ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.