2017
Ireo fivorian’ny filankevitra isaky ny alahady voalohany
November 2017


Ireo fivorian’ny filankevitra isaky ny alahady voalohany

Ny alahady voalohany ao anatin’ny volana dia tsy hisy lesona ampianarin’ny mpampianatra ao anatin’ny fivorian’ny kôlejy, vondrona, ary ny Fikambanana Ifanampiana. Ho solon’izany dia hitarika fivorian’ny filankevitra ireo fiadidiana na mpitarika ny vondrona. Ny kôlejy, na ny vondrona, na ny Fikambanana Ifanampiana isan’isany dia hifampizara hevitra momba ireo andraikitra sy fahafahana ary olana misy eo an-toerana, hianatra avy amin’ny hevitra sy ny zavatra iainana zarain’ny tsirairay, ary hanomana drafitra hanatanterahana ireo fahatsapana voaray avy amin’ny Fanahy.

“Miparitaka eo anivontsika ny fanambarana”.1

Loholona Neil L. Andersen

Mialoha ny Fivorian’ny filankevitry

  • Mamantatra ireo andraikitra sy fahafahana ary olana ireo mpitarika dia mifidy amim-bavaka lohahevitra iray horesahina.

  • Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy ny rehetra.

  • Miomana hizara hevitra sy zavatra niainany ny tsirairay.

Sary
Rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana miara-mivory

Mandritra ny Fivorian’ny filankevitry

  • Manasa ny mpikambana ny mpitarika mba hizara zavatra niainana rehefa nanao asa avy amin’ny zavatra tsapan’izy ireo avy amin’ireo fivoriana teo aloha.

  • Miara-mikaon-doha momba ilay lohahevitra ny rehetra, mifampihaino, ary mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy.

  • Mamintina ireo hevi-dehibe sy manolotra fanasana hanao asa ny mpitarika.

Sary
Fivorian’ny filankevitry ny Fisoronana Melkizedeka

Aorian’ny Fivorian’ny filankevitry

  • Manao asa avy amin’ny fahatsapana sy ny fanasana voaray ny rehetra, na miaraka na mandeha tsirairay.

  • Miomana hizara ny zavatra niainany amin’ny fivoriana manaraka ny rehetra.

Sary
Rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana mifamihina

“Isika no tanany.”2

Filoha Dieter F. Uchtdorf

Fitsipiky ny fifampizarana hevitra

Tsy mitovy daholo ny fivorian’ny filankevitra rehetra. Avelao hampianatra anareo ny Tompo. Ireto misy fitsipika vitsivitsy hanombohanareo izany:

  1. Ny tanjon’ny fivorian’ny filankevitra dia ny hifampizara hevitra momba ireo andraikitra sy fahafahana ary olana misy eo an-toerana, hianatra avy amin’ny hevitra sy ny zavatra iainana zarain’ny tsirairay, ary hanomana drafitra hanatanterahana ireo fahatsapana voaray avy amin’ny Fanahy.

  2. Ny fivorian’ny filankevitra dia tokony hitarika ho amin’ny asa—drafitra natao ho an’ny tsirairay na ho an’ny vondrona, izay avy amin’ny fanentanan’ny Fanahy, hanao asa ivelan’ny fivoriana mba hanatanteraka ny asan’ny Tompo (jereo ny FF 43:8–9).

  3. Ny filankevitra dia tokony hampiana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny andro farany, ireo Manampahefana Ambony hafa, ary ireo Mpiandraikitra Ambony mba hitarihana sy hanohanana ny fifanakalozan-kevitra. Amin’izay dia afaka manampy ny kôlejy sy ny vondrona ary ny Fikambanana Ifanampiana hiresaka ireo filàna tena manan-danja ny tenin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nentanim-panahy.

  4. Tsy tokony hiresahana olana mahakasika be loatra ny tena manokana na mora mampihetsi-po momba ny mpikambana na ny fianakaviana tsirairay ny fifanakalozan-kevitra.

  5. Na dia tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana na ny mpitarika ny vondrona aza ny fivorian’ny filankevitra dia tsy mibahan-toerana eo amin’ny fizarana hevitra izy. Mandroso olana iray horesahina ilay mpitarika dia manasa ny rehetra hizara hevitra sy zavatra niainana, araka ny fitarihan’ny Fanahy.

  6. Na dia tsy tokony hisy hahatsapa aza fa terena handray anjara, dia tokony hahazo aina tsara tsy hatahotra ny hokianina ny rehetra amin’ny fizarana fanamarihana sy hevitra.

  7. Raha misy ny fahafahana, dia afaka manampy amin’ny fanomezana toerana ny toe-tsaina tia mizara sy ny fifampiresahana malalaka ny fipetrahana amin’ny endrika faribolana.

Ireo lohahevitra azo resahana mandritra ny fivorian’ny filankevitra isaky ny alahady voalohany

Ireo lohahevitra azo aroso horesahina mandritra ny fivorian’ny filankevitra dia mety ho azo avy amin’ny filankevitry ny paroasy, ny fivorian’ny fiadidiana, ny drafitry ny vondrom-paritra, ny zavatra tsapan’ireo mpitarika avy amin’ny fanompoany ny mpikambana, ary ny bitsika avy amin’ny Fanahy Masina. Ireo lohahevitra eto ambany ireto dia sosokevitra fotsiny ihany. Mety misy filàna hafa fantatr’ireo mpitarika izay ahazoan’izy ireo fitaomam-panahy hoe tokony horesahina.

  • Ahoana no ahafahantsika mandahatra tsara kokoa araka ny laharampahamehana ireo andraikitra samihafa ananantsika?

  • Ahoana no ahafahantsika manakaiky bebe kokoa an’ Andriamanitra sy mandray fitarihana bebe kokoa avy amin’ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika sy ao an-tokantranontsika?

  • Ahoana no hizarantsika ny filazantsara amin’ny namantsika sy ny mpiara-monina amintsika? (jereo ny Almà 17).

  • Ahoana no ahafahantsika miaro ny tenantsika sy ny fianakaviantsika amin’ny haino aman-jery tsy mendrika sy ny pôrnôgrafia? (jereo ny FF 42:22–23).

  • Inona no hataontsika mba hanaraha-maso sy hampatanjahana ny ankizy sy ny tanorantsika ao amin’ny paroasintsika?

  • Ahoana no hampitomboantsika ny firaisan-kina ao amin’ny kôlejy, na ny vondrona, na ny Fikambanana Ifanampiana misy antsika? (jereo ny Môsià 18:19–22).

  • Ahoana no ahafahantsika mandray anjara bebe kokoa amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny fitsaohana any amin’ny tempoly?

  • Ahoana no hanasantsika ny fanampian’ny Tompo eo am-pikatsahantsika ny valin’ireo fanontaniantsika sy hikatsahantsika fahatakarana lalina kokoa momba ny filazantsara?

  • Ahoana no ahafahan’ireo ray aman-dreny ho lasa mpitarika tsara kokoa ao an-tokantrano?

  • Ahoana no ahafahantsika manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Tompo sy ny filazantsarany sy hanampiantsika ny fianakaviantsika hanana fizakan-tena ara-panahy?

  • Inona no dikan’ny hoe manompo? Ahoana no hanampiantsika ny olona manodidina antsika? (jereo ny 1 Petera 4:11).

Raha misy fahafahana hanao izany dia azon’ny mpitarika atao ny mampahafantatra mialoha an’ny mpikambana ilay lohahevitra mba hahafahan’izy ireo tonga manatrika amim-pahavononana mba hiresaka izany.

Fanamarihana

  1. Neil L. Andersen, ao amin’ny Adam C. Olson, “Handbook Training Emphasizes Work of Salvation,” Ensign na Liahona, apr. 2011, 76.

  2. Dieter F. Uchtdorf, “Ianareo no tanako,” Liahona, mey 2010, 68.