2017
Telo mirahavavy
November 2017


Telo mirahavavy

Tompon’andraikitra amin’ny maha-mpianatra antsika isika, ary tsy miankina, raha misy dia kely, amin’ny fomba fandraisan’ny hafa antsika izany.

Ry ranabavy malala, ry namana malala, ny fanombohana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany amin’ny fivoriamben’ny vehivavy maneran-tany dia tena manan-danja ary mahatalanjona. Alaivo sary an-tsaina anie: rahavavy amin’ny taona samihafa, avy amin’ny toe-piainana samihafa, avy amin’ny firenena samihafa ary fiteny samihafa miray hina ao amin’ny finoana sy fitiavana an’i Jesoa Kristy Tompo.

Nandritra ny fotoana vao tsy ela nihaonanay tamin’ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Thomas S. Monson, dia naneho taminay ny fitiavany ny Tompo izy. Ary fantatro fa ny Filoha Monson dia tena mankasitraka tokoa ny fitiavanareo sy ny vavaka ataonareo ary ny fanolorantenanareo ho an’ny Tompo.

Taloha ela be, tany an-tany lavitra tany, dia nisy fianakaviana iray nanana zanaka telo mirahavavy.

Ny voalohany dia malahelo. Ny zavatra rehetra eny aminy sy ny momba azy dia toa tsy mahafapo avokoa. Rehefa miteny izy dia miteniteny foana indraindray, ary dia mihomehy ny olona. Rehefa mitsikera azy ny olona na “tsy” manasa azy ho amin’ny zavatra iray, dia menatra izy, mandeha misintaka, ary mitady toerana mangina izay hamoahany ny senton’alahelony sy hieritreretany hoe nahoana ny fiainana no dia lasa mahakivy sy miangatra toy izao.

Ny faharoa dia tezitra. Nieritreritra ny tenany ho marani-tsaina izy, saingy misy olona hafa foana mahazo naoty ambony noho ny azy amin’ireo fanadinana any an-tsekoly. Nihevitra ny tenany ho mampihomehy, tsara tarehy, mahara-damaody, ary mahavariana izy. Saingy toa misy olona mampihomehy kokoa, na tsara tarehy kokoa, na mahara-damaody kokoa, na mahavariana kokoa mihoatra azy foana.

Tsy mba voalohany mihitsy izy na amin’inona na amin’inona, ary izany dia tsy zakany. Tsy tokony ho toy izany ny fiainana!

Indraindray izy dia manao vava mahery amin’ny hafa, ary toa misy zavatra mila hahatezitra azy foana.

Mazava ho azy fa tsy nahatonga azy ho lasa tian’olona na malaza kokoa izany. Indraindray izy manidy ny vazany, mamokona ny totohondriny, ary mieritreritra hoe: “Tena tsy rariny ny fiainana!”

Dia nisy ihany koa rahavavy fahatelo. Tsy tahaka ireo rahavaviny malahelo sy tezitra izy. Izy indray dia faly. Ary izany akory tsy hoe satria marani-tsaina kokoa na tsara tarehy kokoa na mahavita zavatra kokoa noho ireo rahavaviny izy. Tsia, nolavina sy tsy niraharahiana koa izy indraindray. Ihomehezan’izy ireo indraindray ny fitafiany na ny zavatra lazainy. Milaza zavatra ratsy momba azy izy ireo indraindray. Kanefa tsy nisy navelany hanelingelina azy loatra izany.

Tia mihira io rahavavy io. Tsy dia mahay mihira izy, ary mampihomehy ny olona izany, saingy tsy nahasakana azy izany. Lazainy hoe: “Tsy ny olona hafa na ny fiheverany no andeha avelako hanakana ahy tsy hihira!”

Ilay tsy fijanonany mihira dia nahatonga ilay rahavaviny voalohany ho malahelo sy ilay rahavaviny faharoa ho tezitra.

Nandeha ny taona, ary dia samy tonga tamin’ny fiafaran’ny fotoana iainany ireo mpirahavavy ireo.

Ilay rahavavy voalohany, izay nahita foana fa be fahadisoam-panantenana ny fiainana, dia maty tao anaty alahelo.

Ilay faharoa, izay mahita zavatra vaovao tsy tiana isan’andro dia maty tao anaty hatezerana.

Ary ilay rahavavy fahatelo, izay nandany ny fiainany tamin’ny fihirana hira tamin’ny heriny manontolo sy niaraka tamin’ny tsikitsiky teny amin’ny endriny, dia maty tao anaty fifaliana.

Marina fa tsy mora mihitsy ny fiainana, ary ny olona tsy ho tsotra sy tsy miova tahaka ireo mpirahavavy anankitelo voalaza ato amin’ity tantara ity mihitsy. Saingy na ny ohatra tafahoatra tahaka ireto aza dia afaka mampianatra antsika zavatra momba ny tenantsika. Raha tahaka ny ankamaroanay ianao dia mety efa nahatsapa ho anisan’ny iray na roa amin’ireto mpirahavavy ireto na mety izy telo mihitsy aza. Ndeha hojerentsika akaiky ny tsirairay amin’izy ireo.

Ilay tra-doza

Ilay rahavavy voalohany dia nahita ny tenany ho tra-doza, toy ny olona ahetsika.1 Mahatsiaro izy fa nisy zavatra nifanesy niseho taminy hatrany izay nahatonga azy ho ory. Tamin’izany fomba fijery ny fiainana izany, dia namela ny hafa hifehy ny toe-pony sy ny toe-tsainy izy. Raha manao izany isika dia ho ampitambolimbolenin’ny rivotry ny hevitra samy hafa rehetra, ary amin’izao andro izao izay ahitana ny tambazotra ifaneraserana etsy sy eroa, dia mafy toy ny rivo-mahery ny fitsokan’izany rivotra izany.

Ry ranabavy malala, nahoana ny fahasambaranareo no avelanareo hiankina amina olona, na andian’olona, izay tsy miraharaha firy anareo na ny fahasambaranareo?

Raha mahatsapa tena ho miahiahy momba ny zavatra lazain’ny olona momba anao ianao, dia te hanoro anao izao fanafody izao aho: tsarovy hoe iza ianao. Tsarovy fa ianao dia avy ao amin’ny lapam-panjakan’ Andriamanitra, zanakavavin’ny Ray aman-dReny any An-danitra, izay manjaka amin’izao rehetra izao.

Nandova ny toetra ara-panahin’ Andriamanitra ianao. Manana fanomezam-pahasoavana tsy manam-paharoa avy tamin’ny famoronana ara-panahy ianao izay nivelatra nandritra ilay fotoana maro tany amin’ny fiainanao talohan’ny nahaterahana. Ianao dia zanak’ilay Raintsika any An-danitra feno famindrampo sy maharitra mandrakizay, ilay Tompon’ny Maro, Ilay nahary izao rehetra izao sy nametraka ireo kintana mihodinkodina manerana ny habakabaka midadasika ary nametraka ireo planeta amin’ny toerana misy azy avy.

Mikarakara anao Izy.

Tena tsara karakara.

Mikarakara am-pitiavana.

Miraharaha anao Izy.

Ary tsy misy na inona na inona lazain’ny olona momba anao afaka manova izany. Tsy misy dikany ny tenin’izy ireo raha oharina amin’ny zavatra lazain’ Andriamanitra momba anao.

Zanany sarobidy ianao.

Tiany ianao.

Na dia manao fahadisoana aza ianao, na dia efa miala Aminy aza ianao, dia tia anao Andriamanitra. Raha mahatsapa tena ho very, na tsy raharahiana, na hadino ianao, dia aza matahotra. Hahita anao ilay Mpiandry Tsara. Ho batainy eo an-tsorony ianao. Ary hitondra anao mody Izy.2

Ry rahavaviko malala, ampidiro lalina ao am-ponareo ireo fahamarinana ireo. Dia ho hitanareo fa misy antony maro tsy tokony hampalahelo, satria manana anjara mandrakizay hotratrarina ianareo.

Ilay Mpamonjy malala an’izao tontolo izao dia nanome ny ainy mba hahafahanareo misafidy ny hanao izay haha-tena misy izany anjara izany. Efa nitondra ny anarany ianareo. Mpianany ianareo. Ary noho Izy dia afaka ny hisikina ny voninahitra mandrakizay ianareo.

Ilay mpankahala

Ilay rahavavy faharoa dia tezitra tamin’izao tontolo izao. Tahaka ilay rahavaviny malahelo, dia nahatsapa izy fa ireo olana mitranga eo amin’ny fiainany dia avy amin’olona hafa. Nomeny tsiny ny fianakaviany, ny namany, ny lehibeny sy ny mpiara-miasa aminy, ny pôlisy, ny mpiara-belona aminy, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ny lamaody ankehitriny, ny hamafin’ny hainandro, ary ny faharatsiam-bitana fotsiny izao. Ary manao vava mahery amin’ireo rehetra ireo izy.

Tsy nieritreritra ny tenany ho olona ratsy fanahy izy. Mifanohitra amin’izany aza fa ny tenany ihany no arovany. Ny olona rehetra, raha ny finoany, dia entanin’ny fitiavan-tena sy ny fifantohana amin’ny zavatra tsy misy dikany ary ny fankahalana. Izy kosa anefa etsy andanin’izany dia entanin’ny fikasana tsara, dia ny fahamarinana sy ny tsy fivadihana ary ny fitiavana.

Mampalahelo anefa fa ilay fomba fieritreretan’ilay rahavavy tezitra dia tena fanaon’ny olona. Voamarika izany tao anaty fikarohana iray vao tsy ela momba ny fifandirana eo amin’ny vondrona mpifahavalo. Tao anatin’ilay fikarohana ireo mpikaroka dia nanadihady Palestinianina sy Isiraelianina tany Moyen-Orient ary Repoblikana sy Demôkraty teto Etazonia. Nahita izy ireo fa “na ny ankilany na ny andaniny dia samy nahatsapa fa ny vondrona misy azy dia [n]entanim-pitiavana fa tsy fankahalana, saingy rehefa anontaniana hoe nahoana ny fahavalon’izy ireo no mirotsaka anatin’ilay fifandirana, dia nolazain’ [izy ireo] fa fankahalana no manentana ilay vondrona hafa.”3

Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny vondrona tsirairay dia samy mieritreritra ny tenan’izy ireo ho “olona tsara”: manao ny rariny, tsara fanahy ary azo itokisana. Ny fahavalon’izy ireo kosa anefa dia hitan’izy ireo ho ny “olon-dratsy”: tsy mahalala zavatra, tsy marin-toetra, ratsy mihitsy.

Tamin’ny taona nahaterahako dia tao anatin’ny ady mahatsiravina izay niteraka alahelo tsy hay zakaina sy fahoriana tena manimba izao tontolo izao. Io ady io dia natomboky ny fireneko, natombok’andian’olona izay nandray andian’olona hafa ho ratsy ka namporisika ny fankahalana azy ireo.

Nampanginin’izy ireo izay tsy tiany. Nalainy baraka sy noharatsiany izy ireo. Noraisin’izy ireo ho ambany izy ireo, ary ambany noho ny olombelona mihitsy. Raha vao manambany vondron’olona iray ianao dia azo inoana fa hanamarina ny teny na ny fihetsika feno herisetra atao amin’izy ireo.

Tsy mahate hieritreritra ny zavatra nitranga tao Alemana nandritra ny taonjato faha-20.

Rehefa misy olona manohitra antsika na tsy mitovy hevitra amintsika dia alaim-panahy isika hieritreritra fa tsy maintsy misy zavatra tsy mety any aminy. Ary avy eo dia tena mora ny manao izay zavatra lazainy sy ataony ho vokatry ny fikasana ratsy indrindra.

Marina fa tsy maintsy mijoro amin’ny marina foana isika, ary misy fotoana izay tsy maintsy hanandratantsika ny feontsika noho izany tanjona izany. Kanefa rehefa manao izany amin-katezerana na amim-pankahalana ao am-pontsika isika, rehefa manao vava mahery amin’ny hafa isika ka mahatohina na manala baraka na mampangina azy ireo, dia mety tsy manao izany amim-pahamarinana isika.

Inona no nampianarin’ny Mpamonjy?

“Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, [manaova soa amin’izay mankahala anareo; misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’ izay manisy ratsy anareo,]

“Mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo.”4

Izany no fomban’ny Mpamonjy. Izany no dingana voalohany amin’ny fandravana ilay sakana izay miteraka hatezerana, fankahalana, fisaraham-bazana, ary herisetra eo amin’izao tontolo izao.

Mety hiteny ianareo hoe: “Eny, tena vonona ny hitia ny fahavaloko aho, raha toa ka vonona ny hanao toy izany koa izy ireo.”

Saingy tsy dia manan-danja loatra anefa izay, sa ahoana? Tompon’andraikitra amin’ny maha-mpianatra antsika isika, ary tsy miankina, raha misy dia kely, amin’ny fomba fandraisan’ny hafa antsika izany. Manantena isika mazava ho azy fa mba hahatsapa tena sy ho be fiantrana izy ireo ho setrin’izany, saingy ny fitiavantsika azy ireo dia tsy miankina amin’ny fahatsapana ananan’izy ireo amintsika.

Mety hampalefaka ny fon’izy ireo ny ezaka ataontsika mba hitia ny fahavalontsika ary hitaona azy ireo amin’ny tsara. Mety tsy ho izany koa. Saingy tsy manova ny fanolorantenantsika hanaraka an’i Jesoa Kristy izany.

Koa amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy antsika, dia ho tia ny fahavalontsika isika.

Handresy ny fahatezerana na ny fankahalana isika.

Hofenointsika fitiavana ho an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra ny fontsika.

Hanolo-tanana ny hafa mba hitahy sy hanompo azy ireo isika, na dia ireo izay “manisy ratsy [antsika]” aza.5

Ilay tena mpianatra

Ilay rahavavy fahatelo dia maneho ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy. Nanao zavatra izay tena mety ho sarotra natao izy, natoky an’ Andriamanitra izy na dia teo aza ny fanesoana sy ny fahoriana. Nihazona ny finoany sy ny fanantenany izy na dia teo aza ny faniratsirana sy ny fanendrikendrehana manodidina azy. Niaina tamin-kafaliana izy, tsy hoe satria ny zavatra iainany no nahafaly fa satria izy no falifaly.

Tsy misy amintsika mandalo ny lalam-piainana ka tsy miatrika fanoherana. Miaraka amin’ireo hery maro be izay miezaka mitarika antsika hiala lavitra, ahoana no hihazonantsika ny fijerintsika mba hifantoka amin’ilay fahasambarana be voninahitra izay nampanantenaina ho an’ny mahatoky?

Mino aho fa ny valin’izany dia hita ao amin’ny nofy iray izay nananan’ny mpaminany iray, arivo taona maro lasa izay. Ny anaran’ilay mpaminany dia Lehia, ary ny nofiny dia voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay boky tena sarobidy no mahavariana tokoa.

Tao amin’ny nofiny i Lehia dia nahita saha midadasika iray ary tao anatin’izany dia nisy hazo mahavariana, hazo tsara be izay tsy hay fariparitana. Nahita vondron’olona midadasika ihany koa izy izay nandeha nanatona ilay hazo. Naniry ny hanandrana ny voany izay be voninahitra izy ireo. Nahatsapa sy natoky izy ireo fa hitondra fahasambarana sy fiadanana maharitra ho azy ireo izany.

Nisy lalana ety nitondra nankany amin’ilay hazo, ary teo anilan’izany dia nisy anja-by iray izay nanampy azy ireo hijanona amin’ilay lalana. Saingy nisy zavon’ny haizina ihany koa nanamaizina ny fahitan’izy ireo ilay lalana sy ilay hazo. Ary angamba ny tena loza dia ny feon’ny fihomehezana sy ny fanarabiana avy tamin’ny trano lehibe sy midadasika iray teo akaiky teo. Ny zavatra manaitra dia naharesy lahatra ireo olona izay efa tonga teo amin’ilay hazo sy nanomboka nanandrana ny voany mahavariana mihitsy ilay fanesoana ka nahatsapa menatra ireo ary lasa nirenireny niala teo.6

Angamba nanomboka nisalasala ny amin’ilay hazo ho tsy tena mahafinaritra toy ny nieritreretany azy tamin’ny voalohany izy ireo. Angamba nanomboka nanontany tena momba ny zava-misy nanoloana ny zavatra niainany izy ireo.

Mety nieritreritra angamba izy ireo hoe raha miala amin’ilay hazo izy ireo dia mety ho mora kokoa ny fiainana. Mety tsy te ho afa-baraka sy ihomehezana intsony angamba izy ireo.

Ary eny tokoa, ireo olona izay naneso azy ireo dia toa ravoravo sy mahazo fahafinaretana. Koa angamba raha miala amin’ilay hazo izy ireo dia horaisin’ilay vondron’olona ao amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka ary hotehafina noho ny fahaizany mitsara sy ny faharanitan-tsainy ary ny fahatsarany.

Mijanòna amin’ilay lalana

Ry ranabavy malala, ry namana malala, raha hitanareo fa sarotra ny mifikitra amin’ilay anja-by sy ny mandeha tsy voahozongozona mankany amin’ny fanavotana; raha mahatonga anareo hisalasala ny fihomehezana sy ny fanalam-baraka izay toa feno fatokiana ataon’ny hafa; raha sahirana amin’ny fanontaniana tsy voavaly na fotopampianarana mbola tsy azonareo ianareo; raha mahatsapa malahelo ianareo noho ny fahadisoam-panantenana, dia manainga anareo aho mba hahatsiaro ny nofin’i Lehia.

Mijanòna amin’ilay lalana!

Aza avotsotra mihitsy ilay anja-by, izany hoe ny tenin’ Andriamanitra!

Ary rehefa misy olona manandrana manao izay hahamenatra anareo noho ny fandraisanareo ny fitiavan’ Andriamanitra, dia aza raharahiana izy ireo.

Aza hadinoana mihitsy fa zanak’ Andriamanitra ianareo, soa no aidiny; raha mianatra manao ny sitrapony ianareo dia hihaona Aminy indray!7

Ny fampanantenana fiderana sy fanekena ataon’izao tontolo izao dia tsy azo antoka sy tsy marina ary tsy mahafapo. Ny fampanantenan’ Andriamanitra dia azo antoka, marina ary mahafapo, ankehitriny ary mandrakizay.

Manasa anareo aho hijery ny fivavahana sy ny finoana amin’ny fomba fijery ambony kokoa. Tsy misy zavatra ao amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka izay afaka mitaha amin’ny vokatry ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Eny tokoa, “izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’izay tia Azy.”8

Nianatra manokana aho fa ny lalan’ny maha-mpianatra ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no lalan’ny fifaliana. Izany no lalan’ny fiarovana sy fiadanana. Izany no lalan’ny fahamarinana.

Mijoro ho vavolombelona aho fa amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoana sy ny herin’ny Fanahy Masina dia afaka mianatra izany manokana koa ianareo.

Mandritra izany, raha toa ka lasa sarotra aminareo ilay lalana, dia manantena aho fa hahita fialofana sy hery ianareo ao amin’ireo vondrona mahatalanjona misy ato amin’ny Fiangonana, dia ny Kilonga sy ny Zatovovavy ary ny Fikambanana Ifanampiana. Tahaka ny fanoroan-dalana eny amin’ny lalana izy ireny, izay toerana ahafahanareo manavao ny fatokianareo sy ny finoanareo ny lalana mbola hodiavinareo. Toerana azo antoka izy ireny, izay ahafahanareo mahatsapa fiombonana sy mandray fankaherezana avy amin’ireo rahavavinareo sy ireo mpianatra namanareo.

Ny zavatra ianaranareo any amin’ny Kilonga dia manomana anareo amin’ireo fahamarinana fanampiny hianaranareo rehefa zatovovavy. Ny lalan’ny maha-mpianatra izay arahinareo ao amin’ireo kilasin’ny Zatovovavy dia mitarika amin’ilay fiaraha-miombona sy ilay hoe mifampisakaiza ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Ao anatin’ny dingana tsirairay ao amin’ilay lalana dia omena fahafahana fanampiny ianareo haneho ny fitiavanareo ny hafa amin’ny alalan’ny asa feno finoana, fangorahana, fiantrana, hatsaran-toetra ary fanompoana.

Ny fisafidianana io lalan’ny maha-mpianatra io dia hitarika mankany amin’ny fahasambarana tsy hay lazaina sy ny fahatanterahana ny toetranareo araka an’ Andriamanitra.

Tsy ho mora izany. Hitaky ny tsara indrindra avy aminareo izany, dia ny faharanitan-tsainareo, ny fahaizanareo mamorona, ny finoanareo, ny tsy fivadihanareo, ny herinareo, ny fahavononanareo ary ny fitiavanareo. Fa indray andro dia hitodika any aoriana ianareo hijery ny ezaka vitanareo ary ho feno fankasitrahana tokoa fa nijanona ho matanjaka, nino, ary tsy niala tamin’ilay lalana.

Mandrosoa hatrany

Mety hisy zavatra maro eo amin’ny fiainana izay tsy voafehintsika. Saingy amin’ny farany, dia manana ny hery hisafidianana ny toerana halehanareo sy ireo zavatra iainanareo ianareo eo amin’ilay lalana. Tsy ny fahafahanareo manao zavatra loatra no mampisy fiovana eo amin’ny fiainanareo fa ireo safidy ataonareo.9

Aza avela hahatonga anareo ho malahelo ny zavatra mitranga aminareo.

Aza avela hahatonga anareo ho tezitra izany.

Afaka mifaly ianareo fa zanak’ Andriamanitra. Afaka mahita fifaliana sy fahasambarana ianareo ao amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ao amin’ny fitiavan’i Jesoa Kristy.

Afaka ny ho faly ianareo.

Mamporisika anareo aho mba hameno ny fonareo amin’ny fankasitrahana noho ny hatsaran’ Andriamanitra izay betsaka sy tsy misy fetra. Ry ranabaviko malala, vitanareo izany! Mivavaka amin’ny fitiavan’ny fanahiko rehetra aho mba hisafidiananareo ny handroso hatrany mankany amin’ilay hazon’aina. Mivavaka aho ny mba hisafidiananareo ny hanandratra ny feonareo ka hanao ny fiainanareo ho hira fiderana be voninahitra, mifaly amin’izay hoentin’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ireo fahagagana entin’ny Fiangonany ary ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho an’izao tontolo izao.

Mety ho hitan’ny sasany ho tsy mampahazo aina na mavesatra loatra ny hiran’ny tena maha-mpianatra. Toy izany foana hatrany am-piandohan’ny fotoana.

Saingy amin’ny Raintsika any An-danitra sy ho an’ireo izay tia sy manaja Azy, dia izany no tena sarobidy sy mahafinaritra indrindra, ilay hiran’ny fitiavana manavotra sy ny fanompoana an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona izay tena tsara sy manamasina.10

Apetrako aminareo ny tsodranoko amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo ahy, fa hahita hery sy risimpo ianareo handrosoana amim-pifaliana amin’ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra anareo rehefa mandeha isan’andro eo amin’ilay lalana be voninahitry ny maha-mpianatra ianareo. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.