2017
Ireo fivoriana isaky ny alahady faharoa, sy fahatelo
November 2017


Ireo fivoriana isaky ny alahady faharoa, sy fahatelo

Isaky ny alahady faharoa sy fahatelo ny volana, ny Kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana dia mandalina ny fampianaran’ireo mpaminany sy Apôstôly velona, ary ireo mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana izay nalaina avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra. Azo resahina daholo izay mety ho hafatra avy amin’ny fihaonambe farany indrindra.

Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia ny fiadidian’ny kôlejy, na ny mpitarika ny vondrona, na ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana no hifidy hafatra avy amin’ny fihaonambe mba hohalalinina miainga avy amin’ny zavatra ilain’ireo mpikambana, na dia afaka manome sosokevitra aza ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Ny mpitarika dia afaka mifidy hafatra iray mifandray amin’ny lohahevitra noresahina tao amin’ny fivorian’ny filankevitra isaky ny alahady voalohany, na afaka mifidy hafatra hafa miainga avy amin’ny fitarihan’ny Fanahy izy ireo. Ny mpitarika sy ny mpampianatra dia tokony hitady fomba hamporisihana ny mpikambana hamaky mialoha ireo hafatra voafidy ka ho tonga hanatrika ny fotoam-pianarana sady vonona ny hizara hevi-baovao azony. Ireo asa hoenti-mianatra naroso etsy ambany, izay mifototra amin’ireo fitsipika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, dia afaka manampy ny mpikambana hanolo-tena hianatra avy amin’ireo hafatra tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Sharon Eubank, “Areheto ny fahazavanareo

Angataho ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana misy anao mba hieritreritra ny fomba nitarihan’ny vehivavy marina sy mahatoky iray ny fiainan’izy ireo ho amin’ny tsara. Manasà mpikambana vitsivitsy hizara ny fomba hanehoan’io vehivavy io ny iray na ny maromaro amin’ireo toetoetra ananan’ny vehivavy marina voalaza ao amin’ny hafatry ny Rahavavy Eubank. Inona no ianarantsika avy amin’ny Rahavavy Eubank mikasika ny fomba hahafahantsika ho tonga “hery manan-danja amin’ny fitomboan’ny Fiangonana arak’isa sy ara-panahy amin’ny andro farany”?

Neill F. Marriott, “Mitoetra ao amin’ Andriamanitra sy manamboatra izay rava

Io hafatra io dia afaka manampy ireo mpikambana izay mety mahatsapa ho tafasaraka amin’ny Ray any An-danitra na amin’ireo olona manodidina azy. Inona no hanampy an’ireo olona ampianarinao hahatakatra ny atao hoe zavatra rava na tapaka? Azonao atao angamba ny mitondra sary maneho karazana zavatra tapaka na rava. Ahoana no namaritan’ny Rahavavy Marriott ny zavatra rava na tapaka iray? Inona no mety hiteraka faharavana na fahatapahana eo amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy ny hafa? Asao ny mpikambana hanadihady ny hafatry ny Rahavavy Marriott mba hitadiavana sosokevitra momba ny zavatra azontsika atao hanamboarana ireo zavatra rava eo amin’ny fiainantsika. Omeo fotoana ny mpikambana hanoratana ny zavatra bitsihin’ny Fanahy Masina aminy fa tokony hataony mba hanakaikezana an’ Andriamanitra sy ny hafa.

Joy D. Jones, “Fananana lanja tsy hay refesina

Inona avy ireo fitahiana mitosaka eo amin’ny fiainantsika rehefa mahatakatra ny toetra maha-andriamanitra antsika isika? Mba hamaliana io fanontaniana io, dia afaka miara-mijery ny tantaran’i Mariama sy i Renu ary i Taiana ao amin’ny hafatry ny Rahavavy Jones ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana misy anao. Inona no torohevitra nomen’ny Rahavavy Jones mba hanampiana antsika “hahatsiahy sy hanaiky ny toetrantsika amin’ny maha-andriamanitra”? Asao ny mpikambana hitady sy hiresadresaka andinin-tsoratra masina iray na teny nindramina tao amin’ny hafatry ny Rahavavy Jones izay manampy azy ireo hahatakatra ny tena lanjan’izy ireo marina eo anatrehan’ Andriamanitra. Asao izy ireo hizara ny iray amin’ireto soratra masina na teny nindramina ireto amin’ny olona iray izay mila ampahatsiahivina ny lanjany masina.

Dieter F. Uchtdorf, “Telo mirahavavy

Fomba iray hamerenana mijery ny hafatry ny Filoha Uchtdorf ny fizarana ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana ho vondrona kely maromaro. Azonao omena andraikitra ny vondrona tsirairay hamaky ny tantaran’ny iray amin’ireo rahavavy ao amin’ny hafatry ny Filoha Uchtdorf. Ny vondrona tsirairay dia afaka manoratra taratasy ho an’izany rahavavy izany, izay mamintina ny toroheviny ary mizara ny zavatra nosoratany amin’ireo vondrona hafa. Inona no azontsika atao mba hitovy bebe kokoa amin’ilay rahavavy fahatelo? Ahoana no hahafahantsika manao izay hahatonga ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana ho “fialofana” ho an’ireo izay miady mafy?

Dieter F. Uchtdorf, “Manin-te hody

Ahoana no ahafahanao manampy ireo olona ampianarinao hahafantatra ny fomba hampiasan’ Andriamanitra azy ireo mba hitahiana ny hafa? Azonao atao ny manasa azy ireo hijery ny fizarana ao amin’ny hafatry ny Filoha Uchtdorf mitondra ny lohateny hoe “Hampiasa anao Andriamanitra”, mba hitady ireo fampanantenana natao tamin’ireo izay miezaka manompo ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra na dia eo aza ny fahalemeny. Ny famakiana io hafatra io dia mety hampahatsiahy ihany koa an’ireo mpikambana ny zavatra niainana azon’izy ireo zaraina, izay nampiasan’ Andriamanitra azy ireo hitahy ny hafa, na rehefa nampiasa ny olona hafa hitahy azy ireo Izy. Omeo fotoana ny mpikambana hisaintsainana ny zavatra tsapany fa hanentanan’ny Fanahy azy mba hataony noho ity fifanakalozan-kevitra ity.

Bonnie L. Oscarson, “Ireo filana fanampiana eo anoloantsika

Fomba iray hanombohana ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny hafatry ny Rahavavy Oscarson ny fanomezana taratasy kely ny olona rehetra, izay ahitana soratra hoe “Iza no mila ahy androany?” eny amin’ny farany ambony. Afaka maka minitra vitsivitsy ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana ifanampiana na ny kôlejy misy anao mba hisaintsainana sy hihainoana ny valin’io fanontaniana io. Dia afaka manadihady ny hafatry ny Rahavavy Oscarson izy ireo avy eo mba hikarohana hevitra mikasika ny fomba hanompoan’izy ireo ireo olona ao anatin’ny lisitra nataony, na mampiditra anarana hafa araka ny fitaomam-panahy azony. Angamba afaka mizara ny zavatra nianarany ny olona vitsivitsy.

Dallin H. Oaks, “Ilay drafitra sy ilay fanambarana

Inona no ho ataon’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy, na ny vondrona, na ny Fikambanana Ifanampiana misy anao mba hamaliana ny fanasan’ny Loholona Oaks mba “[hampianatra sy hanana] fiainana mifanaraka” amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana ao an-tokantrano, sy eo amin’ny fiaraha-monina ary any ao am-piangonana? Asao izy ireo mba hifampizara hevitra. Mety hanampy ihany koa ny fanadihadiana ilay hafatra mba hitadiavana filazana fotopampianarana vitsivitsy avy ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana. Ahoana no hanampian’ireo fehezan-teny ireo antsika amin’ny fihetsika asehontsika manoloana “ireo olana mihatra amin’ny fianakaviana ankehitriny”? Ny fizarana IV ao amin’ny hafatra avy amin’ny Loholona Oaks dia ahitana ohatra vitsivitsy amin’ireo fehezan-teny ireo.

D. Todd Christofferson, “Ilay mofo velona izay nidina avy tany an-danitra

Ireto misy fanontaniana vitsivitsy izay mety eritreretin’ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejy rehefa mamaky ny hafatra avy amin’ny Loholona Christofferson izy ireo: Inona no atao hoe fahamasinana? Ahoana no hikatsahantsika ny fahamasinana? Ahoana no hanampian’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo antsika amin’ny ezaka ataontsika? Afaka mizara teny izay manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana ireo avy amin’ny hafatry ny Loholona Christofferson ireo mpikambana. Ahoana no hifanampiantsika amin’ny maha-”Olomasina mpiara-belona” antsika amin’ny ezaka ataontsika mba ho masina kokoa?

Jeffrey R. Holland, “Aoka ho tanteraka ianareo, amin’ny farany

Ny sasany amin’ireo olona ampianarinao dia mety hahatsapa fa tsy hain’izy ireo izany hoe miaina ny fampianaran’ny Mpamonjy izany. Inona no ampianarin’ny Loholona Holland ka afaka mampionona sy mankahery ireo izay mety manana izany fahatsapana izany? Afaka manasa ny mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana na ny kôlejy ianao mba hitady zavatra ao amin’io hafatra io, izay mety hozarain’izy ireo amin’ny olona iray izay sahirana mafy ka tsy mety mahatsapa fa “tsara” izy. Na azon’izy ireo atao ny mitady zavatra iray manentana ny fanahin’izy ireo ao amin’ilay hafatra mba hahatsapa “fitiavana sy fiderana lehibe kokoa [an’i Kristy] ary faniriana bebe kokoa ny ho lasa tahaka Azy.”

Gary E. Stevenson, “Fanakona-masoandro ara-panahy

Efa nisy nahita fanakona-masoandro ve ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana misy anao? Raha efa nisy, dia azonao asaina ny iray amin’izy ireo hanazava ilay fifanahafana nozarain’ny Loholona Stevenson momba ny “fanakona-masoandro ara-panahy.” Inona ireo sakantsakana afaka “hanakana ny halehibe sy ny famirapiratana ary ny hafanana entin’ny fahazavan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany”? Ahoana no fomba ahafahan’ny tambazotra ifaneraserana manao izay tsy hifantohantsika amin’ny “ny hatsarana sy ny hafanana ary ny hazavana masin’ny filazantsara”? Ahoana no fomba hanaovantsika ny “solomason’ny filazantsara” izay miaro antsika amin’ny fahajambana ara-panahy? Inona no ampianarin’ny fifanahafana nataon’ny Loholona Stevenson antsika momba ny fitazonana fomba fijery araka ny filazantsara?

Quentin L. Cook, “Ireo zavatra iainana mahazatra any amin’ny mandrakizay

Ny hafatry ny Loholona Cook dia mampahatsiahy antsika ny maha-zava-dehibe ny fiezahana hanetry tena amin’ny fomba isan-karazany. Fomba iray hifanakalozana hevitra momba ny zavatra ampianariny ny fizarana ireo mpikambana ao anaty vondrona roa. Angataho ny vondrona iray hitady ireo sosokevitra ao amin’ny hafatry ny Loholona Cook izay mety hanampy antsika hampitombo fanetrentena, ary ilay vondrona iray hafa hitady ireo fomba hanehoan’ny olona ny fieboeboana. Asao ny vondrona tsirairay hizara amin’ilay vondrona iray hafa ny famaritana hitany. Ny mpikambana dia afaka mizara ihany koa ireo fomba azon’izy ireo hanehoana “fanetrentena isan’andro” bebe kokoa eo amin’ny fiainany sy mieritreritra ny fomba mety hanampian’io fanentrentena io azy ireo hiomana hihaona amin’ Andriamanitra.

Ronald A. Rasband, “Amin’ny alalan’ny drafitra masina

Mba hamporisihana ny fifanakalozan-kevitra momba ny hafatry ny Loholona Rasband, dia mety hanampy ny manasa mpikambana vitsivitsy hitondra “patron” hoenti-manjaitra, rafi-trano, na fomba fandrahoan-tsakafo ary hiresaka mikasika ny hoe nahoana izy ireo no manampy. Inona ny ohatra na fampianarana avy amin’ny hafatry ny Loholona Rasband izay manentana ny fanahin’ny mpikambana hiaiky ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fiainan’izy ireo? Angamba ny mpianatra mety afaka hizara zavatra niainana izay nahitan’izy ireo fa nitarika ny fiainan’izy ireo ny Tompo. Inona ny zavatra nataon’izy ireo mba hanehoana amin’ Andriamanitra fa “ankamamian’”izy ireo ny fitarihany? Nahoana no zava-dehibe ny miaiky ny “drafitra masin’” Andriamanitra?

Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?

Nanasa ny mpikambana ny Filoha Nelson mba hieritreritra fanontaniana telo: (1) “Hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna?” (2) “Inona ny zavatra tsy ho fantatrao?” (3) “Inona ny zavatra tsy ho nanananao?” Asao ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy, na vondrona, na Fikambanana Ifanampiana misy anao hisaintsaina ireo fanontaniana ireo sy hizara ny fomba hamalian’izy ireo izany. Inona no hitan’izy ireo ao amin’io hafatra io ka mitaona azy ireo hanisy lanja ny Bokin’i Môrmôna mihoatra ny “diamondra na ny vatosoa”?

Dale G. Renlund, “Ny fisoronana sy ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy

Ahoana no fomba hahafahanao manampy ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana misy anao hahatakatra ny fomba hanaovan’ny fisoronana izay hahafahan’izy ireo mahazo ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto lohateny roa ireto: “Ny antony ilantsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” sy “Ny fomba ‘hanomezan’ny’ fisoronana antsika ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana.” Dia asao avy eo ireo mpikambana hanadihady ny hafatry ny Loholona Renlund, mba hitady andian-teny hosoratana eo ambanin’ny lohateny tsirairay. Ahoana no hanampian’ny fisoronana sy ireo ôrdônansiny amin’ny fanatanterahana ny tanjon’ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany?

Dieter F. Uchtdorf, “Mpihazona fahazavana avy any an-danitra

Asao ny mpikambana hanadihady ny hafatry ny Filoha Uchtdorf ary hamantatra ny fiantraikan’ny fisiana na ny tsy fisian’ny fahazavana avy any an-danitra eo amin’ny fiainantsika. Azonao atao ny manasa ny mpikambana handalina ny sasany amin’ireo soratra masina izay noresahan’ny Filoha Uchtdorf ary hitady ireo fahamarinana mifandray amin’ny fahazavana ara-panahy. Inona ny zavatra ampianarin’ilay fanoharana momba ny fanakona-masoandro antsika momba ny anjara asan’ny fahafahana misafidy amin’ny fikatsahana fahazavana ara-panahy? Inona no azontsika atao mba hizarana ny fahazavana masina ananan’i Jesoa Kristy amin’ny hafa?

Henry B. Eyring, “Mitarika ny Fiangonany ny Tompo

Asao ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na ny Fikambanana Ifanampiana misy anao mba hizara zavatra niainana, izay nilan’izy ireo nampitombo finoana fa avy amin’ Andriamanitra ny antson’izy ireo na ny antson’ny hafa. Ahoana no nampiharan’izy ireo ny finoany? Ahoana no nahatonga azy ireo hahafantatra fa avy amin’ Andriamanitra ilay antso? Asao ny mpikambana hanadihady ny hafatry ny Filoha Eyring dia hitady ireo fahamarinana izay nianarany avy amin’ny zavatra niainany manokana, izay afaka manampy antsika hatoky sy hanam-paharetana amin’ny tenantsika sy ireo olona hafa izay nantsoin’ny Tompo.

Jean B. Bingham, “Ka ho tanteraka ny fifalianareo

Ny hafatry ny Rahavavy Bingham dia afaka manampy ny mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana na ny kôlejy misy anao hahatakatra ny fomba hahitana fifaliana, na dia eo aza ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana, rehefa manatona an’i Kristy isika. Mety ho fomba iray azo hiresahana ny hafatra avy aminy ny manao sarina lalana iray eo amin’ny solaitrabe, izay mitondra mankany amin’ny teny hoe fifaliana. Manasà mpikambana maromaro hanoratra eo sosokevitra iray avy amin’ny hafatry ny Rahavavy Bingham eo amin’ilay lalana, izay mitondra mankany amin’ny fifaliana marina. Amporisiho ny mpikambana hieritreritra ireo fomba hahafahan’izy ireo mampihatra ny torohevitry ny Rahavavy Bingham. Manasà mpikambana maromaro hizara ny heviny.

David A. Bednar, “Fampanantenana sady soa no lehibe indrindra

Mba hanampiana ny mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejy misy anao hifanakalo hevitra momba ny hafatry ny Loholona Bednar dia azonao asiana sary eo amin’ny solaitrabe mba hanehoana ny Sabata, ny tempoly, ary ny tokantranontsika. Asao ny mpikambana hamaky ny fizarana mifandraika amin’izany ao amin’ny hafatry ny Loholona Bednar dia soraty eo amin’ny solaitrabe ny fomba hanampian’ny Sabata, ny tempoly, ary ny tokantranontsika antsika hifantoka amin’ireo fampanantenana nataon’ Andriamanitra tamintsika. Inona avy ireo zavatra eo amin’ny fiainantsika izay mety hanintona ny fifantohantsika hiala amin’ireo fampanantenana ireo? Inona ireo dingana azontsika atao mba hakana antoka fa mahatsiaro azy ireny isika?

Henry B. Eyring, “Aza matahotra ny hanao soa

Ny hafatry ny Filoha Eyring dia afaka manampy an’ireo olona ampianarinao hahazo ny herim-po sy ny finoana hanaovana ny tsara eto amin’izao tontolo izao. Afaka manasa mpikambana vitsivitsy ianao hamintina ireo ohatra nasehon’ny olona mahatoky izay nozarain’ny Filoha Eyring. Inona no ampianarin’ireo ohatra ireo antsika mikasika ny fomba hanompoana ny hafa? Inona no sosokevitra aroson’ireo ohatra ireo mikasika ny fomba azontsika hanompoana amin’ny maha-kôlejy na Fikambanana Ifanampiana antsika?

Fomba iray hafa azo hiresahana io hafatra io ny mamerina mijery ireo fitahiana izay hitan’ny Filoha Eyring avy amin’ny torohevitra nomen’ny Filoha Thomas S. Monson mba handalina ny Bokin’i Môrmôna. Inona avy ireo fitahiana hitanao avy amin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna?

M. Russell Ballard, “Mbola mitohy ny diabe!

Mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitra momba ny hafatry ny Loholona Ballard, dia afaka manasa olona ianao hizara zavatra niainana izay nananany tanjona ho any amin’ny toerana iray, saingy nahafantatra izy ireo avy eo fa diso lalana. Inona no hifandraisan’ny ohatra tahaka izany amin’ny “diabe” ataontsika manokana hiverina any amin’ny Ray any An-danitra? Aorian’izay ireo mpikambana dia afaka mitady torohevitra sy fampitandremana nomen’ny Loholona Ballard, izay afaka manampy antsika hahafantatra raha toa isika ka mandeha any amin’ny lalana tena tokony alehantsika eo amin’ny fiainantsika. Omeo fotoana ny mpikambana hisaintsaina ny lalan’izy ireo manokana sy hiresaka ireo fomba azontsika hanampiana sy hampaherezana ny hafa amin’ny “diabe” ataon’izy ireo hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra.

Neil L. Andersen, “Ny feon’ny Tompo

Angamba ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana na ny Kôlejy misy anao dia afaka mizara zavatra niainana izay nahatsapany fa ny hafatra iray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia nanan-danja manokana ho azy ireo. Nahoana no nanan-danja ireo hafatra ireo? Inona no zavatra ampianarin’ny Loholona Andersen mikasika ny maha-manan-danja ny hafatry ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sy ny ezaka ary ny dingana atao ao anatin’izany mba hanomanana azy ireny? Tokony ho maika toy ny ahoana isika amin’ny fandalinana sy ny fankatoavana ireo teny ireo rehefa mahafantatra izany? Manaova lisitr’ireo fanasana avy amin’ny fihaonambe farany indrindra. Inona no nataontsika mba hamaliana ireo fanasana ireo?