2017
Manompo manerana an’izao tontolo izao ireo mpaminany sy apôstôly
November 2017


Manompo manerana an’izao tontolo izao ireo mpaminany sy apôstôly

Ireo mpaminany sy apôstôly dia nantsoina mba ho “vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao” (F&F 107:23). Ireto ny sasany amin’ireo asa nataon’izy ireo nanomboka tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny volana aprily:

Nankalaza mangina ny faha-90 taonany tany Utah, Etazonia, tamin’ny 21 aogositra ny Filoha Thomas S. Monson. Naveriny indray ny firarian-tsoa nataony tamin’ny fankalazana ny tsingerintaona nahaterahany teo aloha hoe, ny fanomezana tsara indrindra ho azy dia ny “fitadiavan’ny [olona] olona mandalo fotoan-tsarotra na marary na irery dia manao zavatra ho azy ireo.”

Nitokana trano tao Temple View, izay tobim-pianarana teo aloha an’ny Sekoly Ambonin’ny Fiangonana ao Nouvelle Zélande ny Filoha Henry B. Eyring tany Hamilton, Nouvelle Zélande. Taorian’ny rivo-doza Irma, dia nitsidika an’i Porto Rico, Saint Thomas, sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Fiangonana izay nanampy tamin’ny asa fanadiovana tany Floride, Etazonia izy.

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nitsidika an’i Texas, Etazonia, ary nahita ireo ekipan’ny Olomasin’ny Andro Farany izay niara-niasa tamin’ireo mpifanolobodirindrina tamin’izy ireo taorian’ny rivo-doza Harvey, ka nilaza izy fa ny toe-tsaina hoe “manampy-araka-izay-vitako” dia fahita mahazatra eo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany manerana an’izao tontolo izao.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanolotra boky misy tantaram-pianakaviana ho an’ny governoran’i Nebraska, Etazonia, sy namangy ireo mpitarika sy ireo misiônera tany New York, Etazonia, ary nilaza tamin’ireo mpianatra institiota tany Utah fa ny Baiboly dia “feno faminaniana momba … ny Famerenana amin’ny laoniny.”

Rehefa avy namangy ireo mpikambana tany Japon sy Corée ny Loholona Dallin H. Oaks dia nilaza hoe: “Mieritreritra ny zanany ny Tompo. Fantany ny zavatra iainan’izy ireo sy ny olan’izy ireo ary malemy fanahy Izy ao amin’ny fitiavany.” Namaly fanontaniana avy tamin’ireo zatovo tamin’ny alalan’ny fandaharana Tafasiry mivantana tany Corée izy. Nihaona tamin’ny minisitra misahana ny lalao Ôlimpika amin’ny taona 2020 hatao any Tokyo izy. Ary noho ny fangatahan’ny Filoham-pirenen’i Pérou, dia nisy ny fihaonana izay nandraisan’ny Loholona Oaks fisaorana avy amin’ny filoham-pirenena noho ny fanampian’ny Fiangonana nandritra ireo tondra-drano.

Tany Utah, dia namporisika ireo tanora tokan-tena ny Loholona Ballard mba hanaja ny Sabata ho toy ny “fotoana mahafinaritra sy lehibe” ary mba handalina ireo fitsipika sy fotopampianarana fototra an’ny Fiangonana. Nilaza tamin’ireo mpiasa tao amin’ny tempoly izy fa ny tempoly naorina amin’izao fotoana izao dia hampiasaina koa mandritra ny Arivotaona. Niaraka nitsidika an’i Texas tamin’ny Loholona Ronald A. Rasband izy mba hankahery an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo nanadio ireo zavatra noravaravain’ny rivo-doza sy ny tondra-drano.

Ny Loholona Robert D. Hales dia nandray ny mari-pankasitrahana 2017 Pioneers of Progress President’s Award avy tamin’ny fikambanana iray misahana ny fiarahamonina tao Utah. “Ny fahafahana mifanampy sy mifampahery ary mifanamafy orina no toetra tena tsara indrindra ananan’ny mpisava lalana iray araka ny hevitro,” hoy izy.

Tany Russie sy Ukraine, dia nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland fa ny fiainana dia natao hiainana fitsapana, saingy ny filazantsara dia manolotra fomba fijery lavitra sy fanantenana ary fampaherezana. Nandritra ny fivoriana Second Windsor Conference mikasika ny fanenjehana ara-pinoana tany Angletera, dia nilaza izy fa ny finoana dia manampy olona maro mba ho tafavoaka amin’ilay toerana maha-mpitsoa-ponenana, dia hitondra anjara biriky eo amin’ny fiaraha-monina. Taorian’ilay fihaonambe dia nanolotra torohevitra ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana, sy ireo filohan’ny misiôna ary ireo misiônera tany Portugal sy Espagne izy.

Nitsidika firenena telo tany amin’ny faritra andrefan’i Afrika ny Loholona David A. Bednar izay mbola tsy novangin’ny Apôstôly teo aloha: Sénégal, izay nanolorany vavaka fanokanana; Guinée; ary Mali. Nihaona tamin’ireo mpikambana tany Nigéria sy Ghana koa izy. Nandritra ny fivoriana fampaherezam-panahy maneran-tany nampitaina avy tany Caroline du Nord, Etazonia, dia namporisika ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony izy mba ho toy ny “masom-by matanjaka” ao anatin’ilay rojom-pitohizan’ny fianakaviany mandrakizay.

Ny Loholona Quentin L. Cook dia nihaona tamin’ireo mpikambana sy misiônera tany Taiwan, Hong Kong, Inde, ary Thaïlande, ary nanamarika fa “feno fientanentanana ireo mpikambana raha mahakasika ny Fiangonana, ary mifantoka amin’ny tempoly sy ny asa fitoriana izy ireo.” Tany New Jersey, Etazonia, dia niresaka mikasika ny fahalalahana ara-pinoana izy nandritra ny seminera Seymour Institute Seminar. Hoy izy hoe: “Tokony hotohizintsika ny ezaka efa mandeha sy manan-danja ataontsika mba hampitomboana ny fahamendreham-pitondrantena sy mba hiarovana ireo fianakaviana.” Tany Californie, Etazonia, dia namporisika ireo mpikambana tao amin’ny fikambanan’ny mpitsara izy mba hihazona ny finoana sy ny fandanjalanjana eo amin’ny fiainan’izy ireo ary hiaro ny fahalalahana ara-pinoana.

Tany Équateur sy Colombie, ny Loholona D. Todd Christofferson dia nampianatra fa ny finoana ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia hampahery sy hanohana antsika. Tany Inde izy dia nanaiky nandray ny mari-pankasitrahana World Peace Prize tamin’ny anaran’ny Fiangonana ary nanolotra tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteny Nepaley ho an’ny filoham-pirenena sy ny filoha lefitr’i Népal ary ny sampana Kathmandu.

Volana maromaro talohan’ny rivo-doza sy ny tondra-drano dia nitsidika an’i Porto Rico, Haiti, ary ny Repoblika Dôminikana, ny Loholona Neil L. Andersen, ka niresaka mikasika ny fizakan-tena, ny fianarana, sy ny fiomanana handray ireo fitahiana avy amin’ny tempoly. Nandritra ilay fivoriana LDS Family Education Night tany amin’ny Oniversite Arizona State tany Arizona, Etazonia, dia namporisika ny Olomasin’ny Andro Farany izy mba “hanokatra ny varavarantsika, sy hamantatra ny finoan’ny hafa, [ary] hianatra bebe kokoa mikasika azy ireo.” Nanorina ny tsatòka faha-100 tany Philippines ny Loholona Andersen ary nanokana ny foibe fanofanana misiônera izay nitarina tany Manille.

Tany Afrika Atsimo sy ny Repoblika Demôkratikan’i Congo, ny Loholona Ronald A. Rasband dia nanamarika fa eo anatrehan’ireo tempoly telo am-perinasa any Afrika sy ireo dimy hafa eo an-dalam-pitsanganana na efa nambara, dia “manomana ny vahoaka Afrikanina ny Tompo mba handray ireo fitahiany rehetra.”

Ny Loholona Gary E. Stevenson dia nitsidika an’i Vanuatu, Australie, Nouvelle Zélande, Polynésie Française, ary ny Oniversite Brigham Young–Hawaï tany Hawaï, Etazonia. “Rehefa … mijery ireo olantsika amin’ny alalan’ireo veran-tsolomason’ny filazantsara isika, dia hahita valiny izay hitondra fifaliana sy haravoana ho antsika,” hoy izy. Nihaona tamin’ny filoham-pirenena sy ny praiministr’i Vanuatu izy ary ny arsevekan’i Papeete, Tahiti.

Nitsidika firenena dimy ny Loholona Dale G. Renlund tamin’ny volana jona: Guatemala, Costa Rica, El Salvador, Nicaragua, ary Honduras, ka nanangana ny tsatòka voalohany miteny ny fiteny Keksia tany Guatemala ary nandray anjara tamin’ny fivoriana momba ny fahalalahana ara-pinoana sy fihaonamben’ny zatovo. Tamin’ny volana aogositra izy sy Rahavavy Ruth L. Renlund vadiny dia nandray anjara tamin’ny fandaharana Tafasiry mivantana voalohany nampitaina avy tany Accra, Ghana, ary tamin’ny volana septambra dia namporisika an’ireo mpianatra tao amin’ny Oniversite Brigham Young–Idaho tany Idaho, Etazonia izy mba hiantehatra amin’ny fotopampianaran’i Kristy.