2017
Torolalana vaovao ho an’ny fivorian’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana
November 2017


Torolalana vaovao ho an’ny fivorian’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana

“Inona no hataoko raha tsy misy boky?” hoy ny eritreritr’i Nancy Feragen, mpampianatra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, rehefa namaky voalohany ny tahadikan’ny Avia, Hanaraka Ahy—Ho an’ny Fisoronana Melkizedeka sy Fikambanana Ifanampiana. Niaiky izy hoe: “Nikorontan-tsaina aho tamin’ny voalohany.” “Dia tonga tato amiko avy eo ilay eritreritra hoe: Tian’ny Tompo isika handray andraikitra bebe kokoa mikasika ny fianarantsika manokana sy hampiroborobo ny fiainam-panahintsika amin’ny maha-mpiray tampo antsika ao amin’ny filazantsara.”

“Somary mampatahotra ihany ny matoky ny Tompo sy tonga miaraka amin’ny fahavononana mba hitarika fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny fitaovana vitsy,” hoy i Linda Harmon, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, “kanefa raha vao manao ilay izy ianao, raha nanomana ny tenanao tamin’ny alalan’ny vavaka, ny fandalinana sy ny fandehanana tany amin’ny tempoly ary tamin’ny alalan’izay zavatra hafa tsapanao fa tokony hatao, dia tena mahavariana ilay izy.”

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Ny fanamby iray amin’ity fandaharam-pampianarana vaovao ity dia ny manao izay tsy hampianaran’ny olona—araka ny fomba taloha—hoy ny Eveka Boyd Roberts. “Mila mampitsahatra ny fizarana fampahalalana tsotra fotsiny isika, fa sokafy ny lalana dia avelao ny Fanahy hampianatra.”

“Fomba fampianarana vaovao anankiray izay mety ho sarotra amin’ny olona sasany ilay izy,” hoy i Lisa Smith, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana raha niresaka mikasika ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. “Izany no maha-zava-dehibe ny manaraka fomba fampianarana tsara sy mamporisika ny mpitarika mba hanatrika tsy tapaka ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra miaraka amin’ireo mpampianatra,” hoy izy.

Miomana sy Mampianatra

I David Mickelson, mpampianatra ny vondron’ny mpisorona avo dia nilaza fa ilay fehezan-teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:78 hoe “mampianara amin’ny fahazotoana” dia “misy ifandraisany amin’ny fiomanantsika mialoha sy ny fahafahantsika manaraka amim-pahazotoana ny Fanahy rehefa mampianatra. Rehefa mampianatra amim-pahazotoana isika dia hiaraka amintsika ny famindram-pon’ny Mpamonjy ary hampianarina amin’ny fomba lavorary kokoa isika. Mihevitra aho fa izany no fomba fampianarana lavorarin’ny Tompo. Ilay mpampianatra, izay mitarika ny fifanakalozan-kevitra, dia mila vonona ny ho ampianarin’ny Fanahy.”

I Adam Bushman, mpampianatra ao amin’ny kôlejin’ny loholona, dia nanomana lesona tamin’ny alalan’ny famakiana ilay lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana izay nofidina, dia nandinika ombam-bavaka izay hevitra tena manan-danja ho an’ny kôlejy. “Mba hanampiana ireo lehilahy hanana fotoana bebe kokoa hisaintsainana,” araka ny fanazavany, “dia misy email alefa mandritra ny herinandro izay milaza hoe—Ity ny lahateny hifanakalozantsika hevitra ka tianay ianareo mba handinika ireto fanontaniana ireto—.”

Miara-mifampizara hevitra sy miara-mianatra

“Tsy ho andraikitr’ireo mpitarika intsony ny alahady ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana,” hoy i Brooke Jensen, mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana. “Manana andraikitra mifono asa ny mpikambana tsirairay.”

Nahatsapa rahalahy Bushman fa nitondra fiovana ny fipetrahana miendrika faribolana. “Tiako ilay izy,” hoy izy. “Manova ny endriky ny fifampiresahana izany. Manova ny zavatra andrandrain’ny olona izany. Misy fandraisana anjara bebe kokoa amin’izao fotoana izao. Raha toa ka olona roa na telo no matetika mamaly fanontaniana dia misy olona vaovao maneho hevitra.”

Tamin’i Rebecca Siebach, izay rahavavy iray ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, naheno voalohany mikasika ilay zavatra vaovao ifantohana ao amin’ny filankevitra, dia tonga dia nieritreritra ireo namana izay lasa malaina izy. “Fantatro ny olan’izy ireo,” hoy izy. “Naborak’izy ireo tamiko ny tsy fahazoany aina sy ny fahasahiranany mankany am-piangonana, ary nieritreritra aho fa fotoana tena tsara hanoloran-tanana azy ireo izao ka hilazana hoe—Mila anareo izahay ao anatin’ny filankevitsika! Mba tongava mba hifampizara!—”

“Rehefa naneho ny hevitro aho tamin’ny farany nandritra ny fivorian’ny filankevitra,” hoy i Lona Marie Cook, mpanolotsaina iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana, “dia tena mahafinaritra ny mahita ny olona manamafy ny zavatra neritreretiko sy ny maha-mpikambana ny tena ao anatin’izany fiarahamonina izany.”

Mandray fanentanam-panahy sy mandray andraikitra eo anatrehan’izany

“Manorina tontolo mba hampianaran’ny Fanahy ary mba hahenoantsika sy hihainoantsika isika,” hoy ny Eveka Roberts. “Dia ny Fanahy no lasa mpampianatra, izay mampiseho amintsika ny zavatra tokony hataontsika eo amin’ny fiainantsika manokana sy eo amin’ny fianakaviantsika ary eo amin’ny antsontsika. Ny zavatra ataontsika vokatr’ireo bitsika ireo no mitondra antsika any amin’ny fiovam-po sy fanompoana marina.”

Hoy i Susan Farr, filohan’ny Fikambanana Ifampiana hoe: “Ity fomba ity dia manosika antsika mba hitsangana sy hanao zavatra, fa tsy handeha fotsiny rehefa vita ny lesona ka hieritreritra hoe—nanentana ny fanahy iny—nefa vetivety dia hadino izany. Ny fiarahana mizara hevitra dia manampy antsika hahita fa ny fianarana sy ny fanaovana asa dia andraikitsika rehetra, fa tsy ny mpampianatra irery.”

“Rehefa mirakitra ireo zavatra tsapantsika isika ary mandray andraikitra eo anatrehan’izany avy eo, dia mampihatra ny fiovan’ny fo isika ary lasa mpanompon’ny Tompo tsara kokoa,” hoy i Susan Mitchell, mpanolotsaina iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana.

“Ny fahafantarana fa ho tompon’andraikitra amina zavatra iray ianao ary hisy olona iray hanontany ny zavatra tsapanao,” hoy Rahavavy Smith, “dia mahatonga anao ho mpandray anjara miasa amin’ny fanorenana ny fijoroanao ho vavolombelona.”

I Landen Roundy, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo, dia nilaza fa ny fandefasana email misy tahirintsoratra momba ireo zavatra noresahina sy narafitra dia “manampy ny mpikambana hamantatra zavatra niainan’izy ireo nandritra ny herinandro izay mety tian’izy ireo hozaraina ny Alahady manaraka.”

Eveka Roberts dia nanampy zavatra “mikasika ireo tahirintsoratra ireo” hoe: “Nahita ny fitohizan’ny toe-tsaina mizara sy mianatra aho nandritra ny herinandro rehefa nifanakalo hevitra tamin’ny alalan’ny email mikasika ireo hevitra sy fahatsapana fanampiny ireo rahalahy ary nampatanjaka ny kôlejiny.”

“Tian’ny Tompo isika hampitodika ny fontsika eo amin’ny isika samy isika ary azo tanterahina izany rehefa mihaona miaraka amin’ny fananana tanjona isika,” hoy Rahavavy Siebach namarana. “Ity fandaharam-pampianarana vaovao ity dia manampy antsika hahita lohahevitra mahaliana, hametraka tanjona, hitady ilay loharano marina hahitana valim-panontaniana, hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana, ary hahazo fahazavan-tsaina amam-panahy avy amin’ny isika samy isika rehefa mitodika any amin’ireo mpaminany velona isika mba hahazo valim-panontaniana izay ilaintsika amin’izao androntsika izao.”