2017
Topimaso ao anatin’ny fivorian’ny filankevitra
November 2017


Topimaso ao anatin’ny fivorian’ny filankevitra

Alahady maraina ny andro, dia mipetraka manatrika filankevitra ireo rahavavy ao amin’ny paroasy Bugambilias any Guadalajara, Mexique. Taorian’ny hira fanokafana dia nanasa ny sasany tamin’izy ireo i Yara Ramirez filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hizara zavatra niainana avy tamin’ny leson’izy ireo tamin’ny herinandro lasa.

Rehefa avy nizara ny zavatra niainany nandritra ny minitra vitsy ireo rahavavy, dia nanoratra teny iray monja teny amin’ny solaitrabe Rahavavy Ramirez nialoha ny niverenany nipetraka tao anatin’ilay faribolana.

“Firaisan-kina,” hoy izany.

Nijery ny Môsià 18:21 izy ireo teo ambany fitarihan-drahavavy Ramirez ary namaky ny hoe, “… manana ny fony mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavan’izy samy izy.”

Nanontany izy hoe: “Inona no azontsika atao amin’ny maha-Fikambanana Ifanampiana antsika mba hampiharana izany soratra masina izany?”

Nieritreritra nandritra ny fotoana fohy ireo rahavavy. Nizara an’izao ny rahavavy iray: “Tsy afaka mankany amin’ny tempoly ny zatovo.” “Tsy ampy ireo rahavavy olon-dehibe miaraka amin’izy ireo.”

“Tsy manana hevitra aho,” hoy ny anankiray hafa izay nanana fijery gaga. Nanontany izy hoe: “Raha toa ka tsy fantatrao hoe misy filana fanampiana, dia ahoana no ahafahanao manampy?”

“Izany no antony maha-eto antsika,” hoy Rahavavy Ramirez namaly. “Misy filana fanampiana tahaka an’izany izay fantatro mandritra ny filankevitry ny paroasy ary azontsika rehetra ifanampiana.”

Nanoro hevitra ny olona iray hoe: “Maninona moa isika raha manao fandrindram-potoana?” Lasa liana bebe kokoa ilay vondrona tamin’izay. “Raha ny fahafantarako azy dia alakamisy iray isam-bolana no fotoana efa napetraka ho an’ny zatovo hankanesany any amin’ny tempoly.”

Niaiky ny renim-pianakaviana vao herotrerony iray hoe: “Na izaho aza dia sahirana mankany amin’ny tempoly.” “Efa ela aho no tsy tany ary mahatsapa ho somary tsy mieritreritra afa-tsy ny tenako. Te handeha sy hanompo aho,” hoy izy.

Olona maro hafa no nanetsika ny lohan’izy ireo ho fanekena izany. Izy ireo koa dia mahita fa sarotra ny mandeha any matetika araka ny fanirian’izy ireo.

Nandroso hevitra ny mba hifandimby hiandry ny ankizy ny renim-pianakaviana vao herotrerony iray, dia mifandimby mankany amin’ny tempoly izy ireo.

Dia nanomboka nifampanontany izay toerana ipetrahany ireo rahavavy sy hoe iza no mipetraka any akaikin’ny zatovo iza. Nifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’izy ireo mifandimby manampy ireo zatovo mba handeha hanatrika ny fiaraha-mientany izy ireo.

Nisy olona iray nilaza hoe: “Mila mifankahafantatra koa isika.” “Tokony hanao fiaraha-mientana isika!”

Nanohy naneho hevitra sy nanolotra torohevitra ary nametraka fanontaniana ireo rahavavy.

Tany amin’ny faran’ilay filankevitra dia nangataka ny mpitantsorany Rahavavy Ramirez mba hamintina ny zavatra voasoratra nandritra ny fivoriana. Nanontany izy hoe: “Inona no zavatra tsapanareo nandritra ilay filankevitra?”

Namaly izy ireo fa nahatsapa ho mahafantatra bebe kokoa ny zavatra ilain’ny olona rehetra, ary ilaina ny asa fanompoana ataon’izy ireo, ary eo anivon’ny namana izy ireo.

Nanontany izy hoe: “Raha mifototra amin’ny zavatra niainantsika androany dia inona avy ireo asa manokana tiantsika hifantohana amin’ity volana ity amin’ny maha-Fikambanana Ifanampiana antsika?”

Nanapa-kevitra izy ireo amin’ny maha-vondrona iray azy mba samy hitondra ny sakafony dia hiara-hisakafo tamin’io alahady io rehefa avy miangona, dia hanomboka hanao volleyball isaky ny alakamisy hariva, dia hanao fandrindram-potoana mba handeha ho any amin’ny tempoly, ary hanao drafitra mikasika ny fomba hanampiana ny zatovo mba handeha hanatrika ny fiaraha-mientany.

“Niaina firaisan-kina isika androany,” hoy Rahavavy Ramirez namarana, ary nanasa ny rahavavy tsirairay izy mba hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo manompo mandritra ny herinandro. “Hanohy hanome bitsika antsika ny Fanahy Masina rehefa mandray andraikitra manokana isika sy rehefa mandray andraikitra amin’ny maha-Fikambanana Ifanampiana antsika. Manasa anareo aho mba ho vonona ny hizara ireo zavatra niainanareo amin’ny alahady manaraka.”