2017
Inona no niova?
November 2017


Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana

Inona no niova?

Amin’izao andro farany izao dia naverin’ Andriamanitra tamin’ny laoniny ny fisoronana ary naoriny ny kôlejin’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampy amin’ny fanatanterahana ny asany (jereo ny Mosesy 1:39). Koa isaky ny alahady, rehefa mivondrona ao amin’ny fivorian’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana isika, dia mivory mba hifanakalo hevitra sy hanomana drafitra mikasika ny fomba hanatanterahantsika ny asany. Izany no antony tokony hampiavaka kokoa an’ireo fivoriana ireo amin’ny fotoam-pianarana fotsiny ihany. Ireo fivoriana ireo ihany koa dia fotoana hahafahana mifampizara hevitra mikasika ny asan’ny famonjena, miara-mianatra avy amin’ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba izany asa izany, ary mifandamina mba hanatanterahana izany. Ireo fiovana natao amin’ny fivoriantsika alahady ireo dia hanampy antsika hanatanteraka ireo tanjona ireo.

Fandaharam-potoana isam-bolana

Ny fivorian’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana isaky ny alahady dia hanaraka ity fandaharam-potoana isam-bolana ity:

Herinandro

Tanjona

Alahady voalohany

Mifampizara hevitra momba ireo andraikitra sy fahafahana ary olana misy eto an-toerana dia manao drafitra hanaovana asa

Alahady faharoa sy fahatelo

Mianatra ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany izay nofidin’ny fiadidiana na ireo mpitarika ny vondrona, na, indraindray, ny eveka na ny filohan’ny tsatòka

Alahady fahefatra

Miresaka lohahevitra iray manokana izay nofidin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Apôstôly Roambinifolo

Alahady fahadimy

Miresaka lohahevitra iray nofidin’ny episkôpà

Sary
Fivorian’ny filankevitry ny Fikambanana Ifanampiana

Lamina arahana amin’ireo fivoriantsika

Mandritra ny fivorian’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana tsirairay ataontsika dia manaraka lamina isika mba hanatanterahana ny asan’ Andriamanitra.

  1. Mizara zavatra niainana vokatry ny zavatra tsapa sy ny fanasana noraisina nandritra ireo fivorian’ny fisoronana na ny Fikambanana Ifanampiana teo aloha (izay tarihin’ny fiadidina iray na ny mpitarika ny vondrona).

  2. Manao filankevitra miaraka (alahady voalohany, tarihin’ny fiadidiana iray na ny mpitarika ny vondrona) na miara-mianatra (alahady faharoa, fahatelo ary fahefatra, tarihin’ny mpampianatra iray voantso).

  3. Manao drafitra hanaovana asa na miaraka na ataon’ny isam-batan’olona (tarihin’ny fiadidiana iray na ny mpitarika ny vondrona).