2017
Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-187
November 2017


Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-187

Andriamanitra ô! tahio ny mpaminany malalanay.

Ny fahasalamana sy ny fampaherezana anie,

Hitondra fifaliana ho an’ilay fony lehibe.

Ilay teniny mafonja anie, handona

Ireo fanahy notahinao re!

Mba hisafidy amim-pahamarinana tokoa,

Ilay anjara soa.

(“Dieu, veuille nous garder” Cantiques, no. 9, nohiraina nandritra ny fivoriana sabotsy maraina)

Nandritra ny 50 taona mahery izay dia nanana ny anjara toerany tao anatin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ireo tantara mampihetsi-pon’ny Filoha Thomas S. Monson sy ny fijoroany ho vavolombelona mahery vaika momba an’i Jesoa Kristy. Saingy noho ny faharefoan’ny fahasalamana, dia hita fa tsy afa-nanatrika ny fihaonambe ny Filoha Monson sy ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Tsy afa-nanatrika izy ireo kanefa tsy hadino.

Na dia nijery ny fihaonambe tany an-trano aza ny Filoha Monson ary na dia nodimandry tamim-piadanana tany amin’ny hopitaly fotoana fohy talohan’ny fivoriana farany aza ny Loholona Hales, dia tsy hoe tao an-tsaintsika fotsiny izy ireo rehefa nivavaka ho azy ireo isika, fa niharihary koa ny hery mitarika avy amin’izy ireo nandritra ireo lahateny.

Nindramin’ny mpandahateny mihoatra ny folo ireo teny nambaran’ny Filoha Monson, ka tafiditra tao anatin’izany ny Filoha Russell M. Nelson (jereo ny pejy 60), izay nitsonga ny fanasan’ny Filoha Monson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany “mba handalina sy hisaintsaina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro.”1

Ny Loholona Neil L. Andersen, izay mpandahateny farany (jereo ny pejy 122), dia nizara teny nomanin’ny Loholona Hales ho an’ny fihaonamben’ny Fiangonana saingy tsy afaka nizara izany izy. Nanoratra ny Loholona Hales hoe: “Rehefa misafidy ny hanana finoana isika, dia vonona ny hijoro eo anatrehan’Andriamanitra.” Azo antoka fa nisafidy ny finoana ny Loholona Hales.

Tsy teny amin’ny polipitra ny Filoha Monson sy ny Loholona Hales, izay tsy afa-nanatrika kanefa tsy azo lazaina hoe tsy tao tanteraka, satria nanana anjara asa manan-danja izy ireo teo amin’ny fanaovana izay haha-manan-danja ny fihaonambe ho an’ny olona maro.

Mivavaka mandrakariva ho anao izahay ry mpaminany malalanay.

Mba homen’Andriamanitra fampaherezana sy fifaliana ianao.

Na dia mikentronketrona aza ianao noho ny fandrosoan’ny taonanao.

Enga anie mbola hamirapiratra toy ny amin’izao fotoana izao ilay hazavana ao anaty ao.

Enga anie mbola hamirapiratra toy ny amin’izao fotoana izao ilay hazavana ao anaty ao.

(“We Ever Pray for Thee,” Hymns, no. 23, nohiraina nandritra ny fivoriamben’ny fisoronana maneran-tany)

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Ny herin’ny Bokin’i MôrmônaEnsign naLiahona, mey 2017, 87.