2017
Mifankatiava tahaka ny nitiavany antsika
November 2017


Mifankatiava tahaka ny nitiavany antsika

Rehefa manompo sy mamela ny hafa amin’ny tena fitiavana isika dia afaka ny ho sitrana sy hahazo hery mba handresy ny olantsika manokana.

Nandritra ilay Fanasana Farany dia nanome didy vaovao ny mpianany ny Mpamonjy nanao hoe:

“Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.

“Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”1

Nomena didy mba hanao zavatra misimisy kokoa, zavatra lehibe kokoa ary zavatra masina kokoa ny mpianatry ny Mpamonjy. Io didy sy fanasana vaovao io dia voafintina ao amin’ilay andian-teny manan-danja manao hoe “tahaka ny nitiavako anareo.”

Ny fitiavana dia fanaovan-javatra. Ny fitiavana dia fanompoana

“Ny fitiavana dia fahatsapana fanoloran-tena, fiahiana ary fankamamiana lalina. Ny ohatra lehibe indrindra amin’ny fitiavan’ Andriamanitra ireo zanany dia hita ao amin’ny sorompanavotana tsisy fetra nataon’ i Jesoa Kristy.”2 “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”3 “Toetra ananan’ny mpianatr’ i Jesoa Kristy ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona.”4

Taona maromaro lasa izay, rehefa feno 4 taona i Jose zafikelinay lahy zokiny indrindra, dia nilalao niaraka tamin’ny vadiko. Teo am-piarahan’izy ireo nihomehy sy nahazo fahafinaretana dia nanontany azy ilay zafikelinay hoe: “Bebe, tia ahy ve ianao?”

Novaliany izy hoe: “Eny, ry Jose, tena tiako ianao.”

Dia nametrahany fanontaniana iray hafa izy avy eo hoe: “Ahoana no ahafantaranao fa tia ahy ianao?”

Nohazavainy taminy ny fahatsapany ary nolazainy azy koa ny zavatra rehetra izay efa nataony sy izay mbola kasainy hatao aminy.

Avy eo dia nanontanian’ny vadiko an’i Jose ireo fanontaniana ireo miaraka amin’ity fanontaniana mampieritreritra lalina ity: “Ahoana no ahafantaranao fa tia ahy ianao?”

Tamin’ny valinteny tsy manan-tsiny saingy mahitsy izy no nilaza hoe: “Tiako ianao satria tsapako ato am-poko izany.” Ny toetra feno fitiavana an-drenibeny nananan’i Jose tamin’izay andro izay sy hatrizay dia maneho fa ny fitiavana dia fitambarana asa sy fahatsapana lalina.

Nanambara ny Mpanjaka Benjamina hoe: “Indro, lazaiko aminareo ireo zavatra ireo mba hahazoanareo mianatra fahendrena, mba hahazoanareo mianatra fa rehefa eo amin’ ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”5

Ao amin’izao tontolo ankehitriny izao izay ahitana fahoriana maro noho ny toe-javatra samihafa, dia tsara ary misy lanjany ny fandefasana hafatra misy émoticônes mampihomehy na ny manely sary mahafinaritra misy soratra hoe “Tiako ianao.” Saingy ny zavatra ilain’ny maro amintsika atao dia ny mamela ny findaintsika ary amin’ny alalan’ny herim-batantsika dia hanampy ny hafa izay tena mila fanampiana. Ny fitiavana tsisy fanompoana dia mitovy amin’ny finoana tsy arahin’asa, tena maty tokoa izany.

Ny fitiavana dia famelana

Ny fitiavana madion’i Kristy, izany hoe ny fiantrana,6 dia mitaona antsika tsy hanao zavatra sy hanao asa fanompoana fotsiny ihany fa mitaona antsika hanana ny hery hamelana ihany koa, na inona na inona zava-mitranga. Tiako ny hizara aminareo zavatra iray niainako izay nipaka tamin’ny fiainako ary nanova izany. Nanome lalana ahy hizara zavatra izay nitranga tamin’ny fianakaviany sivy taona mahery lasa izay i Ted sy i Sharon ray aman-drenin’i Cooper, izay manatrika eto anio. Hotantaraiko amin’ny fomba fijerin’i Ted, rain’i Cooper, azy ilay tantara:

Ny 21 aogositra 2008 no andro fidirana tany an-tsekoly, ary ny zokin’i Cooper lahy anankitelo: Ivan sy i Garett ary i Logan dia teo amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka niandry fa handeha fiara mpitatitra mpianatra. Teo ambonin’ny bisikiletany i Cooper, efa-taona tamin’izay. I Sharon vadiko dia nandeha an-tongotra.

Teny am-pitan’ny lalana ny vadiko ary niantso an’i Cooper tamin’ny fihetsika mba hiampita. Niaraka tamin’izay dia nisy fiara nivily moramora ankavia ary nahahitsaka an’i Cooper.

Naharay antso an-tariby avy tamin’ny mpiara-monina iray aho izay nilaza tamiko fa voadonan’ny fiara i Cooper. Nandeha fiara faingana nankeo amin’ilay fiantsonan’ny fiara aho hijery azy. Nitsirara teo amin’ny ahitra i Cooper, sahirana miaina, saingy tsy nahitana ratra teny ivelany.

Nandohalika teo akaikin’i Cooper aho ary nilaza teny fankaherezana toy ny hoe: “Tsy maninona io. Andraso kely fotsiny.” Tamin’izay fotoana izay dia nipoitra i Nathan, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo misy ahy, niaraka tamin’ny vadiny. Nanolo-kevitra ilay vadiny ny hanomezanay tsodranon’ny fisoronana an’i Cooper. Napetrakay teo ambony lohan’i Cooper ny tananay. Tsy tadidiko hoe inona no nolazaiko tao anatin’ilay tsodrano, saingy tsaroako tsara fa nisy olona nanodidina anay, ary tamin’izay fotoana izay no nahafantarako fa tsy ho tana ny ain’i Cooper.

Nentina helikôptera tany amin’ny hôpitaly i Cooper saingy nodimandry tokoa izy. Tsapako ny Ray any An-danitra nilaza tamiko fa tapitra ny fiandraiketako an’i Cooper eto an-tany fa efa eo ambany fikarakarany izy izao.

Afaka nanana fotoana niarahana tamin’i Cooper izahay tany amin’ny hôpitaly. Nanomana azy ny mpiasa tao mba hahafahanay mihazona azy sy hilaza hanao veloma azy ary namela anay handany fotoana betsaka indrindra hiarahana aminy, hihazonana azy, araka izay ilainay.

Teny an-dalana hody izaho sy ny vadiko izay tena nalahelo mafy dia nifampijery ary nanomboka niresaka momba ilay tovolahy nitondra ilay fiara nandona an’i Cooper. Tsy fantatray izy, na dia nipetraka tsy lavitra anay aza ary tao anatin’ny faritry ny paroasinay.

Tena sarotra ho anay ny andro nanaraka izay satria tena heniky ny alahelodaholo izahay rehetra. Nandohalika aho ary nanolotra ny vavaka faran’izay tamin-kitsimpo indrindra nataoko. Nangataka ny Ray any An-danitra aho tamin’ny anaran’ny Mpamonjy ahy mba hanala ny alahelo izay manenika ahy. Nataony izany.

Taorian’izay tamin’io andro io dia nanao izay hihaonanay tamin’ilay tovolahy nitondra ilay fiara sy ny ray aman-dreniny tao an-tranony ny mpanolotsaina iray tao amin’ny fiadidian’ny tsatòkanay. Niandry ny fahatongavan’ilay tovolahy sy ny ray aman-dreniny izaho sy i Sharon. Rehefa nisokatra ny varavarana dia sambany izahay no nihaona tamin’izy ireo. Nibitsibitsika tamiko ny evekako hoe: “Mankanesa eny aminy.” Namihina azy izaho sy i Sharon, niaraka nifamihina teo izahay. Niara-nitomany izahay nandritra ny fotoana izay toa lava be. Nolazainay izy fa ilay zavatra nitranga no atao hoe loza tsy nahy.

Mahagaga ahy sy i Sharon ny hoe toy izany ny fahatsapana nanananay sy ny hoe mbola tsapanay hatrany izany. Noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia afaka nanana ilay toetra lehibe izahay, ilay toetra tokony ho nasehonay, ilay hany toetra, ary afaka nitia io tovolahy io izahay.

Lasa tena akaiky azy sy ny fianakaviany izahay nandritra ireo taona maro. Nozarainy taminay ny fotoana tena sarobidy indrindra taminy teo amin’ny fiainany. Nandeha tany amin’ny tempoly niaraka taminy mihitsy izahay tamin’ny niomanany hanao asa fitoriana.7

Rahalahy sy ranabavy, fantatr’i Ted tsy misy fihambahambàna fa tia antsika ny Raintsika any An-danitra. Fantany fa ny fahafahana mamela ny hafa, sy ny fanamaivanana ny enta-mavesatry ny tenany amin’izany fomba izany, dia tena mahafinaritra sahala amin’ny avelan’ny hafa. Izany fahafinaretana izany dia tonga avy amin’ny fanarahana ny ohatr’ilay Ohatra lehibe. Nanambara momba ny Mpamonjy i Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna manao hoe: “Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ ny olony Izy.”8

Rahalahy sy ranabavy, izany ka tantara mahavariana momba ny tena fitiavana sy famelana. Isika koa tahaka izany dia afaka ny hahazo fifaliana sy fahasambarana rehefa manompo sy mamela ny hafa. I Georgy zafikelinay lahy hafa, dia matetika miteny hoe: “Karazana fianakaviana manao ahoana isika?” Dia valiany hoe: “Fianakaviana sambatra isika!”

Nanoro hevitra antsika ny Filoha Monson manao hoe: “Aoka isika handinika ny fiainantsika sy hanapa-kevitra ny hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy ka ho tsara fanahy sy hitia ary hiantra.”9

Fantatro fa tia antsika ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ary vonona ny hanampy antsika hanao zavatra izy ireo rehefa mifankatia tahaka ny nitiavany antsika isika. Ary fantatro fa rehefa manompo sy mamela ny hafa amin’ny tena fitiavana isika dia afaka ny ho sitrana sy hahazo hery mba handresy ny olantsika manokana. Ary ambarako izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.