2017
Loholona Patrick Kearon
November 2017


Loholona Patrick Kearon

Fiadidian’ny Fitopololahy

Sary
Elder Patrick Kearon

Fony Filohan’ny Vondrom-paritr’i Eorôpa ny Loholona Patrick Kearon dia nahita maso ny dia nataon’ny mpitsoa-ponenana miisa roa tapitrisa niainga tany Moyen-Orient izay ravaravan’ny ady nankany Eorôpa mba hahazo fiarovana tany Eorôpa. “Rehefa avy nijery ny mason’izy ireo sy nandre ny tantarany aho, na ny zavatra nampihorohoro nitsoahan’izy ireo izany na ny dia nampidi-doza nataony mba hahita fialofana, dia tsy ho izaho taloha velively intsony aho,” hoy izy. “Tena nanentana ny fanahy ny nanatri-maso ny zavatra nomen’ny mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany tamin-kalalahan-tanana mba hanampiana ireo olona tsirairay sy fianakaviana izay namoy zavatra maro tokoa ireo.”

Ny Loholona Kearon, izay notohanana ho Manampahefana Ambony tamin’ny 03 Aprily 2010, dia nantsoina ho ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy tamin’ny 01 aogositra 2017.

Teraka tany Carlisle, Cumberland, Angleterre, ny Loholona Kearon tamin’ny Jolay 1961. Zanak’i Paddy sy i Patricia Kearon. Satria nanompo tao amin’ny Tafika Ana habakabaky ny Mpanjaka Britanika ny rainy dia nianatra tany Moyen-Orient sy Royaume-Uni ny Loholona Kearon.

Rehefa nanadihady momba ny Fiangonana izy dia nahita soratra masina iray tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay manao hoe: “Misy ny olona mba hahazo fifaliana”(2 Nefia 2:25). “Nitoetra tao an-tsaiko io soratra masina io,” hoy ny Loholona Kearon. “Tao anatin’ireo olona nihaona tamiko no nahitako fa afaka ny hiroborobo be tokoa ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fanarahana ny torohevitry ny Mpamonjy mba ho feno fifaliana.” Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy ny andro nialoha ny Krismasin’ny taona 1987.

Nifankahita tamin’i Jennifer Carole Hulme izy tamin’izy nianatra tany Angletera tamin’ny alalan’ny Oniversite Brigham Young. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Oakland Californie izy ireo tamin’ny 1991 ary nipetraka tany Angeletera mandra-pahazoany an’ilay antso tamin’ny 2010. Manan-janaka efatra izy ireo.

Nipetraka sy niasa tany Royaume-Uni, Arabie Saoudite sy tany Etazonia izy ary niasa tany amina orinasa maro ka tao anatin’izany ny misahana ny fahasalamana, ny sakafo, ny fitaterana sy ny fiara, dia nitantana ny kabinetrany manokana mpanoro hevitra momba ny fifandraisana izy.

Nanompo tao anatin’ny antso maro tao amin’ny Fiangonana ny Loholona Kearon, ka tao anatin’izany dia efa mpitamboky mpanampy teo anivon’ny paroasy, filohan’ny zatovolahy teo anivon’ny paroasy, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, filohan’ny sampana, filohan’ny tsatòka ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.