2017
Loholona Juan A. Uceda
November 2017


Vaovaom-piangonana

Loholona Juan A. Uceda

Fiadidian’ny Fitopololahy

Sary
Elder Juan A. Uceda

Raha nihanika ny sisa tavela tamin’i Machu Picchu tany Pérou fony izy tovolahy misiônera ny Loholona Juan A. Uceda dia nigorisa tany ivelan’ilay lalan-tery. Nivavaka mba hahazo fanampiana izy rehefa namikitra tamim-pahakiviana tamin’ireo rantsan-kazo sasany ary nihantona tany amin’ny 610 m teo ambonin’ny renirano iray. Vao maraim-be tamin’izay andro izay ihany, dia nivavaka teo amin’ny molotro aho hoy izy, saingy “rehefa saika maty aho, dia nivavaka avy tamin’ny foko.” Raha iny efa saika hianjera iny izy dia nisy misiônera iray hafa nisintona azy tany amin’ny toerana azo antoka.

Anisan’ny iray tamin’ireo lesona maro nianarany tamin’izany andro izany ny hoe “mivavaha mandrakariva—amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, [mampihatra] finoana an’i Kristy—(Môrônia 10:4).”

Ny Loholona Uceda dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 03 aprily 2010. Tale mpanatanteraka mpanampy tao amin’ny departemanta misahana ny misiônera sy Mpanampin’ny Vondrom-paritra tao amin’ny Vondrom-paritr’i Amerika Avaratra-Atsimo Atsinanana izy rehefa nantsoina ho ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy tamin’ny 01 Aogositra 2017.

Nanomboka tamin’ny 2010 ka hatramin’ny 2013 dia nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritr’i Amerika Atsimo-Avaratra Andrefana izy ary tamin’ny 2013 ka hatramin’ny 2016 dia Filohan’ny Vondrom-paritr’i Amerika Atsimo-Avaratra Andrefana izy.

Nianatra tany Pérou ny Loholona Uceda. Niditra tao amin’ny Sekoly ambony Jose Carlos Mariátegui tao Lima izay nianarany ny haitoebola sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany izy. Nahazo mari-pahaizana tao amin’ny Oniversite San Luis Gonzaga izy izay nahazoany licence momba ny fifandraisana amin’ny any ivelany.

Niasa tao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana ny Loholona Uceda ka talen’ny vondrom-paritra ho an’i Pérou sy i Bolivie izy. Niala tany Pérou izy tamin’ny 2003, dia nifindra tany New Jersey, Etazonia, mba hanampy ny rainy tamin’ny asa fandraharana an’ny fianakaviany.

Nanomboka tamin’ny naha-mpikambana azy tamin’ny 1972, dia efa nanompo tao anatin’ny antso maro ny Loholona Elder, ka tao anatin’izany ireto: misiônera manompo amin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Lima Pérou, fiadidian’ny sekoly alahady teo anivon’ny tsatòka, eveka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, filohan’ny tsatòka, filohan’ny Misiônan’i Lima Pérou Avaratra (1992–95), ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.

Nanambady an’i Maria Isabel Bendezu tamin’ny martsa 1979 izy. Manan-janaka dimy izy ireo.