2017
Manampy ao anatin’ny fotoan-tsarotra
November 2017


Manampy ao anatin’ny fotoan-tsarotra

Taorian’ilay rivo-doza sy tondra-drano mahery vaika tany Houston, Texas, Etazonia, dia nisy vehivavy efa lehibe iray nahita Olomasin’ny Andro Farany nanao akanjo ambony mavomavo misy soratra hoe Môrmôna manome tanana, teny an-dalana hanampy ireo tra-boina nateraky ny loza. “Fantatro fa ho avy ny Môrmôna!” hoy izy.

Io zava-nitranga izay natao tatitra tao anatin’ny hafatra napetrak’i Aaron T. Hall, Filohan’ny Misiôna Atsimon’i Houston Texas tao anatin’ny Facebook io dia maneho ny fomba fanampian’ny Fiangonana ireo mpikambana sy ny mpifanolobodirindrina mandritra ny fotoan-tsarotra. “Tsy misy olana lehibe loatra izany, ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo!” Hoy ny nosoratan’ny Filohan’ny Hall.

Rehefa mamely ny loza dia matetika anisan’ireo voalohany mamaly ny antso ny Fiangonana ary any amin’ireo faritra niharan’izany dia matetika mitohy ny fanampiana olona avy amin’ny Fiangonana mandritra ny fotoana fohy sy ny fotoana maharitra hiarenana, miaraka amin’ny tanjona hanorina fizakan-tena. Ireo mpitarika eo an-toerana dia miara-miasa amin’ny foiben’ny Fiangonana eo amin’ny fanombantombanana sy fanomezana ireo zavatra ilaina sy eo amin’ny fandrindrana ny mpikambana izay hanampy amin’ny fizarana ireo fanomezana, fanadiovana, famerenana amin’ny laoniny sy ny fananganan-javatra indray.

Tamin’ny alalan’ny LDS Charities sy ny fiaraha-miasa tamin’ireo sampana miorina izay mpanampy olona any amin’ireo faritra niharan-doza, dia vao haingana ny Fiangonana no nanome fanampiana ho an’ireo tra-boina tany Pérou; tamin’ny koriam-potaka tany Sierra Léone; tamin’ny doro ala tany Montana, Etazonia, sy Alberta, Kanadà; tamin’ny rivo-doza tany Texas, Floride, tany amin’ireo Nosy Karibeana, ka tafiditra tao anatin’izany i Porto Rico, Haiti sy ny Repoblika Dôminikana; ary tamin’ireo horohoron-tany mahery vaika tany Mexique.

Tamin’ny septambra, ny Fiangonana dia nanambara fa hanome 11 tapitrisa dôlara mba hanohanana ny tetikasa hiadiana amin’ny mosary sy hamahanana ankizy tsy ampy sakafo any amin’ny firenena valo any Afrika sy Moyen-Orient. Ny LDS Charities dia miara-miasa amina fikambanana miisa 11 ao anatin’ny tetikasa miisa 25 mba hanomezana fanampiana.

Ny LDS Charities dia nanome teo amin’ny 2 miliara dôlara mba hanampiana olona an-tapitrisany maro tany amin’ny firenena miisa 189 hatramin’ny 1985, ka natomboka tamin’ny fanomezana fanampiana ireo tratran’ny mosary tany Ethiopie izany.