2017
Foibe fanofanana misiônera
November 2017


Foibe fanofanana misiônera

Mampiseho ny fitohizan’ny maha-zava-dehibe ny asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana ny foibe fanofanana misiônera vaovao any Accra, Ghana, sy ny fanitarana ny foibe fanofanana misiônera any Provo, Utah, Etazonia.

Ilay foibe fanofanana misiônera any Ghana izay eo akaikin’ny tempolin’i Accra Ghana, dia afaka mandray misiônera miisa 320 ary azo itarina. Io toerana lehibe io dia mandray ireo misiônera izay miala any Afrika andrefana sy atsimo andrefana ary koa ireo misiônera manerana an’izao tontolo izao izay voantso hanompo any Afrika. Ireo tranobe vaovao ireo dia manamora ny fianaran’ny misiônera amin’ny fitenin-drazany, ny teny Anglisy na ny teny Frantsay, ary ny fianarany ny fiteny sy ny kolontsain’ilay faritra izay niantsoana mba hanompoan’izy ireo.

Ny fanitarana ny foibe fanofanana misiônera any Philippines MTC dia nampitombo indroa ny habeny ka afaka mandray misiônera miisa 280. Ahitana trano roa vaovao izay misy toby miisa dimy izany, mifanila amin’ny biraon’ny vondrom-paritra ary eny am-pitan’ny arabe mankeny amin’ny tempolin’i Manille Philippines. Hatramin’ny nisokafan’ny foibe fanofanana misiônera tamin’ny 1983, dia nanompo misiônera avy amin’ny firenena na handeha ho any amin’ny firenena miisa 60 izany.

Ny fanitarana natao tamin’ny foibe fanofanana misiônera any Provo dia ahitana tranobe roa vaovao misy rihina enina miaraka amin’ny toeram-pianarana vaovao miisa 200, efitrano fianarana mampianatra mihoatra ny 100 ary efitrano manokana misy solosaina miisa 13 izay andraisan’ireo misiônera fanofanana mialoha ny handefasana azy ireo any amin’ireo faritra voatendry hiasan’izy ireo manerana an’izao tontolo izao. Ny foibe fanofanana misiônera any Provo dia manana fahafahana hanofana isaky ny mandeha tovolahy sy tovovavy ary misiônera zokiolona hatramin’ny 3700.

Ny Fiangonana dia manana foibe fanofanana misiônera miisa 15 any amin’ny toerana maro samihafa eto amin’izao tontolo izao.