2017
Soratra masina hadika amin’ny fiteny vaovao hafa
November 2017


Soratra masina hadika amin’ny fiteny vaovao hafa

Ireo tetikasa fandikana ny soratra masina amin’ny fiteny vaovao hafa izay nankatoavina tao anatin’ny taona maro lasa izay dia ahitana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny Birmana, Efika, Georgiana, Navajô, Ponpey, Sesoto ary Tsiluba ary ny triptika amin’ny fiteny tanana Amerikana, Afrikanina, Amarika, Arabika, Bisilama, Grika, Hiligainona, Hindy, Homongy, Lao, Lingala, Maley, Persiana, Pôlôney, Serbiana, Setsoana, Sinala, Silôvaky, Silôveniana, Tahitiana, Tamila, Telogo, Tôko Pisina, Torka, Toy, Ordo, ary Ioroba.

Tao anatin’ny taratasy iray tamin’ny 09 ôktôbra 2017, ny Fiadidiana Voalohany dia nitanisa ireo tetikasa ireo sy nampahafantatra ny lamina vaovao izay hanome fahafahana ny olona tsirairay handalina ampahany amin’ny dikanteny voalohany mialoha ny hamoahana ny dikanteny farany.

Nanambara ilay taratasy hoe “Rehefa mandeha ny fandikan-teny dia azo avoaka tsikelikely isaky ny mandeha ny ampahany efa vita.” “Ireo ampahany mizarazara ireo na dia raisina ho tsy ilay tena vita farany mandra-pahavitan’ny fandikana tanteraka dia ho hita ao amin’ny LDS.org ary amin’ny application Bibliothèque de L’Évangile.” Ny famoahana voalohany ho an’ireo fiteny vitsy notsongaina dia hanomboka ny 20 nôvambra 2017. Rehefa vita ny fandikan-teny niaraka tamin’ireo fanitsiana sy fankatoavana, dia hosoloina amin’ilay dikan-teny farany ireo navoaka tsikelikely tany am-boalohany ary arahin’ny fanontana izany ho boky avy eo.

Mitaky taona maro ny tetikasa fandikan-teny satria adika amim-pitandremana ny lahatsoratry ny soratra masina. Noho izany dia anatin’ny dingana maro samihafa amin’izao fotoana izao ireo tetikasa. Ilay dikan-teny voalohany navoaka sy nahazo fankatoavana dia hahitana votoatiny izay nadika sy nandalo fanitsiana avy tamin’ireo mpitarika eo an-toerana. Hitohy ny famoahana ireo ampahany fanampiny rehefa mandeha ny fotoana. Ireo dikanteny izay efa akaiky ho vita dia tsy havoaka intsony.

Nangataka ny Fiadidiana Voalohany fa raha efa mandefa na mbola miandry ilay tetikasa fandikan-teny dia “manohy mampiasa ireo dikanteny ampiasaina amin’izao fotoana izao ho an’ny Fanekem-pinoana sy ny vavaky ny Fanasan’ny Tompo ary ny vavaka atao amin’ny batisa aloha [ireo mpikambana sy mpitarika] mandra-pahavitan’ny fandikan-teny tanteraka .”

Ny edisiônan’ny soratra masina OAF dia voadika sy misy amin’ireto isan’ny fiteny ireto: ny Baiboly Masina, 3; Edisiônan’ny Baiboly Masina tsy navoakan’ny OAF fa nankatoavina, 95; ny Bokin’i Môrmôna, 90; Fantina avy amin’ny Bokin’i Môrmôna, 21; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny Voahangy Lafo Vidy, 58.