2017
Tempoly telo notokanana
November 2017


Tempoly telo notokanana

Hatramin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny volana Aprily 2017, dia tempoly telo no notokanana na naverina notokanana. Ny tempolin’i Paris France dia notokanana tamin’ny volana mey, ny tempolin’i Idaho Falls Idaho (Etazonia) dia notokanana tamin’ny volana jona ary ny tempolin’i Tucson Arizona (Etazonia) dia notokanana tamin’ny volana aogositra.

Hotokanana amin’ny 19 nôvambra 2017 ny tempolin’i Meridian Idaho (Etazonia); ny tempolin’i Cedar City Utah (Etazonia) dia hotokanana amin’ny 10 desambra; ary ny tempolin’i Jordan River Utah (Etazonia) dia haverina hotokanana amin’ny 20 mey 2018.

Nisy ny drafitra efa nambara ary mitohy ny fanomanana sy fananganana ho an’ny tempoly miisa 23 manerana an’izao tontolo izao. Tempoly enina amin’izao fotoana izao no tsy misokatra noho ny fanavaozana ary tempoly dimy no kasaina hidina amin’ny 2018 mba havaozina.