2017
Rahavavy Bingham tany amin’ny Firenena Mikambana
November 2017


Rahavavy Bingham tany amin’ny Firenena Mikambana

I Jean B. Bingham Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia naneho fanantenana fa ireo fikambanana mifototra amin’ny finoana dia mba “hiaraka hiasa amin’ny alalan’ny fomba kely sy tsotra mba hanatanterahana zavatra mahatalanjona,” raha nandray fitenenana izy nandritra ny adihevitra mikasika ny fampandraisana anjara ny mpitsoa-ponenana eo amin’ny fiarahamonina tany amin’ny Firenena Mikambana tany New York City tamin’ny 13 aprily 2017.

Nandritra ny fivoriam-pifamafarana momba ny “Fifantohana amin’ny Finoana” fanao isan-taona dia niresaka mikasika ireo ezaka ataon’ny Fiangonana mikasika ny fanampiana olona eo amin’ireo mpitsoa-ponenana Rahavavy Bingham ary naneho ny fankasitrahany tamin-kitsimpo an’ireo rehetra izay mirotsaka amin’ilay “asa sarotra nefa tena mitondra valisoa” eo amin’ny fanamaivanana ny fijaliana manerana an’izao tontolo izao.

Rahavavy Bingham dia vao niverina vao haingana namita ny fitsidihan’ny Fonds des Nations Unies pour L’enfance (UNICEF) toerana tany Ouganda niaraka tamin’ny Rahavavy Sharon Eubank, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany ary talen’ny LDS Charities. Nanatrika ny fivoriana tao amin’ny Firenena Mikambana tany New York City koa Rahavavy Eubank.