2017
Fitaovana ho an’ireo lalodalovana
November 2017


Fitaovana ho an’ireo lalodalovana

“Mba hanampiana ireo mpikambana lalodalovana dia efa misy any amin’ny tempoly sy ny trano fivoriana ireo teknôlôjia atolotry ny Fiangonana,” hoy ny filazana nalefa ho an’ireo mpitarika maneran-tany tamin’ny 14 septambra 2017. “Tokony hahay tsara ireo teknôlôjia ireo ny mpitarika ary maka antoka fa ireo rehetra izay afaka mahazo tombontsoa avy amin’izany dia mahafantatra ny momba izany fitaovana izany sy afaka mampiasa izany.”

Any amin’ny tempoly dia afaka mangataka casque ireo mpikambana lalodalovana izay mampiasa ny système infrarouge izay mampita ao anatin’ny tempoly. Any amin’ireo trano fivoriana, ny mpikambana dia afaka miditra amin’ny système de radiofréquence amin’ny alalan’ny (1) récepteurs de radiofréquence pour une aide à l’audition, fitaovana omby any am-paosy izay mampiasa ny fanamafisam-peon’ny trano fiangonana na ny efitranobe fanaovana hetsika mba hanamafisana ny feo mankany amin’ny fitaovana fihainoana mipetraka eo amin’ny lava-tsofina, na (2) cordons du coup pour une écoute assistée izay mampita mivantana ny feo any amin’ilay aide auditif compatible avec un capteur téléphonique eny amin’ilay olona.

Mbola manampy torolalana fanampiny ilay filazana fa “tokony hanana récepteur sy cordon du coup maro ny paroasy sy sampana. Azo atao ny mangataka fitaovana fanampiny amin’ny alalan’ny tompon’andraikitra misahana ny fitaovan’ny Fiangonana sy ny tranon’ny Fiangonana eo anivon’ny tsatòka rehefa ilaina izany.”