2015
Ireo toetran’i Jesoa Kristy: Tsy mamitaka na tsy mihatsaravelatsihy
Aprily 2015


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano

Ireo toetran’i Jesoa Kristy: Tsy mamitaka na tsy mihatsaravelatsihy

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantarana izay tokony hozaraina. Ahoana no hahafahan’ny fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny anjara asany hampitombo ny finoanao Azy sy hitahy ny fiainan’ireo olona izay iandraiketanao amin’ ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Sary

Ny fahatakarana fa i Jesoa Kristy dia tsy mamitaka ary tsy mihatsaravelatsihy dia hanampy antsika hiezaka amim-pahatokiana hanaraka ny ohatra nasehony. Hoy ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny atao hoe mamitaka dia manambaka sy mitarika any amin’ ny lalan-diso. … Ny olona iray tsy mamitaka dia olona tsy manan-tsiny, mahitsy fo aman-tsaina, madio eritreritra, ary hita taratra eo amin’ ny fiainany ilay fihetsika tsotra maneho ny fampifanarahany ny zavatra ataony isan’andro amin’ireo fitsipiky ny fahamasinana. … Mino aho fa ny filana ny mpikambana mba tsy hamitaka dia tena ilaina haingana kokoa amin’izao fotoana izao mihoatra noho ny tamin’ ny fotoana hafa satria maro eto amin’izao tontolo izao no toa tsy mahatakatra ny maha-zava-dehibe ity hatsaran-toetra ity.”1

Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany mikasika ny fihatsarambelatsihy hoe: “Tsy misy tena manana toetra tahaka ny an’i Kristy araka izay fantatray fa tokony hahatongavanay izahay. Kanefa maniry amim-kitsimpo izahay ny handresy ireo fahadisoanay sy ny fironanay hanota. Amin’ ny fonay sy ny fanahinay no hiezahanay ho lasa tsaratsara kokoa miaraka amin’ ny fanampian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”2

Fantatsika fa “hotsaraina araka izay vitantsika sy ny fanirian’ny fontsika isika ary araka ny karazan’ olona izay hiafarantsika.”3 Kanefa rehefa miezaka ny mibebaka isika dia ho lasa madio kokoa—ary “sambatra ny madio am-po: fa hahita an’Andriamanitra” (Matio 5:8).

Soratra Masina Fanampiny

Salamo 32:2; Jakoba 3:17; 1 Petera 2:1–2, 22

Avy ao amin’ ny Soratra Masina

Tsy mba mamitaka ny ankizy madinika. Hoy i Jesoa Kristy hoe: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana: fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra. … Ary nitrotro [ny ankizy] Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy” (Marka 10:16).

Nanompo ny ankizy tany Amerika koa i Kristy taorian’ny Fanomboana Azy. Nodidiany ny olona mba hitondra ny ankizy madininy ho eo aminy ary “napetrany tamin’ ny tany manodidina Azy [izy ireo] , ary nijoro teo afovoany i Jesoa; …

“… [Ary] dia nitomany [Izy], ary ny valalabemandry dia vavolombelona nanambara izany, ary nalainy tsirairay ny ankizy madininy ary notsofiny rano izy ireo, nivavahany ny Ray ho azy ireo. …

“Ary raha nijery izy ireo mba hitazana, dia nanandratra ny masony nankany an-danitra izy ireo, ary … nahita anjely nidina avy tany an-danitra miova tsy ny teo afovoan’ny afo; ary nidina ireny sy nanodidina ireo ankizy madinika ireo; … ary ny anjely dia nanompo azy ireo” (3 Nefia 17:21–24).

Fanamarihana

  1. Joseph B. Wirthlin, “Without Guile,” Ensign, mey 1988, 80, 81.

  2. Dieter F. Uchtdorf, “Andao Hiaraka Aminay,” Liahona, nôv. 2013, 23.

  3. Manuel 2: Administration de l’Église (2010), 1.2.1.