2015
Nitsangana tamin’ ny maty Izy
Aprily 2015


Fianarana filazantsara

Nitsangana tamin’ ny maty Izy

Teraka tamin’ ny 8 Septambra 1873 i David O. McKay. Notendrena ho Apôstôly izy ny 9 aprily 1906, raha 32 taona, ary ny 9 aprily 1951, dia notohanana ho Filohan’ny Fiangonana fahasivy. Ity manaraka ity dia sombiny avy tamin’ ny lahateny iray nataony nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana volana aprily 1966. Hita ao amin’ ny tatitry ny fihaonambe, apr. 1966, 55–59 ny lahateny feno.

Finoana an’i Kristy izay tsy voahozongozona no tena ilain’izao tontolo izao ankehitriny.

Raha toa ny fahagagana ka tranga mihoatra ny herin’olombelona ary tsy takatry ny fahalalan’olombelona ny antony mahatonga azy dia ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy amin’ ny maty izany no fahagagana tena mahatalanjona indrindra nisy hatramin’izay. Miseho ao anatin’izany ny maha-mahefa ny zava-drehetra an’Andriamanitra sy ny tsy fahafatesan’ny olona.

Fahagagana ny Fitsanganana amin’ ny maty saingy eo amin’ilay lafiny mahatonga azy tsy ho takatry ny sain’ny olona ihany anefa izany no mitombina. Ho an’ireo rehetra izay manaiky izany ho toy ny zava-nisy, dia fisehoan’ny lalàn’ny fiainana tsy tapaka tsotra fotsiny izany. …

Raha raisinao ho toy ny zava-nisy ny hoe naka indray ny vatany i Kristy dia niseho tamin’ ny endrika olona nitsangana tamin’ ny maty sy feno voninahitra, dia voavalinao ilay fanontaniana manan-danja indrindra tao anatin’ny fotoana rehetra hoe: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?” (Joba 14:14).

Ireo vavolombelon’ny Fitsanganana amin’ ny Maty

Sary
Two Apostles looking at the wounds in Jesus' hand and wrist.

Azo antoka tsara fa ilay Fitsanganan’i Kristy tamin’ ny maty ara-bakiteny avy ao am-pasana dia tena zava-nisy tokoa ho an’ireo mpianany izay nahafantatra Azy akaiky. Tsy nanana fisalasalana velively momba izany izy ireo tao an-tsainy. Vavolombelon’ny zava-nitranga izy ireo. Fantatr’izy ireo izany satria ny mason’izy ireo dia nahita, ny sofin’izy ireo dia nandre ary ny tanan’izy ireo dia nahatsapa ilay fanatrehana ara-batan’ny Mpanavotra nitsangana tamin’ ny maty.

Toy izao no nolazain’i Petera, lehiben’ny Apôstôly, nandritra ilay fotoana izay nivorian’ny iraikambinifololahy mba hifidianana izay ho solon’i Jodasy Iskariota: “Koa amin’ireo lehilahy [ireo] … dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany” (Asan’ny Apôstôly 1:21–22). …

Nandritra ny fotoana anankiray hafa dia nanambara izao manaraka izao i Petera teo anoloan’ireo fahavalony, tsy iza fa ireo lehilahy namono an’i Jesoa teo amin’ ny hazofijaliana: “Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao; … Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra” (Asan’ny Apôstôly 2:22, 32). …

Vavolombelona fanampiny

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia miara-mijoro tanteraka amin’i Petera sy Paoly ary Jakôba sy ny Apôstôly rehetra hafa tany am-piandohana izay nanaiky ny Fitsanganana tamin’ ny maty ho tsy hoe tena marina ara-bakiteny fotsiny fa nanaiky izany ho toy ny fahatanterahan’ny asa masina nanirahana an’i Kristy teto an-tany.

Valonjato sy arivo taona taorian’ny nahafatesan’i Jesoa teo amin’ ny hazofijaliana dia nanambara ny Mpaminany Joseph Smith fa niseho taminy ny Tompo nitsangana tamin’ ny maty, ka toy izao no nolazainy: “Nahita olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famariparitany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!” (Joseph Smith—Tantara 1:17). …

Raha toa ka ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelonba ihany no hany nananantsika dia ho toy ny tsy manan-danja araka ny filazan’i Kristy ny fijoroana ho vavolombelona nananany izany rehefa niresaka momba ny tenany Izy. Saingy nanana ny fijoroan’Andriamanitra ho vavolombelona sy ny fijoroan’ireo Apôstôly ho vavolombelona i Jesoa. Ary i Joseph Smith dia nanana vavolombelona hafa [izay] nanamafy ny fijoroana ho vavolombelona [nananany], ary ny fahamarinan’izany dia nampahafantarina tamin’ ny alalan’ny fisehoan’ny anjely Môrônia tamin’izy ireo. …

… Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany [koa] dia manambara ny fahamarinan’ilay fahitana lehibe hitan’ny Mpaminany Joseph Smith:

“Ary ankehitriny, aorian’ ireo tenivavolombelona maro izay efa natao momba Azy, dia intỳ ny tenivavolombelona, ny farany amin’ ny rehetra, izay ataonay momba Azy: Fa velona Izy!” (F&F 76:22). …

Eo anatrehan’ireo fijoroana ho vavolombelona tsy azo lavina izay nozarain’ireo Apôstôly fahiny ireo —fijoroana ho vavolombelona izay voarakitra taona vitsy taorian’ny nisehoan’ny ilay toe-javatra—eo anatrehan’ilay fanambarana tena mahagaga mikasika ny fahitana an’ilay Kristy velona amin’izao vanim-potoana izao, dia toa tena saro-takarina ny antony mahatonga ny olona mbola mandà Azy ary miahiahy ny amin’ ny tsy fahafatesan’ny olona.

Ny zavatra ilaintsika amin’izao fotoana izao

Finoana an’i Kristy izay tsy voahozongozona no tena ilain’izao tontolo izao ankehitriny. Mifono zavatra lavitra noho ny fahatsapana tsotra fotsiny izany. Hery mitondra any amin’ ny fanaovana asa izany ary tokony ho tena fototr’ireo hery mandrisika rehetra eo amin’ ny fiainan’ny olombelona. …

Raha mba “manao ny sitrapony” tokoa mantsy ny olona, ka hampitraka ny masony any an-danitra sy hahafantatra fa nitsangana tamin’ ny maty i Kristy fa tsy hijery amim-pahakiviana ilay fasana maizina! …

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manambara amin’izao tontolo izao fa Zanak’Andriamanitra i Kristy, ilay Mpanavotra an’izao tontolo izao! Tsy misy mpanaradia marina ho afa-po amin’ ny fanekena Azy ho toy ny mpitondra fihaovazana na mpampianatra tena tsara tsotra fotsiny izany na hoe hany olona tonga lafatra koa aza. Ilay Lehilahy avy any Galilia dia Zanak’Andriamanitra Velona—ara-bakiteny—fa tsy ara-kevitra ao an-tsaina fotsiny. …

Tena nateraka indray

Tsy misy olona afaka manapa-kevitra amin-kitsimpo hampihatra ny fampianaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta eo amin’ ny fiainany izany raha tsy efa nahatsapa fiovana teo amin’ ny tenany iray manontolo izy. Ilay andian-teny hoe “nateraka indray” dia mifono dikany lalina kokoa no izay iheveran’ny olona maro azy. … Sambatra ny olona izay tena nahatsapa ilay hery manazava ny saina amam-panahy sy mitondra fiovana izay tonga avy amin’io fanakaikezana ny Mpamonjy io sy io fifandraisana akaiky amin’ilay Kristy velona io. Feno fankasitrahana aho noho ny fahafantarako fa Mpanavotra ahy i Kristy. …

Ny hafatry ny Fitsanganana amin’ ny maty … no hany hafatra tena mampahery sy tena lehibe indrindra nomena ny olona hatramin’izay, satria rehefa sarahin’ny fahafatesana amintsika ny olon-tiantsika anankiray dia maivana ny alahelo ao am-pontsika noho ilay fanantenana sy fahatokiana masina ambara ao anatin’ireto teny ireto: “Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay nolazainy!” [jereo ny Matio 28:6; Marka 16:6].

Fantatro amin’ ny foko manontolo fa resin’i Jesoa Kristy ny fahafatesana ary satria velona ny Mpanavotra antsika dia ho velona koa isika.