2015
Ilay fampanantenany hoe mandrakariva
Aprily 2015


Ilay fampanantenany hoe mandrakariva

Robyn Casper, Utah, Etazonia

Sary
drawing of a broken bike

Sary nataon’i Bradley H. Clark

Rehefa nipetraka nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo aho nisaintsaina ny vavaka ho an’ny mofo, dia niverimberina tao an-tsaiko ireto teny ireto: “mba hananany mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy” (Môrônia 4:3; F&F 20:77).

“Mandrakariva,” hoy ilay izy—fa tsy hoe indraindray. Nahoana anefa volana maromaro tany aloha tany no tsy mba nahazo bitsika izaho sy ny vadiko mikasika ny fomba hiarovana an’ilay zanakay lahy 11 taona talohan’ny nahafatesany tao anatin’ny lozam-pifamoivoizana nifandonan’ny fiara sy bisikileta iray? Nahoana ny Ray any an-danitra no tsy mba niaro sy nampitandrina anay “mandrakariva”?

Nampianarina ahy tany amin’ ny Kilonga ary ninoako fa hitahy antsika ny Fanahy Masina. Hampiasa ilay feo tony sy malefaka izy mba hiarovana sy hitarihana antsika ary hampitandremana antsika amin’ ny loza. Nijanona tao an-tsaiko izany eritreritra izany hatramin’izay nahafatesan’i Ben izay. Nalahelo mafy azy aho ary naniry ny hahatakatra ny zava-nitranga sy hahatsapa fiadanana.

Taiza ilay feo mpampitandrina ahy? Taiza ny Fanahy Masina? Nahatsapa aho hoe nanao izay azonay natao mba ho olo-marina. Nandoa ny fahafolonkarenanay izahay, nanatrika ireo fivorianay ary nanompo isaky ny nangatahina hanao izany. Lavitry ny fahalavorariana izahay, saingy nanao ny takarivan’ny mpianakavy ary nandalina soratra masina. Niezaka izahay.

Raha nanatrika ny fotoam-pianaran’ny Fikambanana Ifanampiana aho tao anatin’izany fotoana izany dia nitantara ny tantaran’ny havany akaiky iray ilay mpampianatra. Raha nijoro niandry teo amin’ ny jiro mena fampijanonana fiarakodia ilay havany dia nahatsapa mafy fa tokony hijanona eo amin’ ny toerana tokony hisy azy rehefa nivadika maitso ny jiro. Nanaraka ilay bitsika izy ary vetivety teo dia nisy fiarakodiabe tonga dia nirifatra nanivaka teo amin’ ny fihaonan-dalana ary tsy nijanona rehefa nivadika mena ny jiro. Raha tsy nihaino sy nankatò ilay feo izy dia mety ho naratra na maty mihitsy aza izy sy ny zanany.

Nisy fiantraikany lehibe tamiko izany tantara izany ka raha iny niomana hitsangana rehefa nipetraka vonton-dranomaso teo iny aho ary nandao ilay efitrano dia nahatsapa fampiononana lehibe nanenika ny tenako. Nahatsapa fiadanana aho izay nanamarina fa tena niaraka tamiko tokoa ny Fanahy Masina. Raha teo anatrehan’ny zavatra niainako dia tsy teo tamin’ ny naha-feo mpampitandrina Azy Izy fa tamin’ ny naha-mpampionona Azy.

Nanomboka tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nahazo an’i Ben dia nahatsapa hery mihoatra ny an’ny tenako aho ary nampiononon’ilay fitiavan’ny Raiko any an-danitra. Tsy takatro indraindray ny antony mahatonga ny zavatra sasantsasany saingy tsy mba niahiahy ny fitiavany velively aho.

Manana finoana aho fa mahatakatra ny zavatra rehetra Andriamanitra ary tsy hamela ahy tsy hahazo fampiononana velively. Mitana anjara toerana maro eo amin’ ny fianantsika ny Fanahy Masina. Afaka miaro antsika Izy, saingy mitarika antsika sy mampionona antsika ary mampianatra antsika koa Izy ary manome fahatakaran-tsaina sy fitahiana hafa.

Nianatra aho fa tena mitazona ny fampanantenana nataony ny Ray any an-danitra. Niaraka tamiko “mandrakariva” Izy.