2015
Hatraiza ny fahefan’i Satana amin’ ny eritreritro?
Aprily 2015


Hatraiza ny fahefan’ i Satana amin’ ny eritreritro?

Manome toky antsika ny Ray any an-danitra fa manana ny safidim-pitondrantena isika dia ny fahafahana misafidy ny tsara na ny ratsy. Tsy hanery antsika hanao ny tsara Izy, ary ny devoly koa tsy afaka hanery antsika hanao ny ratsy (jereo ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 214).

Noho izany, raha ny amin’ ny eritreritrao, dia tsy manana fahefana amin’izany ny devoly raha tsy omenao vahana. Niteny ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tsy afaka ny hisarika antsika amin’ ny fakam-panahiny i Satana raha tsy hoe manaiky izany sy milefitra amin’izany ao am-pontsika isika” (Enseignements de Joseph Smith, 213). Niteny ihany koa izy fa, “Tsy manana fahefana amintsika ny devoly raha tsy omentsika lalana” (214).

Ankoatra izany dia milaza amintsika ny soratra masina fa “tsy misy afa-tsy Andriamanitra ihany no mahalala ny eritreritrao sy ny fisaintsainan’ny fonao” (F&F 6:16), noho izany raha ny marina dia tsy mahafantatra izay eritreretinao akory Satana. Manolotra fakam-panahy sy fanangolena ihany no azony atao. Fa raha misafidy ny hanaraka ireny ianao, dia hanan-kery lehibe aminao izy ary hihamafy ny fakam-panahy. Sahala amin’izany koa, raha manohitra ny ratsy ary misafidy ny tsara ianao, dia hampatanjahana sy hotahiana.