2015
Fantatro fa tia ahy ny Mpamonjy ahy
Aprily 2015


Fantatro fa tia ahy ny Mpamonjy ahy

Ny Bokiko momba an’i Jesoa

Taloha ela be teo amin’ ny toerana mahafinaritra iray dia tafavory nanodidina an’i Jesoa ny ankizy maro be.

Nitahy sy nampianatra azy ireo Izy raha nahatsapa ny fitiavany izy ireo. Samy nahita ny ranomaso teo amin’ ny tavany ny tsirairay avy tamin’izy ireo.

Fantatro fa mitovy tamin’ ny fitiavany an’ireo zaza madinika ireo ny fitiavany ahy.

Tsy nikasika Azy aho na koa nipetraka teo am-pofoany, kanefa tsapako ny fisiany.

Fantatro fa velona Izy! Hanaraka Azy amim-pahatokiana aho.

Atolotro ho Azy ny foko. Fantatro fa tia ahy ny Mpamonjy ahy.