2015
Herimpo hita ao anatin’ny soratra masina
Aprily 2015


Ho an’ny Ankizy

Herimpo hita ao anatin’ny soratra masina

Mampianatra antsika ny Filoha Monson mba hanana herimpo ary hiaro ny zavatra inoantsika. Misy ohatra maro momba ireo olona nampiseho herimpo ao anatin’ny soratra masina. Vakio ny soratra masina eo akaikin’ny anarana tsirairay. Ahoana no fomba nanehoan’ireo olona ireo herimpo sy niaro ny zavatra fantany fa marina? Ampiasao ireo faritra malalaka ireo mba hanoratana na hanaovana sary ny valinteninao.

Daniela (Daniela 6:7, 10–23)

Estera (Estera 4:5–14; 5:1–8; 7:1–6)

Samoela ilay Lamanita (Helamàna 13:2–4; 16:1–7)

Joseph Smith (Joseph Smith—Tantara 1:11–17)