2015
Fanovozan-kevitra ho an’ny takarivan’ny mpianakavy
Aprily 2015


Fanovozan-kevitra ho an’ny Takarivan’ny Mpianakavy

Ity laharana ity dia ahitana lahatsoratra sy zavatra atao azo ampiasaina mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Ireto manaraka ireto misy ohatra anankiroa.

Sary
photo of family gathered around a piano and singing

“Mila Anao aho,” pejy 30: Afaka ny hisy fiantraikany mahery vaika eo amin’ ny fiainantsika ny tonon’ilay hira “Mila Anao aho” toy nanampian’izany an’i Pak Mi-Jung mba hanapa-kevitra ny hatao batisa. Mieritrereta fotoana iray izay nitahian’ny tonon’ny hira iray tao amin’ ny fihirana ny fiainanao ka zarao amin’ ny fianakavianao izany. Asao ny olona tsirairay ao amin’ ny fianakaviana mba hifidy hira iray tena tiany ao amin’ ny fihirana dia angataho izy mba hilaza ny fomba nitahian’izany ny fiainany. Dia iaraho mihira amin’ ny fianakavianao ny hira tsirairay. (Azonao halavaina mandritra ny herinandro vitsivitsy izany.)

“Ny vavaka sy ny katedraly,” pejy 68: Rehefa avy mamaky ity tantara ity ianao dia asehoy amin’ ny sary na tanisao ireo fiangonana samihafa ao amin’ ny tanànanao ary resaho miaraka amin’ ny fianakavianao ireto fanontaniana ireto hoe: Inona no zavatra sasantsasany mampitovy antsika amin’ ny finoana hafa? Inona no zavatra tsapan’ny Ray any an-danitra mikasika ny zanany rehetra? Ahoana no tokony handraisantsika ny olona izay tsy mitovy finoana amintsika? Azonao ampiasaina ny lahatsoratra “Balancing Truth and Tolerance” nosoratan’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (Liahona, Feb. 2013, 28–35) mba hanampiana amin’ ny famaliana ireo fanontaniana ireo.