2015
Tsy maintsy mankany amin’ ny tempoly aho izao!
Aprily 2015


Tsy maintsy mankany amin’ ny tempoly aho izao!

Mary Holmes Ewen, California, Etazonia

Sary
drawing of elderly woman sitting and talking to another woman

Sary nataon’i Bradley H. Clark

Indray alahady maraina dia nampahafantarina ny paroasy ny mpikambana iray vita batisa vao haingana. Lydia no anarany. Tonga dia nahazo ny fonay izy.

Efa zokinjokiny i Lydia ary jamba noho ny fitolomana tamin’ ny aretina diabeta nandritra ny taona maro. Vetivety i Lydia dia nahafantatra ireo mpikambana tamin’ ny alalan’ny feony sy ny famindrany. Antsoiny amin’ ny anaranay izahay ary raisiny tanana ary tsy mba manondronondro velively hoe jamba izy.

Taorian’ilay fiandrasana herintaona izay takina dia nihaona tamin’ ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka i Lydia mba handray ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Indray alahady nandritra ny fotoan’ny Fikambanana Ifanampiana dia nosintoniny nanakaiky azy aho ary niteny tamim-pientanentanana izy hoe, “Nilaza ny filohan’ny tsatòka fa tsy maintsy mandeha any amin’ ny tempoly faran’izay haingana aho. Afaka ny hitondra ahy any ve ianao?”

Herinandro voalohan’ny Desambra tamin’izay—fotoana izay maha-be atao antsika rehetra. Niezaka nanao ilay fialan-tsiny mahazatra aho ka nilaza hoe, “Tsy afaka miandry amin’ ny volana janoary ve isika?”

“Tsia, tsy maintsy mandeha izao isika!”

Nisy vondrom-behivavy iray tao amin’ ny paroasy izay mpankany amin’ ny tempoly isam-bolana, ka dia nanatona azy ireo aho mba hiresahana ny fanatanterahana ny dian’i Lydia. Tena be atao koa izy ireo. Saingy nolazain’i Lydia tamin-dranomaso taminay indray fa nasain’ny filohan’ny tsatòka mba handeha faran’izay haingana hono izy.

Rehefa avy nilaza izany izy dia nanaiky ny hanao ilay dia mirefy 241 km izahay ny herinandro manaraka. Rehefa teny an-dalana izahay dia nofenoinay firesahana sy finamanana teo anivon’ny vehivavy valo ny fiarakodia. Tena faly tamin’ ny zavatra niainany tany amin’ ny tempoly sy ny fandraisany ny fanafiana masina i Lydia.

Niharatsy ny toe-pasalaman’i Lydia ny herinandro voalohan’ny volana Janoary ka niditra hopitaly mba hotsaboina maika dia maika izy. Nodimandry izy herinandro taty aoriana. Saingy nandeha niaraka tamin’ireo fitahiana mandrakizay izay noraisiny tany amin’ ny tempoly herinandro vitsivitsy talohan’izany izy.

Taty aoriana dia notantaraiko tamin’ ny filohan’ny tsatòka ny fizotran’ny dianay ary nolazaiko taminy fa tena variana aho hoe nahatsapa bitsika mba hilaza amin’i Lydia fa tokony handeha haingana any amin’ ny tempoly izy.

“Tsy hoe tsy maintsy mandeha izao dia izao anie tamin’iny no tiako holazaina e!” hoy izy. “Lazaiko foana ireo mpihazona fahazoan-dalana hidirana ny tempoly vaovao mba handeha any amin’ ny tempoly faran’izay haingana. Ny Fanahy no niteny tamin’i Lydia!”

Nampianatra antsika rehetra i Lydia mba hihaino ny Fanahy sy handray andraikitra haingana eo anatrehan’izany. Feno fankasitrahana aho noho ny fampahatsiahivany ny tokony hihainoana ilay feo tony sy malefaka.