2015
Hanao amin’ ny hafa ny zavatra nataon’i Sarah tamiko
Aprily 2015


Zatovo

Hanao amin’ ny hafa ny zavatra nataon’i Sarah tamiko

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Nanana fahasahiranana aho tamin’ ny fampiasana ny finoako mba hoentina mamaly fanontaniana tsotra toy ny hoe “Fa maninona ianao no tsy misotro kafe?” Taloha aho dia nampiasa fialan-tsiny toy ny hoe “mangidy loatra ilay izy” na “tsy tiako ny tsirony.”

Nahoana aho no menatra? Nahoana aho no natahotra nijoro tamin’ ny zavatra ninoako? Rehefa manao jery todika aho dia tsy fantatro mazava tsara hoe inona no nampatahotra ahy. Saingy tsaroako tsara ny fotoana nijanonako tsy hiafina ao ambadiky ny fialan-tsiny intsony.

Indray andro nandritra ny fotoam-pianarana ny taranja teny Anglisy tao amin’ ny lisea nisy ahy, dia nanambara ilay mpampianatra fa hijery sombin’ny fandaharana iray vokarin’ny fahitalavitra izahay izay fantatro fa tsy tokony hojereko. Raha nientanentan’ny hafaliana ny mpianatra hafa dia nanangana ny tanany kosa i Sarah mpiara-mianatra amiko ary nangataka raha afaka mandeha izy.

Rehefa nanontanian’ny mpampianatra ny antony i Sarah dia namaly tamin’ ny fomba mahitsy izy hoe, “Satria aho Môrmôna dia tsy mijery fandaharana feno teny ratsy.”

Nahavariana ilay herimpony hiaro ny finoany teo anoloan’ny kilasy. Noho ny nataon’i Sarah dia niaro ny finoako koa aho ka niandry izay hahavitan’ilay fandaharana tany ivelany sady nandry eritreritra.

Niova tanteraka aho tamin’izay. Nanomboka nanazava ny finoako aho fa tsy nanao izay tsy hiresahana an’izany. Ary noho izany dia lasa natoky tena aho ary nandray anjara bebe kokoa tamin’ireo hetsika natao tany am-piangonana sy tany am-pianarana.

Tsy nambarako velively tamin’i Sarah hoe nanan-danja lehibe tamiko ny ohatra nasehony, saingy niezaka nanaraka ilay ohatry ny fahatokian-tena nasehony aho. Tsapako ankehitriny fa tsy zavatra tokony hahamenatra mihitsy ny maha-mpikambana ao amin’ilay Fiangonana tena tsara sy masina izay an’Andriamanitra. Manantena aho hoe amin’ ny alalan’ny ohatra asehoko dia mba ho afaka ny hanao amin’ ny hafa ny zavatra nataon’i Sarah tamiko aho.