2015
Noho i Joseph
Aprily 2015


Noho i Joseph

Fantaro ireo fomba enina maha-hafa (na mety haha-hafa) ny fiainanao noho ny Mpaminany Joseph Smith.

Sary
Painting of a young boy kneeling looking up at a grove of trees. At the center of the painting is a young boy (age 14) kneeling. His hands are resting on his thighs and he looks up at a light source above his head. The boy wears grey trousers (with suspenders) and grey vest and an off-white shirt. The shirt has a collar and two button placket at the front and the sleeves are rolled. The young boy had blond hair that is slightly rumpled. The background his a grove of trees, almost all with no leaves. There are some low saplings immediately behind the boy. The foreground has rocks, twings and small plants sprouting. "Walter Rane 04" appears in the lower right corner in red.

Efa mihoatra ny 170 taona lasa izay no nahafatesan’i Joseph Smith. Niaina nandritra ny 38 taona monja izy, nandany ny ankabeazan’izany fotoana izany tany amin’ ny toerana maro tsy misy mpahalala mihitsy hany ka mety tsy ho hitanao na aiza na aiza raha tsy amin’ireo sarintany manazava amin’ ny antsipiriany indrindra. Ary mety ho zavatra tsy vaovao aminao ny ankamaroan’ireo zavatra nataony teo amin’ ny fiainany. Kanefa efa noeritreretinao ve ny fomba fiantraikan’izany aminao manokana? Maro loatra anefa ireny raha isaina, fa azonao atao ny manomboka amin’ireto enina ireto.

Noho i Joseph Smith:

1. Ianao dia mahafantatra hoe iza marina moa Andriamanitra sy i Jesoa Kristy.

Na dia tsy noho i Joseph Smith aza, dia mety mbola mino an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy ianao. Mety manana ireo fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Baiboly ianao. Kanefa eritrereto hoe hatraiza ny halalin’ny fahatakaranao sy ny halehiben’izany noho ny zavatra izay naverin’i Joseph Smith tamin’ ny laoniny—ireo tenivavolombelona hentitra sy mitondra fanamafisana momba ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy. Ohatra, mahafantatra zavatra izay tsy hain’ny ankabeazan’ny olona eto amin’izao tontolo izao ianao: fa ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ ny maty dia niseho tany Amerika—voamarina izany, tamin’ ny teniny, fa Izy dia tsy “Andriamanitr’ Israely, [irery ihany fa] Andriamanitry ny tany manontolo [ihany koa]” (3 Nefia 11:14).

Eritrereto ny hahazoan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tanjaka amin’ ny alalan’ny tenivavolombelona mahery vaikan’ireo mpaminany toa an’i Lehi sy Almà ary i Môrônia—raha tsy hilaza afa-tsy ny an’i Joseph Smith aho, izay nanambara fa: “Velona Izy! Fa hitanay Izy, eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra” (F&F 76:22–23). Tena fitahiana ny fananana hazavana fanampiny amin’ ny fotoana isedrana sy mazàna amoizana ny finoana an’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy.

2. Fantatrao fa zanak’Andriamanitra ianao—ary toy izany koa ny olon-kafa rehetra.

Sary
Youth in the Philippines are walking in a line and laughing and holding hands.

Angamba ny fahamarinana mikasika ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra no fahamarinana manan-danja indrindra naverin’i Joseph Smith tamin’ ny laoniny.1 Raintsika ara-bakiteny Izy. Efa naka fotoana nieritreretana momba ireo zavatra marina izay aterak’izany zava-nitranga izany ve ianao? Manova ny fomba fijerinao ny tenanao izany: na dia eo aza ny fihevitr’izao tontolo izao momba anao, ianao dia mahafantatra fa zanaka malalan’Andriamanitra ianao, manana ireo toetra ananany ao anatinao. Manova ny fomba fijerinao ny hafa izany: tampoka eo ny rehetra—ny rehetra—dia lasa rahalahinao na rahavavinao. Manova ny fomba fijerinao ny fiainana izany: ny fifaliana sy ny fisedrana rehetra eo aminy dia ampahany amin’ ny drafitry ny Ray any An-danitra hanampiana anao ho tonga tahaka Azy. Tsy ratsy raha hirahiraina ny momba izany ao amin’ ny Kilonga!2

3. Ny fianakavianao dia afaka ny ho mandrakizay.

Sary
Family posing together on a street in Hong Kong.

Nahoana no mikorotan-tsaina momba ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana ny olona marobe? Satria tsy fantatr’izy ireo angamba ilay fotopampianarana, izay naverina tamin’ ny laoniny tamin’ ny alalan’i Joseph Smith, fa ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia tendrin’Andriamanitra ary natao ho mandrakizay (jereo ny F&F 49:15; 132:7). Tsy fombafomba noforonin’ny olombelona fotsiny izay tsy fanaon’ny fiaraha-monina intsony akory ireny—ao anatin’ny lamina mandrakizain’ny lanitra ireny. Ary noho ny fanalahidin’ny fisoronana sy ny ôrdônansin’ny tempoly izay tafaverina tamin’ ny laoniny tamin’ ny alalan’i Joseph Smith dia afaka miantomboka eto an-tany ilay fianakaviana mandrakizainao.

4. Manana anjara amin’ ny fisoronana sy ny fitahiana entiny ianao.

Sary
Filipino church members during a sacrament meeting.

Azo atao batisa sy afaka mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao satria naverin’Andriamanitra tamin’ ny laoniny tamin’ ny alalan’i Joseph Smith ny fisoronany. Afaka mikatsaka ireo fitahian’ny fisoronana dia ny fanasitranana, fampaherezana, ary fitarihana ianao. Afaka manao fanekempihavanana masina izay mamatotra anao amin’Andriamanitra ianao. Ary afaka manavao ireo fanekempihavanana nataonao ianao isan-kerinandro rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Mirotsaka eo amin’ ny fiainanao amin’ ny alalan’ny ôrdônansin’ny fisoronana ny herin’Andriamanitra (jereo ny F&F 84:20–21). Tsy misy ho tanteraka izany rehetra izany raha tsy teo ny asa nataon’i Joseph Smith.

5. Ianao dia tsy andevozin’ny fiankinan-doha amin’ ny zavatra mampidi-doza.

Sary
Two young men in DR Congo playing basketball.

Na farafaharatsiny tsy ho andevozin’izany ianao raha toa ka mankatò ilay fanambarana noraisin’i Joseph tamin’ ny 1833—efa fotoana ela talohan’ny nanaporofoana fa miteraka homamiadan’ny avokavoka ny sigara sy ny paraky ary misy ifandraisany amin’ ny toaka ny aretin’ny aty. Rehefa manana mpaminany iray izay manambara aminao ny fahendren’Andriamanitra ianao dia nahoana no miandry ny fahendren’izao tontolo raha fahalalana mitovy izao ihany? Ny Tenin’ny Fahendrena dia maneho fa tsy ny fanahintsika fotsiny akory no raharahian’Andriamanitra fa ny vatantsika ihany koa (jereo ny F&F 89). Ambonin’izany, ny fanambarana nomena an’i Joseph Smith dia maneho fa ny fananantsika vatana dia mahatonga antsika ho tonga bebe kokoa—fa tsy latsak’izany—tahaka ny Ray any An-danitra, izay manana vatana nofo sy taolana ihany koa (jereo ny F&F 130:22).

6. Ianao dia afaka mahafantatra mivantana ny fahamarinana amin’ ny alalan’ny Fanahy Masina.

Sary
A young Polynesian woman kneeling in prayer beside her bed.

Tsy misy fanambarana intsony: izany no firehan-kevitra teo anivon’ny fiangonana maro tamin’ ny fotoana nandehanan’i Joseph tao amin’ilay Ala Masina tamin’ ny 1820. Nandiso izany ny Fahitana Voalohan’i Joseph. Misokatra ny lanitra—ary tsy amin’ ny mpaminany irery ihany. Ireo rehetra izay manam-panontaniana dia afaka mandray valiny rehefa mikatsaka izany amim-panetrentena sy amim-pahazotoana (jereo ny F&F 42:61; 88:63). Ohatra, afaka mahafantatra mivantana ianao tahaka ny fomba nahafantaran’i Joseph Smith fa izy dia mpaminanin’Andriamanitra: amin’ ny alalan’ny fanontaniana an’Andriamanitra Izy tenany mihitsy.

Santatra ihany anefa ireo voalaza ireo. Inona no hanampianao ireo? Inona no mampiavaka ny fiainanao noho i Joseph Smith?

Fanamarihana

  1. Jereo ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 37–44.

  2. Jereo ny “Zanaky ny Ray Aho” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy pejy 113.