2015
Mety ve ny mamonjy amin’ ny lanonam-pandihizana na fety izay fantatro fa hisy zavatra ratsy hiseho, mba hahafahako mampiseho ohatra tsara?
Aprily 2015


Mety ve ny mamonjy lanonam-pandihizana na fety izay fantatro fa hisy zavatra ratsy hiseho mba hahafahako mampiseho ohatra tsara?

Sary
A young man in a black plaid shirt is resting his chin on his hand.

Sary nataon’ i David Stoker

Anontanio ny tenanao hoe: “Karazana ohatra toa inona tokoa moa no tiako haseho amin’izany fotoana izany?” Raha toa ianao ka manan-kevitra handeha any amin’ ny toerana mety hisy rongony na zava-pisotro mahamamo, fitafy tsy maotina, mozika misy tononkira vetaveta, na fandihy mamoa fady, ahoana no hampisehoanao ny olona fa afaka ny hahatsapa fifaliana izy ireo na dia tsy misy ireo zavatra ireo aza? Inona no mety ho eritreretin’ny olona manodidina anao—“Tsy ohatra tsara maneho ny finoana sy fanarahana fitsipika ambony ve izao?” sa “Fa inona koa no ataon’io olona io aty e?” Amin’ ny ankamaroan’ny fotoana, dia ho ohatra tsara lavitra ianao rehefa tsy mandeha mihitsy, satria tsy hamela ny tenanao hankahatra amim-panahy iniana fakam-panahy ianao.