2015
Nibitsika tamiko ny Fanahy
Aprily 2015


Nibitsika tamiko ny Fanahy

Christina Albrecht Earhart, Washington, Etazonia

Sary
drawing of boys running

Sary nataon’i Bradley H. Clark

“O ry ireto a! Miverena!” hoy ilay feo iray nihotakotaka.

Rehefa nihodina aho dia nahatsikaritra ankizilahy roa vonton-dranomaso teo amin’ ny dimy taona sy fito taona teo izay nihazakazaka nankeny amin’ilay fitobiam-piarakodian’ilay toeram-pivarotana. Toa nitebiteby izany ilay mpivarotra rehefa niantso azy ireo.

Raha iny nitodika hiverina teny amin’ ny fiarako iny aho dia nibitsika tamiko ny Fanahy hoe, “Afaka manampy ianao eto.” Nalefaka ilay bitsika saingy nazava ka fotoana fohy taorian’izay dia nihazakazaka nankeny amin’ireo ankizilahy teny amin’ ny fitobiam-piarakodia aho.

Hitako nijoro teo akaikin’ny kamiao kely ny zokiny tamin’izy ireo. Nanatona azy aho ary nandohalika teo akaikiny.

“Manahoana! Christina no anarako. Manana olana angaha ianao?”

Rehefa avy niteny ireo zavatra ireo aho dia nidradradradra nitomany izy ary nanafina ny tarehiny tamin’ ny sandriny. Nanatona anay ilay mpivarotra sy ilay ankizilahy iray hafa.

“Teny Frantsay ihany no hain’izy ireo raha ny fahitako azy,” hoy ilay mpivarotra. “Hitanay nihazakazaka namakivaky ny fivarotana fotsiny izy ireo fa very.”

Nampahafantariko tamin’ ny teny frantsay tamin’ireo ankizy ireo indray ny tenako. Frantsay no tenin-drazako saingy tsy nampiasa izany intsony aho hatramin’ ny nananganan’ny fianakaviana miteny Anglisy iray ahy fony mbola zazakely. Raha ny mahazatra dia tsy dia mazava ny fiteniko frantsay. Tamin’izay fotoana izay anefa aho dia afaka niresaka mazava. Sady nazava tao an-tsaiko sy rehefa naloaky ny vavako ireo teny raha nampahery ireo ankizilahy ireo aho.

Tao anatin’ny ranomaso no nanazavan’ilay ankizilahy zokiny haingankaingana hoe tsy hitan’izy sy ny rahalahiny na taiza na taiza tao anatin’ilay fivarotana ny ray aman-dreniny ka dia nihazakazaka nivoaka izy ireo nitady azy ireo. Teo am-pihainoana azy ireo aho dia toy ny tonga saina izany hoe tena mahagaga fa sady niresaka mazava tsara tamin’ ny teny Frantsay no nahazo ny zava-nitranga tamin’ireto ankizy anankiroa feno tahotra ireto sy nahay nampahery azy ireo.

“Tsy hitan’izy ireo ny ray aman-dreniny ary te hiandry azy eto amin’ ny fiarany eto izy ireo,” hoy aho tamin’ilay mpivarotra. Nolazain’ilay ankizilahy kely tamiko ny anaran’ny ray aman-dreniny ka nomeko an’ilay mpivarotra izany mba hahafahany mitady azy ireo amin’ ny alalan’ny fitaovana fampandrenesana. Minitra vitsy taorian’izay dia hitan’ilay ankizilahy nivoaka ny fivarotana ny rainy ka dia nihazakazaka namonjy azy izy.

Rehefa nanaraka ilay ankizilahy nandeha teny amin’ ny rainy aho dia hitako fa tsy nahay intsony na dia niteny veloma tamin’ ny teny Frantsay aza. Niezaka mafy mba hiteny zavatra mety ho azon’ireo ankizilahy ireo aho saingy tsy nahavita niteny afa-tsy teny vitsivitsy tonga an-kisendrasendra. Farany dia nampiasa teny Anglisy aho mba hilazana tamin’ilay ankizilahy hoe “Veloma! Dia faly nahafantatra anao.”

Rehefa navelako niaraka tamin’ ny ray aman-dreniny ireo ankizilahy ireo dia feno fankasitrahana aho. Niasa tamin’ ny alalako ny Ray any an-danitra mba hampaherezana ny roa tamin’ireo zanany kely. Nampanetry tena ahy ny hoe afaka nampivelatra ireo fahaiza-manaoko izay voafetra ihany ny Tompo mba hanatanterahana ny tanjony. Feno fankasitrahana aho nahita ny zavatra mety hitranga rehefa manolotra ny tenantsika Aminy isika rehefa antsoina, na dia amin’ ny toe-javatra mampiahiahy aza.