2015
Ny Mpaminany Velona
Aprily 2015


“Ny mpaminany velona dia manan-danja bebe kokoa amintsika noho ny mpaminany efa maty iray. …

“… Ny fanambaran’Andriamanitra tamin’i Adama dia tsy nanome toromarika an’i Noà ny amin’ ny fomba fananganana sambofiara. Nila fanambarana ho an’ny tenany manokana i Noà. Noho izany, raha mbola ny amintsika sy ianao hatreto, ny mpaminany manan-danja indrindra amintsika dia ilay velona amin’izao andro sy fotoana misy antsika izao; ilay hanambaran’Andriamanitra amin’izao fotoana izao ny sitrapony ho antsika. Noho izany, ny teny manan-danja indrindra tokony hovakintsika dia izay tenin’ny mpaminany … voarakitra isam-bolana ao anatin’ny gazetibokin’ny Fiangonantsika. Hita ao anatin’ireo lahateny mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana izay voarakitra ao anatin’ny gazetiboky [Liahona] ireo tari-dalana tokony harahintsika isaky ny enim-bola. …“

“Mitandrema amin’ireo mampiasa ny tenin’ireo mpaminany efa maty hanoherana ny tenin’ireo mpaminany velona satria ny mpaminany velona hatrany no lohalaharana.”

Avy amin‘ny President Ezra Taft Benson (1899–1994), “Fourteen Fundamentals in Following the Prophet” (Fampaherezam-panahy tao amin‘ny Brigham Young University, Feb. 26, 1980), 2, speeches.byu.edu.