2015
Miantso antsika mba hanana herimpo ny Filoha Monson
Aprily 2015


Hafatra avy amin’ ny Fiadidiana Voalohany

Miantso antsika mba hanana herimpo ny Filoha Monson

Sary
diamond shape made up of fish with one orange fish in the center of black fish.

Sary nataon’ny iStock/Thinkstock

Manoloana antsika tsy tapaka ny fandraisana fanapahan-kevitra, hoy ny Filoha Thomas S. Monson.

Mba handraisana azy ireny amim-pahendrena dia mila fahasahiana isika hoy ny toroheviny—“ilay fahasahiana hiteny tsia, ilay fahasahiana hiteny eny. Ny fanapahan-kevitra raisintsika no mamaritra ny hoavintsika.1

Ao anatin’ireto teny notsongaina manaraka ireto dia mampahatsiahy ny Olomasin’ny Andro Farany ny Filoha Monson fa izy ireo dia mila fahasahiana hijoro amin’ ny fahamarinana, hiaro ny zavatra inoany ary hiatrika ilay izao tontolo izao izay mandà ireo soatoavina sy fitsipika mandrakizay.

“Tonga amintsika tsirairay tsy tapaka ilay antso mba hanana fahasahiana,” hoy izy. “Tahaka izany ny fisehony hatrizay ary ho toy izany foana.”2

Ahazoana fankasitrahana avy amin’Andriamanitra ny herimpo

“Hiatrika tahotra ary hiaina fanalam-baraka sy fanoherana avokoa isika. Aoka isika—isika rehetra mihitsy—hanana herimpo hanohitra ny hevitra ironan’ny olona sy hanana herimpo hiaro ny fitsipika ijoroantsika. Ny herimpo, fa tsy ny marimaritra iraisana, no mitondra ilay tsiky maneho ny fankatoavan’Andriamanitra. Ny herimpo dia lasa fomba fiainana sy hatsaran-toetra mahasarika ny saina rehefa raisina tsy ho toy ny fahavononana ho faty amim-boninahitra fotsiny ihany, fa ho toy ny fahavononana hiaina amim-pahamendrehana. Rehefa mandroso isika sady miezaka miaina araka ny fomba tokony hiainantsika dia azo antoka fa hahazo fanampiana avy amin’ ny Tompo ary hahita fampaherezana ao anatin’ny teniny.”3

Miaritra amin-kerimpo

“Inona no dikan’ny hoe maharitra? Tiako ity famaritana ity: miaritra amin-kerimpo. Mety ilainareo ny herimpo mba hinoana ary indraindray dia ho ilaina izany rehefa mankatò ianareo. Tena ho ilaina tokoa izany mba haharetanareo mandra-pahatongan’ilay andro hialanareo eto amin’ity fiainana an-tany ity.”4

Manàna herimpo hijoro amin’ ny fahamarinana

“[Enga] anie ianareo hanana herimpo hijoro mafy amin’ ny fahamarinana. Koa satria ny fironana misy eto amin’ ny fiaraha-monina ankehitriny dia miala tanteraka amin’ ny soatoavina sy ny fitsipika izay nomen’ny Tompo, dia azo antoka fa hisy fotoana maro izay tsy maintsy hiantsoana anareo hiaro ny zavatra inoanareo. Raha tsy mafy orina tsara ny fijoroana ho vavolombelona anananareo dia ho sarotra ho anareo ny hijoro eo anatrehan’ny fanarabian’ireo izay mihantsy ny finoanareo. Raha mafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba ny filazantsara sy ny Mpamonjy ary ny Raintsika any an-danitra dia hisy fiantraikany amin’ ny zavatra rehetra hataonareo mandritra ny fiainanareo izany.”5

Mila manana herimpo ara-panahy sy ara-pitondrantena isika

“Matetika mihitsy no mifanohitra amin’ ny zavatra tiantsika mba harahan’ny zanatsika sy hajainy ireo hafatra ampitaina amin’ ny fahitalavitra sy amin’ ny horonantsary ary amin’ ny alalan’ireo fampitam-baovao hafa [ankehitriny]. Tsy hoe ny mampianatra azy ireo mba hatanjaka ara-panahy sy ara-potopampianarana ihany no andraikitsika fa ny manampy azy ireo koa mba hijanona ho toy izany foana na inona hery any ivelany mety mifanena amin’izy ireo. Hitaky fotoana sy ezaka bebe kokoa avy amintsika izany—ary mba hahafahana manampy ny hafa dia ny tenantsika aloha no mila manana herimpo ara-panahy sy ara-pitondrantena hanoherana ny ratsy hitantsika eny rehetra eny.”6

Enga anie isika hanana herimpo hatrany

“Eo am-piatrehantsika ny fiainantsika andavanandro dia saika tsy azo hialana ny fisedrana ny finoantsika. Misy fotoana mety voahodidinin’ ireo hafa isika, kanefa mahatsiaro ho vitsivitsy an’ isa na mety ho irery mihitsy aza, raha ny mahakasika izay zavatra azo ekena sy izay tsy azo ekena. …

“Enga anie isika hanana herimpo sy ho vonona hatrany hijoro amin’ ny zavatra izay inoantsika, ary raha ilaina ny mijoro irery dia enga anie isika hanao izany amin-kerimpo tokoa, ary ho feno hery noho ny fahafantarana fa raha ny marina dia tsy irery mihitsy isika rehefa mijoro miaraka amin’ ny Raintsika any an-danitra.7

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Ny Dingana Telon’ny Safidy,” Liahona, nôv. 2010, 67, 68.

  2. Thomas S. Monson, “The Call for Courage,” Liahona, mey 2004, 55.

  3. Thomas S. Monson, “Mahereza sy Matanjaha,” Liahona, mey 2014, 69.

  4. Thomas S. Monson, “Minoa, Mankatoava, ary Mahareta,” Liahona, mey 2012, 129.

  5. Thomas S. Monson, “Aoka Hanana Herimpo Ianareo,” Liahona, mey 2009, 126.

  6. Thomas S. Monson, “Three Goals to Guide You,” Liahona, nôv. 2007, 118.–19.

  7. Thomas S. Monson, “Sahia Mijoro Irery,” Liahona, nôv. 2011, 60, 67.