2015
Takarivan’ny mpianakavy—Vitanao izany!
Aprily 2015


Ny tokantranontsika, ny fianakaviantsika

Takarivan’ny mpianakavy—Vitanao izany!

Afaka mitahy anao sy mampatanjaka anao ny takarivan’ny mpianakavy na manao ahoana na manao ahoana ny endriky ny fianakavianao.

Sary
composite of older photo and paint brushes with paint on them.

Sary mitahiry tantara nahazoana lalana tamin’ ny Brigham Young University; sary hosodoko nataon’ny iStock/Thinkstock

Nody tao an-trano niaraka tamin’ ny havizanana ny raim-pianakaviana iray rehefa avy niasa nandritra ny tontolo andro ary nahita fa tratran’izany fahatsapana fahasorisorenana izany koa ny fianakaviany. Alatsinainy hariva tamin’izay ary toa tsy ho vita izany hanao takarivan’ny mpianakavy izany. Rehefa avy nanao vavaka mba hahazoana fanampiana ilay ray sy reny dia nanapa-kevitra ny hanao zavatra tsotsotra. Nantsoin’izy ireo mba hiaraka ny fianakaviany, dia nihira hira tao amin’ ny fihirana izy ireo ary niaraka nivavaka. Nomen’izy ireo labozia kely iray ny olona tsirairay mba hampirehetina rehefa miresaka zavatra izay nanentana ny fanahiny vao haingana izy ireo. Naneho ireo fanentanam-panahy azo ny hazavan’ireo labozia tao anatin’ilay efitrano maizina ary nampifantoka ny sain’ireo zanaka. Rehefa nandeha ny fizarana fijoroana ho vavolombelona dia nisy fahatsapana fiadanana sy fitiavana mamy tonga tao an-trano. Namarana ny alina tamim-pankasitrahana fa nahavita takarivan’ny mpianakavy ilay fianakaviana.

Moa ve fantatrao fa efa fomba fanaon’ny Fiangonana nandritra ny 100 taona ny takarivan’ny mpianakavy? Ny volana Aprily 1915, dia nanome torolalana ny mpikambana ny Fiadidiana Voalohany mba hanokana hariva anankiray isan-kerinandro hiarahan’ny mpianakavy mivavaka, mihira, mianatra ny filazantsara, mifampizara tantara ary miara-mientana. (Jereo ao amin’ ny pejy 80 ny sombiny avy amin’izany taratasin’ny Fiadidiana Voalohany izany.) Manohy mampahatsiahy antsika ny maha-zava-dehibe ny takarivan’ny mpianakavy ireo mpaminany. “Tsy afaka ny tsy hiraharaha ity fomba fanao novolavolain’Andriamanitra ity isika,” hoy ny Filoha Thomas S. Monson. “Afaka mitondra fivoarana ara-panahy ho an’ny olona tsirairay ao amin’ ny fianakaviana izany ary manampy azy hanohitra ny fakam-panahy izay hita na aiza na aiza.”1

Ireto misy toetra vitsivitsy tokony hotsaroana rehefa ampidirinao ao anatin’ny herinandronao ny takarivan’ny mpianakavy:

Miantefa amiko izany. “Ho an’ny rehetra ny takarivan’ny mpianakavy,” hoy ny Loholona L. Tom Perry ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.2 Isika rehetra—na manambady na tokan-tena, na manan-janaka na tsia—dia afaka manokana fotoana mba hanamafisana orina ny fianakaviana sy hianarana ny filazantsara.

Afaka mahita fotoana aho. Ny fiangonana dia maneho ohatra amin’ ny alalan’ny tsy fanasiana hetsika any am-piangonana ny alatsinainy hariva. Afaka mampiseho amin’ ny Tompo sy ny fianakavianao ianao fa vonona ny hanokana fotoana ho an’ny zavatra manan-danja indrindra.

Afaka mahita izay zavatra mety amin’ ny fianakaviako aho. Raha toa ka mipetraka any amin’ ny toerana samihafa ny fianakavianao, dia miezaha manao “takarivan’ny mpianakavy en ligne” mba hiresahana amin’ireo olona ao amin’ ny fianakavianao en ligne na amin’ ny alalan’ny telefaonina. Moa ve misy olona taraiky be vao mirava? Manaova “takarivan’ny mpianakavy eo amin’ ny zaridaina azon’ny rehetra aleha” eo akaikin’ilay toeram-piasana mandritra ny fotoana fakana aina kely. Nisy raim-pianakaviana iray efa nisaram-panambadiana nanao “takarivan’ny fanoratana taratasy ho an’ny fianakaviana” isaky ny alatsinainy, ka dia nanoratra ho an’ireo zanany nipetraka lavitra izy.3 Aoka ireo sakantsakana ho lasa zavatra mandrisika ny tena hitady hevitra tsaratsara kokoa.

Afaka manomboka amin’ity herinandro ity aho. Azo arindra araka ny zavatra ilain’ny tokantranonao sy ny toe-javatra iainana ny takarivan’ny mpianakavy. Ireto misy sosokevitra amin’ ny ankapobeny vitsivitsy:

  • Atombohy sy farano amin’ ny vavaka ny fotoana.

  • Ampiasao ny mozika ka tafiditra ao anatin’izany ny hira ao amin’ ny fihirana sy ny hiran’ny Kilonga.

  • Mianara avy amin’ ny soratra masina sy ireo mpaminany maoderina.

  • Ampidiro ao anatin’izany isan-kerinandro ireo karazana fampiasam-batana, asa fanompoana, fiaraha-mientana mifototra amin’ ny filazantsara.

  • Mahazoa fahafinaretana! Manaova kilalao na mihinàna sakafo maivana.

  • Ataovy tsy tapaka izany. Raha tsy vitanao ny manao izany isaky ny Alatsinainy dia mitadiava andro iray hafa izay mahamety izany.

Te hahazo ireo fitahiana aho. Nampanantena ny mpaminany fa raha mandray anjara amin’ ny takarivan’ny mpianakavy isika dia fitahiana lehibe no ho vokatr’izany: Hitombo ny fitiavana sy fankatoavana ao an-tokantrano. Hitombo ny finoan’ireo zatovo. “Hanana hery hiadiana amin’ ny herin’ny ratsy sy ny fakam-panahy” izay manodidina azy ireo ny fianakaviana.4

Na dia tsy ho tonga lafatra foana aza ny takarivan’ny mpianakavinao dia hatanjaka sy ho voatahy kosa ny fianakavianao noho ny ezaka ataonao. “Faoka indray mandehan’ny borosindoko eo amin’ ny sary hosodokon’ny fanahintsika ny takarivan’ny mpianakavy tsirairay,” hoy ny nampianarin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Tsy misy fotoana iray hafa velively izay mety ho tena hanaitra sy tsy ho hay hadinoina noho izany. Saingy rehefa mifameno ireo faoka indray mandehan’ny borosindoko … dia manome sangan’asa iray tena mahatalanjona, dia toy izany koa ny fanaovantsika tsy tapaka ireo zavatra izay toa kely nefa mitondra vokatra manan-danja ara-panahy.”5

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Constant Truths for Changing Times,” Liahona, mey 2005, 19.

  2. L. Tom Perry, “Therefore I Was Taught,” Ensign, mey 1994, 38.

  3. “Family Home Evening: Any Size, Any Situation,” Ensign, des. 2001, 42.

  4. Fiadidiana Voalohany, ao amin’ ny James R. Clark, natambatra ao amin’ ny Messages of the First Presidency of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, boky miisa 6. (1965–75), 4:339.

  5. David A. Bednar, “Hazoto sy Hikarakara Bebe Kokoa ao An-tokantrano,” Liahona, nôv. 2009, 19–20.